Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 15 Oktobra 2010


Kits scolaire : Nahazo kits scolaires avy amin’ny ministeran’ny mponina ireo zanaky ny mpiasa rehetra ao aminy. An-jatony izy ireo no notolorana izany toy ny kahie, penina... Hijoro amin’ny herinandro ho avy io ihany koa ny “centrale d’achat” hahafahan’ireo mpiasan’ ny ministera mividy ireo karazana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, izay ho hita eny amin’ny SEBA eny Isotry.

Tsy mahasoa : “Mila mpitondra mendrika azy Antananarivo fa tsy mahasoa azy zao misy azy izao”, hoy i Constant Raveloson tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Voafitaka indroa Antananarivo, hoy ihany izy, fa tsy hisy intsony ny fahatelony.
 
Tafakatra avokoa : Tontosa omaly ny fampiakarana farany ireo mpitrandraka aritany 33 lahy tafahitsoka tany amin’ny 700 metatra ambanin’ny tany any Chilie. Mpanao gazety 1500 mianadahy no nampiaina mivantana ny fampiakarana azy ireo, araka ny vaovao voaray izay marihinafa saika tsy nino avokoa.
 
Mitaky : Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra ilay teratany Sinoa nahazo ny loka Nobeln’ny fandrampahalemana taona 2010 mbola voatazona any am-ponja ny Praiministra Japonais sy ireo mpiara-dia aminy. Mifanohitra amin’izay kosa anefa ny hevitr’ireo mpitondra any Pékin (Chine) izay tsy mankasitraka ny fanomezana ilay loka ho an’ity Sinoa ity. Tsiahivina fa ny volana Desambra taona 2009 no naiditra am-ponja ity sinoa ity. 11 taona no faharetan’ny saziny.
 
Noravana avokoa : Noravana avokoa nanomboka ny alarobia lasa teo ireo karazana fefy kely ampitan’ ny tribonaly etsy Anosy. Tsy fantatra mazava izay anton’ny fandravana hatreto. Ny hany tsikaritra dia hisy trano vaovao vao haorina manoloana iny arabe iny izay mbola nofefena tafo fanitso aloha.
 
Sarona : Dahalo roa raindahiny indray niaraka tamin’ny basy vita gasy roa no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Sakaraha afak’omaly alarobia. Nikasa hanao fanafihana mahery vaika tamina fokontany roa samihafa izy ireo no tratra.
 
Lay misy ody moka : Tonga any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra ireo lay misy ody moka an-jatony nampanantenain’ny ministeran’ny fahasalamana hozaraina maimaimpoana ho an’ny mponina. Efa misy ireo tomponandraikitra voatendry handray an-tanana ny fizarana araka ny vaovao voaray.
 
Fanabeazana aizana : Raikitra ny fanentanana ireo Renim-pianakaviana tantsaha hampiasana ireo karazana fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana any ambanivohitr’i Toamasina II. Amin’ny alalan’ireo mpanentana no hanatontosana izany izay marihina fa mitety tokantrano mihitsy.
 
Mifampizara : Mandalo any amin’iny faritra Atsinanana iny hatry ny omaly ireo delegasiona avy any DIANA. Dinika avy hatrany no nisantaran’ny roa tonta ny fihaonany omaly alakamisy toy ny fanatsarana ny fampidiram-bola eo anivon’ny faritra izay tena mampalaza ny faritra Atsinanana.
 
Fahasalaman’ny maso : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalaman’ny maso ny teto an-drenivohitra omaly alakamisy. Tetsy Analakely no nanatontosana ny hetsika, nizahana maimaimpoana ireo olona tratry ny diabeta nefa marary maso.
 
Adala : Lasibatr’ilay lehilahy adala iray mpirenireny ao an-drenivohitr’i Maintirano araka ny vaovao azo ireo tovovavy mpianatra sendra azy. Ankoatra ny fihetsika mamoafady ataon’ity adala ity mantsy dia tereny horohana ihany koa izay tovovavy sendra azy. Milaza ho tsy mahalala ity adala ity daholo anefa izay rehetra hanontaniana koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny tomponandraikitra.
 
Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT