Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 22 Oktobra 2010


Arema : Hidina any Mahajanga i Tantely Andrianarivo. Andrasana any an-toerana izy rahampitso sabotsy 23 oktobra, hihaona amin’ireo kamarady Arema any an-toerana. Mahajanga izany taorian’Ambositra no tanàna faharoa hanaovany famoriam-bahoaka hatramin’ny nigadonany an-tanindrazana ny alarobia 13 oktobra lasa teo.

Raikitra : Raikitra ny fampielezan-kevitra any amin’ny distrikan’Andapa. Ministry ny FAT telo no indray nigadona tany an-toerana nanomboka omaly alakamisy namahavaha sy nampahafantatra ny mponina ny volavolan-dalàm-panorenana vaovao sy ny datin’ny 17 novambra ho avy io, fotoana hanatontosana ny fandatsaham-bato.
Horakoraka : Horakoraka no nasetrin’ireo olona teny Itaosy ilay fiarabe mandehandeha mandresy lahatra ny olona handatsaka ny vato ENY omaly alakamisy. Narahin’ireo karazam-pitenenana izay milaza fa tsy mila sy tsy mahavita izany ka nitsoaka nandositra ilay fiara.
Fotodrafitrasa : Hahazo CEG manara-penitra ny any amin’ny fokontanin’Ambodisaina, Kaominina sy distrikan’i Toamasina II. Tamin’ny alalan’ny teti-bola ifarimbonana no angady nananana sy vy nahitana izany. Ankoatra izay dia mbola niantohan’ny FRAM ihany koa ny biriky. Ny tanjona moa dia ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mpianatra lavi-podiana.
48 ora : 48 ora manomboka anio sisa no fe-potoana nomen’ireo olona tompon’ny razana milevina ao Maromokotra Ambilobe, nanorenan’ireo olon-tsy fantatra toeram-ponenana vaovao. Ny hanalana ny fefy no hangatahin’izy ireo amin’izany raha ny hialan’ireto farany amin’io toerana io mihitsy no notakiany teo aloha. Ny antony moa dia noho ny fahatsapan’izy ireo fa voahitsakitsaka ny hasin’ireo razana milevina ao.
Nahazo fanampiana : Nahazo fanampiana ara-pitaovana avy amin’ny fitondrana FAT ny EPP ao Tanambao avaratra, distrikan’i Maintirano. Tsiahivina fa efa noraisin’ny fikambanan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra an-tanana ny fanaovana ny fototr’ity sekoly vaovao ity. Roa ka hatramin’ny telo volana no faharetan’ny asa araka ny vaovao voaray.
Asa fanadiovana : Mitohy ny asa fanadiovan-tanana ao an-drenivohitr’i Maintirano. Laharam-pahamehana amin’izany ny bazaribe hisorohana ireo areti-mifindra ateraky ny fiparitahan’ny loto. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny isan-tokantrano tarihin’ny Ben’ny tanàna.
Radio Fahazavana : Hanamarika ny faha-5 taona nisokafany ao Mahajanga ny radio Fahazavana, onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Rahampitso tolakandro no hanamarihana izany ao amin’ny Fjkm Ziona vaovao. Hisy ny famelabelarana ny tantaran’ny radio Fahazavana.
Ny eo ihany no eo : Raha tsy tokony ho eny amin’ny toby fiantsonana taloha intsony no handraisan’ireo fiara taxibe 119 mpandeha ao anatin’izao asa fanamboarana izao toby fiantsonana filamatra izao dia tsy mety fa ny eo ihany no eo. Noho ny fahazarana izay zary efa raiki-tapisaka amin’izy ireo sy ny mpandeha no anton’izany araka ny vaovao voaray.
 
“Lac sacré” Mangatsa : Nanolotra omby mazavaloha iray miampy vola dimy tapitrisa ariary ho an’ny mponina tao Mangatsa misy dobo masina (Lac sacré) any Mahajanga i Monja Roindefo ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny diany tany an-toerana, ka namoriany olona tao amin’ny Banja Toalaza. Manana fotodrafitrasa ara-pizahantany ao amin’ity toerana ity ny zafikelin’ny filoha Philibert Tsiranana. Araka ny fantatra dia nangata-pitahiana tany i Monja.
Sokatra : Tafaverina eto Madagasikara ireo sokatra miisa 415 nisy naondrana antsokosoko. Tany Malezia vao tratra izy ireo. Sokake ny 400, angonoka ny 4 ary sokapila ny 11. Nisy ny firaisana tsikombakomba ary tsy malina isika matoa tafavoaka ireto biby arovana ireto, hoy ny ministry ny tontolo iainana, Raveloharison Herilanto. Araka ny fantatra dia Malagasy iray hatreto no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity.
Magro Behoririka : Nitohy tao amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny Ankolafy Telo omaly, miandry ny valin’ny fangatahana nataon’izy ireo tany amin’ny Kaominina, hampiasana ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, izay toerana malalaka kokoa sady mifefy, hanehoany hevitra. Voatsikera mafy nandritra ity fihaonana ity ny amin’ilay tetikasa Tsena Mora nambaran’i Andry Rajoelina fa hanomboka rahampitso. Raha mitsinjo marina ny madinika ianareo, hoy i Zafilahy dia zarao maimaimpoana amin’ny vahoaka ny PPN, dia omeo fampianarana maimaimpoana ny zanany… fa tsy zavatra vonjy tavanandro no anaovana resabe eto.
Mampijaly ny rano : Lohataona ny andro. Ritra ny loharano. Manahirana ny mahita rano satria ritra daholo na ny loharano na ny lavadrano. Na ny rano amin’ny Jirama aza mananosarotra. Ny eny Iadiambola Nanisana eny Soavimbahoaka, ohatra, dia amin’ny 2 ora sy sasany maraina dia efa milahatra rano eny amin’ny paompy ny olona. Amin’ny 7 ora maraina vao mahazo rano. Toy izany ka ny eny Andraisoro, Mialoha ny misasakalina dia efa misy bidon milahatra.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT