Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 08 Oktobra 2010


Lay misy ody moka : Ny 05 Oktobra lasa teo no nigadona tany amin’ny distrikan’Ambilobe ireo lay misy ody moka an’analiny avy amin’ny ministeran’ny fahasalamana hanaparitaka manerana ireo tanàna 45 any an-toerana hoenti-miady amin’ny aretina tazo. Tokantrano an’arivony no hahazo tombontsoa amin’izany, indrindra ireo vehivavy mitondra vohoka sy ireo ankizy latsaky ny dimy taona. 

Parlemantera : Omaly dia nisy ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ny SADC, Dr Simao sy ireo parlemantera. Ireto farany ireto no mahafantatra ny tena zava-misy marina sy ny tena takian’ny vahoaka Malagasy any ambany ravinahitra rehetra any.
 
Sembana : Tsy vesatry ny fiarahamonina akory sanatria ny olona manana fahasembanana fa azo atao namana tsara ary afaka mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Nivoitra io nandritra ny fivoriambe notontosain’ireo olona manana fahasembanana any amin’ny distrikan’Ambilobe ny alarobia 06 Oktobra teo. Hoporofoin’izy ireo amin’ny alalan’ny asa fitadiavam-bola izany hanairana ny sain’ny rehetra.
 
Fahasalamana : Nifarana ny alarobia teo rehefa naharitra andro vitsivitsy ilay fitsaboana maso maimaim-poana notontosain’ny hôpitaly loterana Ambohibao tany amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Kaominina 41 tamin’ireo 54 isa misy no nahazo tombontsoa tamin’izany raha olona manodidina ny 3516 no voazaha. Ny 530 no voan’ny areti-maso katarakta ka nodiovina.
 
Depiote Ravelonanosy Mamitiana : “Tsy manan-kery ny fihaonambem-pirenena nataon’ny FAT ny 13 ka hatramin’ny 18 septambra sy ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny volavolan-dalàmpanorenana kasainy hatao amin’ny 17 novambra. Izay mivonona hanao Eny, hoy izy, entanina hanao Tsia, izay hanao Tsia kosa entanina tsy hifidy”.
 
Sekoly Fjkm : Fotoam-pivavahana lehibe entina hitrotroana am-bavaka ny taom-pianarana 2010-2011 anio zoma no hisantaran’ireo sekoly Fjkm rehetra any amin’ny distrikan’i Mandritsara ny fisokafan’ny taom-pianarana. Ao amin’ny Fjkm Mandritsara fanantenana no hanatontosana izany no hanatontosana izany.
 
Oniversité : Hotokanana amin’ny faran’ity volana oktobra ity raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany ilay sekoly ambaratonga ambony any amin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia. Vokatry ny fiaraha-mientan’ny hery velona rehetra sy ireo mpandraharaha ary ny fokonolona ao an-toerana no angady nananana sy vy nahitana izany. Hosantarina amin’ny alalan’ny herinandron’ny oniversite ny hetsika, izay horavahan’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina maro samihafa.
 
Voasambotra : Olona manodidina ny 133 isa nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika no indray voasambotry ny FBI sy ireo polisy federaly amerikanina ny alarobia lasa teo tany Porto-Rico. Araka ny vaovao voaray dia mpiandry fonja sy polisy ny ankamaroan’izy ireo.
 
Namaly faty : Daroka baomba tamin’ny alalan’ny fiaramanidina tao amin’ilay toerana fanaovan’ny islamista fanazaran-tena tao Gaza no navalin’ny Israelianina ny fandarohana nataon’ny islamista azy ireo ny alin’ny alarobia nifoha omaly alakamisy. Soa ihany anefa fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.
 
Mandatsa : Tsy misy izay toerana tsy ahitana fitohanan’ny fiarakodia intsony eto an-drenivohitra tao anatin’ny volana vitsivitsy monja izao. Tsy vitsy ireo velon-taraina vokatr’izany, indrindra ireo maika hamonjy asa. Mitarika resabe eny ambony fiara fitateram-bahoaka izany matetika izay miafara amin’ny fifandatsan’ny samy mpandeha mihitsy. Voaresaka ombieny ombieny mantsy tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Ravalomanana fa tsy azo hanina ny lalana. Ankehitriny anefa vao mahatsapa izany ny sasany saingy efa tara loatra.
 
Lasibatra : Lasibatry ny mpangarom-paosy hatrany tato ho ato ireo vehivavy mandalo any ambadiky ny Tahala Rarihasina etsy Analakely. Tovovavy iray manodidina ny 18 taona no voaendaka tao ny alarobia araka ny fantatra. Lasan’ireo mpanao ratsy tamin’izany ny kitapo nobabeny sy ny blouson nanaovany. Tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany hariva tany ho any no nitrangan’izany.
 
Hentitra : Mihahentitra hatrany ny findramam-bola eny anivon’ireo toerana voatokana ho amin’izany toy ny banky sy ny OTIV tato ho ato. Misy amin’ireo olon-tsotra, indrindra ireo miara-miasa amin’ny OTIV mantsy araka ny fantatra no mindrana entan’olon-kafa ataony antoka mba hahazoany vola.
 
Amoron’Anosy : Maty nihohoka teo am-pototry ny hazo, teo amoron’Anosy omaly maraina ity lehilahy iray izay mpanjaitra kiraro eo akaiky eo ihany. Nampandre haingana ny Bmh sy ny dokotera ny mponina teo amin’ny manodidina. Raha ny filazan’ireo mahafantatra ity olona ity dia mpiasan’ny senatera taloha izy io no voaroaka ary lasa mpanjaitra kiraro. Noheverina moa vokatry ny fisotroana tafahoatra no nahafaty azy.
 
Nisondrotra : Nisondrotra indray ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro toy ny vary, ny menaka, ny siramamy. Ity farany dia lasa 106 000 ariary ny gony iray, izany hoe lasa 2200 ar ny kilao raha 2000 ar teo aloha. Ny menaka lasa 4000 ar raha 3600 ar teo aloha. Entana avy any ivelany daholo moa ireo raha ny filazan’ny mpamongady nanontaniana. Mety ho vokatry ny fitokonan’ny mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina no antony.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT