Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010


Efa-dahy : Mizotra miandalana ankehitriny ny famoahana ireo mpitrandraka arintany tafahitsoka tany amin’ny 700 metatra ambanin’ny tany any nanomboka ny talata hariva lasa teo. Ora iray isaky ny olona no lany tamin’ny fampiakarana azy ireo araka ny vaovao izay marihina fa nampiasana fitaovana manara-penitra tokoa. Efa-dahy izay no tafakatra. Na izany aza mbola arahina akaiky ny toe-pahasalaman’izy ireo mialoha ny hifaneraserany amin’ny fianakaviany. Tonga nanatrika ny fampiakarana azy ireo ny filoha Siliana. 

Lozam-pifamoivoizana : Olona valo no indray namoy ny ainy tany ambanivohitr’i Kaboul any Afghanistan ny alatsinainy vokatry ny fianjeran’ny fiara madinika kely iray nitondra ny entan’ny OTAN. Teratany Filipiana ny enina amin’izy ireo raha Indiana sy Keniana ny roa ambiny. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ny raharaha. Tsy mbola fantatra mantsy araka ny vaovao azo izay niavian’ny loza.
 
Fitsaram-bahoaka : Dahalo roa tamin’ireo valo nanafika tanàna tao Ambohitromby, Fenoarivo, Faritra Bongolava ny fiandohan’ny herinandro teo no niharan’ny fitsaram-bahoaka ka namoy ny ainy avy hatrany. Tsiahivina fa omby miisa 100 no norobain’ireto dahalo ireto tao amin’ity tanàna ity tamin’io andro io ary tsy mbola nisy tafaverina amin’ny tompony hatramin’izao. Dahalo raindahiny iray ihany koa no sarona tao Ambalataretra ny fiandohan’ny herinandro teo niaraka tamin’ireo karazam-panafody mahery vaika fanaovana fonoka.
 
Fitsarana : Hanamarika ny andro anio ny raharaham-pitsarana ireo raharaha baomba tamin’ny taona 2009. Olona miisa 74, ka mpomba ny filoha Ravalomanana ny ankamaroany ary betsaka no any amponja. Voakasik’ity dosie ity ry Rakotoamboa Jean Louis, ry Raharinaivo, Rasomotra …
 
Sakafo : Hanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny sakafo ny any amin’ny distrikan’i Toamasina II amin’ity herinandro ity. Nisy ny fivoriana hoenti-manomana izany notontosaina tao amin’ny lapan’ny Faritra ny talata teo. Nivoitra nandritra ny fihaonana fa anisan’ny faritra ampy sakafo ny Faritra Atsinanana saingy ny fandrindrana sy ny fomba fampiasana izany no tsy ampy.
 
Sarona : Dahalo fito lahy no indray saron’ny Fokonolona tany Sakaraha niaraka tamina basy poleta roa sy bala roa ny fiandohan’ny herinandro teo. Hatolotra ny fitsarana any Toliara izy ireo amin’ny faran’ny herinandro ity ho famaizana azy.
 
Atahorana : Atahorana hanimba ny lalana eo Ampefiloha hihazo an’i Cenam iny ny rano maloto avy any amin’ireo tanàna kely manoloana ny garazy, toby fiantsonan’ny taxibe 133 avy any Itaosy. Mandriaka hatreny afovoan’ny arabe mihitsy mantsy ny rano ankoatra ireo miangona etsy sy eroa ka mandavaka ireo faritra efa misy goaka.
 
Mpampianatra : Handray mpampianatra “vacataire” miisa telo ny Lycée Mixte ao Antsiranana. Noho ny fitomboan’ny ora hampianaran’ny mpampianatra ny kilasy faha-11 no mahatonga izany, fanapahan-kevitra vaovao vao noraisin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.
 
Rano fisotro madio : Velon-taraina noho ny tsy fahazoany rano fisotro madio ny mponina eny amin’ny kaominina sy distrikan’Ambohidratrimo. Ankoatra ny fitsitapitapin’ny ranon’ny JIRAMA mantsy dia ritra ihany koa ny rano eny amin’ny vovo sy ny fantsakana ka tsy misy azo antenaina intsony.
 
Maloto : Maloto ny tanàna. Io no azo ilazana ny faritra Analakely sy ny manodidina amin’izao fotoana vokatry ny famefen’ny tomponandraikitra ny lalana manoloana ny Lapan’ny tanàna vaovao. Manoloana ireny fefy ireny indray mantsy no manao maloto ny sasany izay miteraka fofona manempotra tokoa, indrindra rehefa mipoaka iny ny masoandro.
 
Tsy maharaka : Raha velon-taraina noho ny tsy fisian’ny tsena teo aloha ireo mpivarotra ranomboakazo star mandehandeha eo Analakely dia mifanohitra amin’izay ny zava-mitranga ankehitriny. Mila tsy haharaka ny mpividy indray ny jus entina izay efa mahatratra hatrany amin’ny 60 tavoahangy isaky ny mpivarotra iray.
 
Areti-nify : Mahafaty ny areti-nify. Tovovavy kely vao roapolo taona monja no maty vokatry ny areti-nify teny Itaosy teny. Vokatry ny nana niotrika ka vaky tao anatiny no nahatonga izany. Tsy ela akory izay dia nisy lehilahy matin’ny areti-nify koa teny Anosipatrana. Araka izany dia mila mitandrina ny tsirairay fa saro-pady ny nify.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT