Fahasalamana : Ny 10%-n’ny mponina 20 tapitrisa mahery manerana ny Nosy dia manana olana ara-batana avokoa toy ny tapa-tongotra na tapa-tanana ka mila solon’izany. Fantatra izany nandritra ny fivoriambe notontosain’ireo teknisiana manatontosa ny asa tetsy amin’ny hopitaly Hjra omaly alarobia. Tanjona tamin’izao fivoriambe izao ny hahafahana manitatra sy mampahalala ny asa sahanin’izy ireo amin’ny alalan’ny fananganana fikambanana izay tsy dia re loatra raha oharina amin’ny sehatra hafa.
Raikitra : Raikitra ny ady amin’ny doro tanety any amin’ny fokontanin’Ambalakida, kaominina ambanivohitra Andranomavo, distrikan’i Belo Tsiribihiana. Taorian’ny fiofanana nomen’ny Ministeran’ny tontolo iainana ny mponina no nisian’ny hetsika ka naharesy lahatra ny mpizaika.
Fanambarana : Hanao fanambarana goavana ny Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana (F3M) anio. Mandritra ny fihaonambe hataon’izy ireo ao amin’ny Galérie Kamoula Analakely, anio maraina, no hampahafantaran’izy ireo izany fanambarana izany.
Enga anie : Enga anie ka tsy ho vazivazy na fampiesonana sanatria ny fampanantenana nataon’ny tomponandraikitra ireo mpampianatra FRAM rehetra manerana ny DREN Analamanga mikasika ny fahafahan’izy ireo mandray ny fanampiany manomboka anio alakamisy. Voakasik’izany ireo mpampianatra FRAM any amin’ny distrikan’Andramasina, Ankazobe, Anjozorobe ary Manjakandriana. Mbola baraingo kosa ny an’ireo sisa hafa.
Fotodrafitrasa : Samy mihazakazaka manao izay tratra ny heriny avokoa tato ho ato ireo Ben’ny tanàna manerana ny faritra maro manatontosa ireo tetikasam-pampandrosoana tsy vita hatramin’izany. Anisan’izany ny Ben’ny tananan’ny Kaominina ambonivohitra Toliara. Hanomboka tsy ho ela araka ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny fanamboarana ny jiro ao an-tanàna, indrindra ny sisin-dalana avy any avaratra sy any atsimo
hananan’ny olona fiainana tony sy milamina. Hisy ihany koa ny fampidirana rano fisotro madio ankoatra ny fitsinjovana ireo zokiolona tsy manam-piahy intsony.
Hasiam-panamboarana : Biraom-pokontany 18 isa no indray hasiam-panamboarana any amin’ny Faritra Menabe. Hamboarina toraka izany koa ny toeram-pamonoana omby. Ny Sôma no hamatsy vola ny asa izay hanomboka ny sabotsy 09 Oktobra ho avy io. Ny tanjona moa dia hanomezana endrika ny tanàna ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ny vahoaka.
Fifidianana : Ny 24 Oktobra ho avy io no hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana faharoa any Guinée. Ny 27 jona lasa teo raha tsiahivina no natao ny fihodinana voalohany. Anisan’ny nahazo vato ambony indrindra ny praiministra teo aloha. 48% ny vato azony raha 18 % kosa no azon’ny mpifaninana taminy.
Sambany : Sambany no nivahiny any Algérie hatramin’ny naha filoha azy ny filoha Rosiana. Omaly alarobia no nahatongavany tany an-toerana niaraka tamin’ireo mpandraharaha maro isan-tsokajiny handinika manokana mikasika ny fifandraisan’ny roa tonta sy ny lafiny ara-toekarena.
Fiofanana : Hifarana anio alakamisy rehefa naharitra roa andro ilay atrikasa fiofanana hatrehin’ireo tomponandraiki-panjakana avy any amin’ny Faritra SAVA sy DIANA mikasika ny fanatsarana ny fampiasana ny volam-bahoaka sy ny volam-panjakana. Mandray anjara mavitrika amin’izany ireo sekretera jeneralin’ny faritra roa, hotronin’ireo lahiben’ny distrika miisa 19 sy ireo solontenan’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly.
“Guichet Unique” : Tafatsangana eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina ny “Guichet Unique”. Nanomboka niasa omaly izy io araka ny vaovao voaray entina hanafainganana ny asa eo anivon’ity Kaominina ity sy hanenana ireo karazana kolikoly maro samihafa.
Ivato Seranana : Hotanterahina anio ny fametrahana ny vatofototry ny asa fanamboarana ny tsena manarapenitra eny Ivato Seranana. Hisy ihany koa ny fizarana karatany faobe, ho an’ny OPCI Mama, ivondronana Kaominina miisa dimy manodidina.
500 Ar : Tafakatra 500 ariary ny iray kapoaka amin’ny fotsimbary any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo. Efa manao ny hataony ihany koa araka ny vaovao voaray ireo mpivaro-drano. Misedra olana tanteraka ny mponina vokatr’izany. Manginy fotsiny ny hain-tany izay efa mihamahazo vahana tanteraka.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.