Hampahafantarina : Raha tsy misy fiovana amin’ny ora farany dia anio no hampahafantarina ary hapetraka amin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana miisa 90 ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Rahampitso kosa ireo 256 handrafitra ny Kaongresin’ny tetezamita. Rehefa vita izay dia hiroso amin’ny fanavaozana ny governemanta koa ny FAT.
Fanambarana : Hanao fanambarana goavana ny Pr Raymond Ranjeva rahampitso Talata 12 Oktobra 2010, amin'ny 10 ora maraina. Etsy amin'ny La Rotonde Mahavoky Besarety no hanatanterahany izany. Hatreto aloha dia mbola mijanona ho tsiambaratelo ny zavatra hambarany. Mihevitra anefa ny maro, fa tsy hivaona amin’ny vahaolana hivoahana amin’izao krizy lalovan’ny firenena izao izany.
Nankasitrahana : Nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny orinasa JIRAMA ireo mpiasa nahavita be indrindra tao aminy miisa 166 mianadahy mianaka any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Tamin’ny alalan’ny fanolorana ireo karazana mari-boninahitra isan-tsokajiny no nanehoany izany ny faran’ny herinandro teo, notontosaina tao an-drenivohitr’i Toliara.
Tsy filaminana : Nahitana fanafihana tokantrano roa indray teny Anosipatrana teny ny zoma alina lasa teo. Tamin’ny folo no nitrangan’izany. Maromaro izy ireo. Mody miseho ho mahafantatra izy ary tsy misalasala miditra ny trano. Rehefa nanomboka vory ny olona dia nitsoaka ny ankamaroany ary ny iray no tratra. Nentina natao fanadihadiana teny amin’ny polisy eny Ilanivato io avy eo. Tsy nisy aloha ny entana very na ny aina nafoy satria efa mailo ny fokonolona.
Fotodrafitrasa : Hasiam-panarenana avokoa ireo biraom-pokontany 16 isa ao amin’ny Kaominina sy distrikan’i Morondava. Ao amin’ny Fokontany Sanfily no hisantarana izany arahin’ny asa fanamboarana ilay toeram-pamonoan’omby izay efa nampitaraina ny mponina hatramin’ny ela. Ny fikambanana Sôma no handray an-tanana ny asa. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fijerena akaiky ny fiainana ara-tsosialin’ireo zokiolona tsy manam-piahy intsony.
Mihisatra : Mihisatra ny tsenan’ny fitaovam-pianarana tato ho ato na mbola ao anatin’ny fotoana fanomanana fidiran’ny mpianatra aza isika ankehitriny. Tsy misy manana fahafahana hividy kahie mbola anaty fonosana toy ny teo aloha intsony araka ny fanadihadiana natao ny ray aman-dreny fa saika miaina amin’ny antsinjarany avokoa. Toraka izany koa ny penina. Raha ireo karazan-doko telo no tena ilain’ny mpianatra dia tsy mividy afa tsy ny loko manga sisa ny ray aman-dreny.
Tsy diso anjara : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny hetsika nataon’ny federalista izay namoizana ain’olona maro ireo mpikambana ao amin’ny AREMA any amin’ny distrikan’Antsiranana ny zoma 08 Oktobra lasa teo. Hetsika maro sosona no nentin’izy ireo nanamarihana izany, notarihin’ireo lohandohan’ny mpisorona isan-tsokajiny.
Hampandany ny TSIA : Vonona ny hampandany ny TSIA ny antoko politika Otrikafo ny 17 Novambra ho avy io, fotoana hanatontosana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny fanovana ny lalàmpanorenana niasa nandritra ny repoblika fahatelo. Antony mahatonga izany, araka ny fanazavana azo, ny tsy fahafahantaran’ny olona akory ny mikasika ity fitsapan-kevi-bahoaka izay hotontosaina ity sy ny mombamomba izany.
Miady mafy : Tolona goavana ho an’ny Faritra Itasy amin’izao fotoana mampirongatra ny doro tanety izao ny fanentanana ny mponina tsy hisoro amin’izany, indrindra ireo any amin’ny faritra lavitra andriana. Anisan’ny faritra mendri-piderana mantsy ity faritra ity tamin’ny taon-dasa noho ny tsy fisian’ny doro tanety. Ankoatra ny fanentanana dia misy ihany koa ireo lalana napetraka izay manasazy avy hatrany ireo minia manampin-tsofina sy mody tsy mahalala.
Miparitaka : Miparitaka eny an-tsena tato ho ato ireo karazana dibera maro isan-karazany vita avy any ivelany. Manodidina ny 1.000 Ar dia efa mahazo iray fonosana raha misy mivarotra hatrany amin’ny 5.000 Ar latsaka kosa ny Margarine vokarin’ny orinasa TIKO. Toraka izany koa ny ronono mandry mamy izay mitobaka ihany koa.
Sarona : Lehilahy efatra be izao no indray saron’ny mpitandro ny filaminana nangalatra “batterie” tamin’ny andro antoandro tany amin’ny distrikan’i Sainte Marie ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ilay hetsika fampandriana fahalemana ny tanàna no nahatrarana azy ireto izay irariana ny hitohizany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.