Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 12 Oktobra 2010


Ambilobe : voasaringotry ny hosoka amin’ny fanomezan-dalana hanorin-trano, tompon’andraikitra maro teo anivon’ny Kaominina ambonivohitra Ambilobe no voatana am-ponja vonjimaika tao Antsiranana. Anisan’izany ny Ben’ny tanàna sy ny lefiny voalohany, ny filohan’ny filankevitra monisipaly, ny mpiasan’ny sora-piankohonana ary mpiasan’ny Voirie. Efa nahazo LP ny sasany. 

Lycée teknika : Nanomboka omaly ny taom-pianarana 2010-2011 ho an’ny sekolim-panjakana ankapobeny sy teknika. Omaly dia nitsidika ny LTP Alarobia ny sekreteram-panjakana miadidy ny fampianarana teknika, ramatoa Toto Lydia, izay nanome toky ireo mpianatra sy mpanabe fa hiezaka ny departemanta tantaniny hampandroso ny fampianarana teknika. Nanambarany fa horaisina mpiasa raikitra ireo ECD rehefa misy ny fandraisana mpiasam-panjakana vaovao. Nampanantena koa izy fa amin’ny faran’ny volana oktobra kosa no mandray ny karamany ireo “vacataires”.
 
Sarona : Saron’ny mpitandro ny filaminana rehefa avy nandoro trano roa sy nandroba ireo karazana fananana tao anaty tany amin’ny faritra Ambalambositra, distrikan’i Manandriana ireo jiolahy efa-dahy nirongo fiadiana ny alin’ny sabotsy 09 oktobra lasa teo. Tsiahivina fa olona manodidina ny 26 isa no tsy manan-kialofana vokatr’izany.
 
Lanin’ny trondro : Hita ny faran’ny herinandro teo rehefa nanjavona tao anatin’ny tapa-bolana latsaka ilay mpanjono iray tsy niverina nody tany amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Efa lanin’ny trondro avokoa ny kibon’ity mpanjono ity sy ny tanany roa, araka ny vaovao voaray ka tsy azo notazonina ela intsony ny razana. Ora iray taorian’ny nahitana azy dia natao ny fandevenana.
 
Sahirana : Tsy nisy toerana tsy nahitana fitohanan’ny fiarakodia omaly maraina teto an-drenivohitra. Niditra omaly avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo sekolim-panjakana isan-tsokajiny ankoatra ireo sekoly tsy miankina. Teo an-daniny, nanahirana mafy ihany koa ny fakana fiara fitateram-bahoaka ka nampitaraina ny maro.
 
SECES : Nanamafy izy ireo fa mitohy ny fitokonana. Mitsahatra ny asa fampianarana rehetra. Nanapa-kevitra ihany koa fa hahantona aloha ny famoahana ny valim-panadinana isan-tsokajiny ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana sy IST-n’Antsiranana mandrapivahan’ny olana. Ho an’Antsiranana dia ny Dr Justin Ratsaramody indray izao no filoha lefitry ny SECES, mandimby toerana ny Dr Reziky Tsiresena, ity farany dia voatendry ho filoha lefitry ny oniversite ao an-toerana.
 
Amin’ny anaran’ny tenany : Mandeha amin’ny anaran’ny tenany fa tsy amin’ny anaran’ny antoko ireo olon’ny AREMA izay mandray anjara ao anatin’ny parlemantan’ny tetezamita hoy ny lehiben’ny fironana AREMA, Pr Ange Andrianarisoa. Tsy araka ny nifanarahana mantsy izany, hoy izy no sady tsy eken’ny filoha Ratsiraka ihany koa.
 
Tantely Andrianarivo : Araka ny vaovao dia hody an-tanindrazana ny alarobia 13 oktobra ho avy izao, izany hoe rahampitso ny praiministra teo aloha, tamin’ny andron’ny Amiraly, Tantely Andrianarivo.
 
Vidim-bary : Manomboka miakatra ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana izao na dia tsy mbola ao anatin’ny fotoanan’ny maitso ahitra aza isika. Tsy latsaky ny 3% izany fiakaram-bidy izany, raha ny fanadihadiana.
 
Ariary : Tsy mitsaha-mitotongana ny sandan’ny ariary raha mitaha amin’ny Euro. Manodidina ny 2700 ariary, ohatra, ny Euro iray raha 1900 ariary kosa sy dolara.
 
Vita : Vita omaly ary voaloko vonim-boasary ilay karazana tamboho natao hanakonana ny ny lakan-dranon’Andriantany etsy Ampefiloha, toerana misy ireo 4-mi etsy La Réunion kely. Misy amin’ity karazana tamboho ity avokoa ny ilany havia sy havanana.
 
Vokatra tongolo : Hanondrana tongolo any amin’ny Nosy rahavavy La Réunion ireo tantsaha mpamokatra tongolo any amin’ny distrikan’i Mampikony, araka ny fantatra. Noho ny havitsian’ny mpanangom-bokatra tonga any an-toerana no mahatonga izany ka mampitotongana ny vidim-bokatra.
 
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT