Kely sisa : Kely sisa araka ny vaovao voaray dia ho afa-miverina ety ambonin’ny tany ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany tavela any amin’ny 700 m any ambanin’ny tany any Chilie, roa volana lasa izay. Am-periny amin’ny fampiakarana azy ireo ny any an-toerana izay tsiahivina fa miisa 33.
Voatendry : Notendren’ny filoha Senegaley ho ministry ny angovo vaovao ao amin’ny governemantany ny zanany lahimatoa taorian’ny nanalany tamin’ny toerany ny ministra teo aloha. Anton’ny fanapahan-kevitra ny fihamafisan’ny delestazy any amin’ity firenena ity izay tsy mijanona ho amin’ny andro antoandro ihany fa mandritra ny alina ihany koa. Manam-pahaizana manokana amin’izany mantsy ny tovolahy, araka ny fantatra. Efa za-draharaha ihany koa noho ireo sampandraharaha maro efa notantanany.
Risoriso : Manjaka ny risoriso eny anivon’ireo sekolim-panjakana toy ny CEG sy Lycée araka ny feo mandeha. Noho ny hasarotan’ny fiainana no mahatonga izany ka mampihazakazaka ireo ray aman-dreny eny anivon’ireo sekolim-panjakana, eny fa na dia tsy afaka T6 sy T10 akory aza ny zanany.
Radio Fahazavana : Natao fanadihadiana teo anivon’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana ny Talen’ny Radio Fahazavana, Ravoahangiarison Rolland Didier, omaly tolakandro. Araka ny fantatra dia nisy ny fampiantsoana azy, hanantona ny Fitsarana, hamaranana ny fanadihadiana mikasika ny raharaha Fahazavana, namonjana ireo mpiasa folo tao, ka mpanao gazety ny enina.
Tsara : Nahafa-po ny voka-panadinana CEPE sy BEPC tany amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Betroka. Nahatratra 100% izany araka ny fampitam-baovao azo raha latsak’izay tamin’ny taon-dasa.
Hisokatra : Hisokatra manomboka amin’ny alatsinainy ho avy io ilay EPP vaovao vao naorina ao an-tampon-tanànan’Arivonimamo. Ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena no namatsy vola ny asa, misy efitranon-tsekoly telo miaraka amin’ny biraon’ny talen-tsekoly sy ny trano fidiovana.
Namory : Namory ireo mpanao hotely, ireo tompona efitrano fisakafoanana…ao Antalaha ireo tomponandraikitra misahana ny fanaraha-maso ny sakafo hatolotra ny mpanjifa omaly. Nivoitra nandritra ny dinika nifanaovan’izy ireo ny tokony hitandrovana hatrany ny kalitaon’ny sakafo hatolotra ny mpanjifa ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka.
Nankasitrahana : Nankasitrahana manokana ireo ankizy 51 mianadahy afa-panadinana Baka teknika tany amin’ny distrikan’Ambositra. Afak’omaly alatsinainy no nanatontosana ny lanonana, natrehin’ireo mpampianatra am-polony. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho azy ireo ankoatra ny an’ny mpampianatra.
Hatolotra ny fitsarana : Hatolotra ny fitsarana ato ho ato araka ny fantatra ireo telolahy saron’ny fokonolona nangalatra taolam-paty tany amin’ny Kaominina sy distrikan’i Nosy Varika ny alin’ny 19 septambra lasa teo. Nanentana hatrany ny amin’ny tokony hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny mpitandro ny filaminana any an-toerana mba hahafahana mamongotra ny olon-dratsy tahaka izao.
Afa-po : Afa-po tamin’ilay fitsaboana sy fanalana nify maimaimpoana notontosaina tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo ny mponina tany an-toerana nanomboka ny 29 ka hatramin’ny 01 oktobra lasa teo. Nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ny hetsika. Olona 201 isa no nahazo tombontsoa tao anatin’ny telo andro raha nify 1.666 isa no nalana.
Tsy diso anjara : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanabe izay nomarihina omaly talata ny tany amin’ny distrikan’Ambilobe. “Miainga avy amin’ny mpanabe ny fampandrosoana”, io no lohahevitra novoaboasana nandritra izany nentina nampirisihina ireo mpampianatra isan-tsokajiny hanao ny tsara kokoa hatrany amin’ny asa hiantsorohany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.