Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010


Niravona ihany : Niravona ihany ny olana tany amin’ny distrikan’Ambilobe taorian’ny fitokonana nataon’ireo mpampianatra tany an-toerana ny alatsinainy lasa teo izay mitaky ny hanalana ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana amin’ny toerany. Naato tamin’ny andraikiny ny Chef Cisco tao ary dia niverina namonjy ny asany avy ny tsirairay taorian’izany ary efa niverina amin’ny laoniny ihany koa ny fampianarana.

Fiomanana : Miatrika fiofanana sahady amin’ny fiatrehana ny tondra-drano ateraky ny rivodoza ny any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Nanomboka ny talata 19 oktobra teo no niatrehan’ireo ekipa am-polony izany tany amin’ny distrikan’i Vohipeno. Tsiahivina fa ny BNGRC no tompon’antoka tamin’ny fampiofanana.
 
Niditra an-tsehatra : Tsy afa-nijery fotsiny fa voatery niditra an-tsehatra nanala ireo sakana napetrak’ireo sendika tao andrefan’i La Frantsa izay manohitra ny fanovan-drafitra vaovao amin’ny taona handehanana misotro ronono ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Sakana efatra no efa afaka araka ny vaovao voaray raha mpiasa efatra ihany no noterena handray ny asany mba hahafahana mampihodina ny raharaha any an-toerana. Toby famatsian-tsolika maromaro mantsy no tsy nihitsoka tsy afa-nihodina vokatr’izany.
 
Tondra-drano : Olona 60 isa no efa namoy ny ainy tany Bénin vokatry ny tondra-drano nateraky ny fiavian’ny orana miseho any an-toerana. Ankoatra io dia olona 120.000 no voatery nafindra monina. Marihina fa efa mahazo vahana any an-toerana ihany koa izay mbola vokatr’io tondra-drano io ihany ireo karazana areti-mifindra toy ny kôlera sy ny tazomoka.
 
Fahasalamana : Miomana fatratra amin’ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny Reny sy zaza izay hotontosaina manerana ny Nosy ny 25 ka hatramin’ny 31 oktobra ho avy io ny any amin’ny Faritra SAVA. Misy ny fiofanana hatrehin’ireo tompon’andraikitra voakasik’izany.
 
Fianianana : Tontosa omaly alarobia tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha ny fianianana notontosain’ireo filankevitra mahaleo tena momba ny fifidianana ao anatin’ny Faritra SAVA. Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny filohan’ny fitsarana any an-toerana.
 
Fitsapan-kevi-bahoaka : Mafana ny fanomanana sy fampahafantarana ny fitsapan-kevi-bahoaka hotontosaina ny 17 novambra ho avy io amin’ny alalan’ny radio sy ny televizionam-panjakana ao an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana. Manana anjara isan’andro ny komity mpanohana ny ENY sy ny TSIA na amin’ny radio na amin’ny fahitalavitra.
 
Asan-dahalo : Olona efatra no voatifitra, iray zaza dimy taona, iray renim-pianakaviana mitondra vohoka raha raim-pianakaviana ny roa ambiny. Io no zava-nitranga tao amin’ny Fokontanin’Andohantany, distrikan’Ikalamavony ny talata alina tokony ho tamin’ny 10 ora. Ankoatra izay dia trano valo no nodoran’ireo jiolahy rehefa tsy tafavoakan’izy ireo ny omby.
 
Mirongatra : Mirongatra ny doro tanety any amin’ny Faritra Itasy. Am-polony hektara no efa lasibatra araka ny vaovao ka mampitaraina ireo tomponandraikitra. Araka ny fantatra anefa dia anisan’ny Faritra mendri-piderana ity faritra ity tamin’ny taon-dasa noho ny hakelezan’ny tanety voadoro.
 
Maty an-drano : Zaza efatra, zanak’olona telo samy hafa, no indray maty an-drano tao Ankodabe Fenoarivobe ny sabotsy teo. Lahikely 4 sy 6 taona sy vavikely roa 5 sy 7 taona izy ireo, niaraka tamin’ny dadatoa izay tsy salama saina, tany amoron-drano. Nikoropaka ny tao an-tanàna rehefa tsy nahita ireto ankizy tao an-tanàna. Indrisy anefa fa efa nitsingevana ny roa no tazan’ny reniny. Niantso Fokonolona ity farany. Nikaroka ny ambiny ny Fokonolona. Indrisy fa faty no hitan’izy ireo. Tsy dia lalina ny rano naharendrika azy ireo, saingy nitazam-potsiny azy ireo ilay dadatoa marary saina.
 
Nihena : Nihena tsy toy ny teo aloha intsony ny asan-dahalo nianjady tamin’ny mponina tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Antsakatsaka, distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana ankehitriny. Vokatry ny ezaky ny Fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana no angady nananana sy vy nahitana izany.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT