Zava-mahadomelina : Toaka gasy 800 litatra tao anatina jerrican 40 isa no nodorana tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina ny faran’ny volana Septambra lasa teo. Teo imasona vaditany roalahy no nanatontosana izany rehefa tsy nety nandoa ny lamandy mifanaraka amin’izany ny tompony. Fanampim-baovao avy amin’ny mpisotro no nahatrarana ireto toaka gasy ireto araka ny vaovao voaray.
Miandry ny fitsarana : Miandry ny fitsarana azy ireo olona roalahy nahatrarana rongony 23 kg tao amin’ny fokontanin’Antsiraka, kaominina ambanivohitra Marosandrano, distrikan’i Mandritsara, ny fiandohan’ny volana Oktobra lasa teo. Vokatry ny ezaky ny mpitandro ny filaminana no nahatrarana azy ireo.
Printsy Elakovelo : Nantitranteriny tao amin’ny Magro omaly fa “hody i Deba ary hiverina i Dada” ka rehefa tonga ireo dia hihatra izay tapaka tany Maputo. Izao tontolo izao, hoy ihany izy, no tsy manaiky ny fifidianana. Ny any amin’ny faritra moa dia miandry izay toromarika avy amin’ny Ankolafy Telo ny amin’izay hanaovana izany fifidianana na fitsapa-kevi-bahoaka izany.
Tsy hita popoka: Tsy hita popoka hatramin’izao i Tiandraza Soavina, ilay lehilahy iray mpiandriaka any Fenoarivo Atsinanana. Ny faran’ny herinandro teo izy no niala tao an-tranony ary tsy mbola niverina hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao. Tsiahivina fa nisy lehilahy mpiandriaka iray nanjavona tahaka izao ihany koa tamin’ny taon-dasa.
Hain-trano : Trano lehibe iray misy rihina 38 no indray nirehitra tao Busan, Korea Atsimo ny fiandohan’ny volana Oktobra lasa teo, vokatry ny afo tsy fanta-piaviana avy amin’ny birao iray. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra mafy saingy ny entana rehetra no lasa lavenona.
Mbola velona : Mbola velona hatramin’izao ireo olona fito nalain’ny Al-Qaïda Maghreb Islamique (AQMI) an-keriny tany Niger efa ho tapa-bolana mahery izao. Ny dimy amin’izy ireo no teratany Frantsay, iray Togolais raha Malagasy ny iray. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto izay tena tadiavin’ireto mpaka takalon’aina ireto na dia efa miandry izany fatratra aza ny Frantsay.
Fitsaboana : Hidina any amin’iny Faritra atsimon’ny Nosy iny ireo mpitsabo eo anivon’ny Salfa, miankina amin’ny fiangonana Loterana malagasy manomboka ny 25 oktobra ho avy io. Ao Betioky no hisantarany ny diany, hitohy any Ampanihy, Ejeda ary hipaka hatrany toliara Synodam-paritany Flm entina hanampiana ireo mponina manana olana ara-pahitana mila fanafody sy solomaso mora.
Fampitaovana : Nahazo vata fahitalavitra iray niampy “décodeur” iray avy amin’ny Faritra Sofia, ny mponina ao amin’ny fokontanin’i Tsimavao, distrikan’i Mampikony. Ny faran’ny herinandro teo no nanolorana ny fanomezana entina hanampiana ny mponina amin’ny fampitam-baovao. Anisan’ny faritra iray tena mitoka-monina mantsy ity fokontany ity hatramin’izao.
Fivoriana : Namory ireo tomponandraiki-panjakana toy ny lehiben’ny boriborintany sy ny Ben’ny tanàna rehetra ny lehiben’ny distrikan’Amboasary Atsimo ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fanomanana ny fifidianana ny resaka narahin’ny fampitandremana ireo Ben’ny tanàna mbola maniry ny hilatsaka hofidiana nefa tsy mety mametra-pialana.
FIZOMA : Nijoro ara-panjakana any amin’ny distrikan’i Manakara ny Fikambanan’ny Zokiolona Malagasy na ny FIZOMA. Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona izay nomarihina ny faran’ny herinandro teo no nananganana izany, misy mpikambana 62 isa.
Ifampitadiavana : Ifampitadiavana ny fotsimbary any amin’ny Fokontanin’i Mahambo, kaominina ambanivohitra Vohilava, distrikan’i Mananjary. Niteraka hain-trano mahatsiravina ny fisian’izany ny 27 Septambra lasa teo vokatry ny fifandrombahan’ny renim-pianakaviana maromaro vary ka nanary ilay menaka iray saba saika hanendasana mofo teo amoron-dalana. Nitatra ny afo ka trano 30 tafo mahery no lasibatra raha fianakaviana an-jatony no tsy manan-kialofana.
Faradofay : Mitaraina ny mponina any Faradofay fa miakatra 70 000 ariary ny iray gony 50 kg amin’ny fotsimbary. 500 ariary ny iray kapoaka. Raha mitohy izao dia hahatratra 700 ariary ny iray kapoaka. Nambaran’izy ireo fa ho avy tsy ho ela ny kere any an-toerana satria maro ny mponina no tsy hahatakatra ny fahefa-mividy intsony.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.