Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 18 Oktobra 2010


Salama : Salama tsy misy ahiana, araka ny vaovao voaray, ireo mpitrandraka arintany 33 lahy tafahitsoka tany amin’ny 700 metatra ambanin’ny tany tany Chili, taorian’ny nampiakarana azy tety ambonin’ny tany. Efa miara-miaina amin’ny fianakaviany izy ireo nanomboka ny faran’ny herinandro taorian’ny fizaham-pahasalamana natao taminy. 

Vita fianianana : Vita fianianana ny faran’ny herinandro teo ireo mpikambana eo amin’ny filankevi-paritry mahaleotena misahana ny fifidianana any amin’ny Faritra Betsiboka. Tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Maevatanana no nanatontosana izany, natrehin’ny filohan’ny fitsarana.
 
Tanàna maloto : Anisan’ny aretina mety hamono ny ankizy tampoka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao ny tanàna maloto. Manodidina ny 40 % ny salam-pahafatesan’ny zaza latsaky ny dimy taona lasibatr’izany eto amintsika araka ny fanadihadiana natao.
 
400 isan-taona : Mahatratra 400 isan-taona ny olona matin’ny aretim-pivalalana vokatry ny loto any amin’ny Faritra SAVA raha 10.000 isa manerana ny Nosy. Fantatra izany nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho amin’ny fanasan-tanana amin’ny savony izay nomarihina tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Narahin’ny fanentanana ny olona mba hanasa tanana amin’ny savony ny hetsika izay marihina fa mampihena hatrany amin’ny 30% ny aretim-pivalanana.
 
Zaridaina : Nampikolay ny maro tokoa ny fitohanan’ny fiarakodia teny Ampefiloha hihazo an’i 67 ha iny ny zoma hariva lasa teo. Antony nahatonga izany ny fibahanan’ny fiaraben’ny Kaominina Antananarivo nanondraka ireo voninkazo nampaniriana eny amin’ireo karazana zaridaina kely vao naorina manamorona ny sisin’arabe izay nifanindran-dalana indrindra tamin’ny firavan’ny mpianatra sy ny mpiasa. Sorena avokoa ny rehetra vokatr’izany.
 
Fanahazan-damba : Taorian’ny nahalasa toerana fivarotana fanaka tonta ny tetezan’Ampasika hihazo an’Itaosy dia lasa fanahazan-damba indray ny arofanina amin’ity tetezana ity ankehitriny. Ny bodofotsy sy ireo karazan-damba fandrakofana fandriana no hita mirantiranty eny an-toerana vao maraina izay mampanontany tena tokoa.
 
Nankasitrahana : Nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny Diorano Wash ny CSB Mahabibo ao Mahajanga II ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny fanarahan’ity tobim-pitsaboana ity ireo fepetra rehetra manodidina ny resa-pahadiovana no nahazoany izany mari-pankasitrahana izany ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’izany ny fananany toeram-pidiovana manara-penitra…
 
Fizarana savony : Fizarana savony ho an’ny mpianatra. Io no nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho amin’ny fanasan-tanana amin’ny savony izay notontosaina tao amin’ny EPP Fiofio any Mahajanga I ny zoma 15 Oktobra lasa teo. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny ministry ny mponina Nadine Ramaroson.
 
Toromarika : Tsy mbola nisy nahazo toromarika mikasika ny fanomanana ny fitsapan-kevi-bahoaka izay hotontosaina ny 17 Novambra ho avy io hatramin’izao ny ankamaroan’ireo sefo Fokontany manerana ireo Kaominina 24 mandrafitra ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Anisan’izany ny kaominina ambanivohitra Andoharanofotsy. Tsy fantatry ny olona akory vokatr’izany ny antom-pisian’ireny solaitra be misy Eny miparitaka ireny.
 
Tafatsangana : Tafatsangana any amin’ny distrikan’i Faradofay ny faran’ny herinandro teo ny filankevi-paritry mahaleotena misahana ny fifidianana. Miisa enina mianadahy izy ireo araka ny vaovao voaray. Hiroso amin’ny fanaovana ny fianianana izy ireo amin’ity herinandro vaovao ity.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT