Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2010


Radio Fahazavana : Tontosa tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga ny tolakandron’ny sabotsy 23 oktobra teo ny fanokafana ny tsingerintaona fahadimin’ny Radio Fahazavana any an-toerana. Nitarika ny fotoana ny prezida synodaly. Mpiasan’ny Radio Fahazavana miisa efatra, Didier Ravoahangiarison, Lolot Ratsimba, Jaona Raoly ary Tiana Maharavo, avy eto Antananarivo ihany koa no tonga tany an-toerana, nijoro vavolombelona tamin’ny asan’Andriamanitra tamin’izy ireo. 

Nanelingelina : Nahasorena ny mpandeha tamin’ny zotra Air France tonga ny Zoma 22 oktobra tokony ho tamin’ny folo ora alina ny zava-nitranga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato tamin’io fotoana io. Tonga teny ny ministry ny polisy ary nohidina tampoka ny trano fa hoe nisy olona roa tadiavina. Nandeha mihitsy aza ny feo fa merseneran’ny filoha Ravalomanana ireo. Faritra sahanin’ny ADEMA sy ny ACM io faritra io. Azon’ny Polisy natao tsara ny mitady ny lisitry ny mpandeha sy manamarina izay olona tadiaviny ao. Tsy vitan’izay fa misy koa ny fombafomba tsy maintsy ataon’ny mpandeha eo am-pahatongavana ka raha misy olona tadiavina mandritra izay dia efa ampy handraisan’ny polisy, raha matihanina tokoa, mba hialana amin’ny fanelingelenana toy ity.
 
Hampihavana : Tsy nahasakana ny famoriam-bahoaka nataon’i Tantely Andrianarivo tao Banja Toalaza ny miaramilan’ny Emmo-Reg niatrana vao maraina teo akaikin’ny lycée Philibert Tsiranana ny tolakandron’ny sabotsy teo. Niverimberina tamin’ny tenin’ny praministra farany tamin’ny fitondrana Ratsiraka ny fihavanana. Tonga hampihavana aho, hoy izy. Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ireo kamarady Arema ao amin’ny La Piscine ny diany omaly alahady. Tsikaritra nandritra ity diany tao Mahajanga ity ihany ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpikatroka Arema.
 
Fitsidiham-paritra : Hanatontosa fitsidiham-paritra any amin’ny distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra Roland Ratsiraka manomboka ny alakamisy 28 oktobra ho avy io. Foto-diany ny hitondra famelabelaran-kevitra mikasika ny raharaham-pirenena misy ankehitriny.
 
Tokony hahemotra : Tao Soavita Toamasina, naneho ny heviny mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka izay hotontosaina ny 17 Novambra ho avy io ny MDM na ny Mientana ho amin’ny demokrasia eto Madagasikara. Nambaran’i Pierrot Rajaonarivelo fa tokony hahemotra io datin’ny 17 novambra io noho ny tsy fahatomombanan’ireo karazan-javatra marobe manodidina izany. Noraisin’ny filohan’ny MDM ohatra ny mikasika ny fampitana ireo volavolan-kevitra lehibe manodidina ny fifidianana izay notsindriany fa tsy mbola tafapaka tsara any amin’ny vahoaka ankoatra ny tsy fisian’ny mpanara-maso iraisam-pirenena.
 
Tany nihotsaka : Mpizahatany 400 isa no niharan’ny fihotsahan’ny tany, tany Taîwan ny faran’ny herinandro teo vokatry ny ora-nikija lavareny, nateraky ny andro ratsy. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Am-polony kosa, araka ny vaovao voaray, no voalaza fa naratra.
 
Fianianana : Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fianianana nataon’ireo rantsamangaikan’ny CENI any amin’ny Faritra Menabe. Tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Morondava no nanatontosana izany araka ny angom-baovao azo, notronin’ny sekretera jeneralin’ny Faritra sy ireo olo-manankaja maro.
 
Fankasitrahana : Notoloran’ny fitondrana FAT mariboninahitra Commandeur de l’ordre national Malagasy ny mompera Pedro ho fankasitrahana azy noho ny ezaka ataon’ity relijiozy katolika ity ho an’ny mahantra.
 
Antitra : Efa tranainy loatra no sady tsy ampy ireo karazam-pitaovana hampiasain’ny mpitsabo ao ao amin’ny hopitaliben’i Mahanoro koa nanaovan’izy ireo fitarainana. Nandritra ny fitsidiham-paritra notontosain’ny ministry ny fahasalamana tany an-toerana no nahafantarana izany ny faran’ny herinandro teo. Tsy adinon’ny ministra nandritra io diany io ny nanentana ny mponina, indrindra ireo Renim-pianakaviana mitondra vohoka sy manan-janaka latsaky ny dimy taona mba handray anjara mavitrika amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza izay homarihina eto amintsika hanomboka anio alatsinainy.
 
Vitrine du Vakinankaratra : Ny alakamisy 28 sy ny zoma 29 oktobra no hanaovana ilay hetsika “ vitrine du vakinankaratra ” hotontosaina ao Antsirabe, karakarain’ny FIOVA na ny Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra. Tranoheva manodidina ny 70 isa no handray anjara amin’izany, araka ny vaovao voaray, hahafahan’izy ireo misokatra bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny toekarena.
 
 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT