Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 01 Oktobra 2010


Niofana : Niofana momba ny fahaiza-mitarika sy ny miralenta ireo fikambanam-behivavy manerana ireo Kaominina telo ao anatin’ny distrikan’i Sambava ny alarobia 29 Septambra. Ny fampitoviana lenta ny lahy sy vavy hatrany am-pianarana no tanjona, hanatrarana ilay vina napetraka amin’ny taona 2012 dia ny hanamaro isa ny vehivavy amin’ny fitantanana ny firenena izany. 

Fandriampahalemana : Nivory mikasika ny fampandriana fahalemana ny faritra Atsimo Atsinanana ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana ny alarobia teo. Mirongatra mantsy tato ho ato ny vaky ny trano sy ny fandrobana fananana ataon’ireo andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana.
 
Miomana : Miomana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ireo Kaominina 9 amin’ny 27 isa mandrafitra ny distrikan’i Vangaindrano. Tontosa omaly alakamisy tany an-toerana ny fivoriana famolavolana ireo paikady hoenti-miatrika izany. “Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin’ny loza”, io no lohahevitra novoaboasana nandritra izany. Ao anatin’ny 15 volana no hanatontosana ny tetikasa.
 
Fotodrafitrasa : Lalana mirefy 10 km mampitohy ireo Kaominina roa ao anatin’ny distrikan’i Brickaville no hasiam-panamboarana, nanomboka ny herinandro lasa teo. Ny FER no mamatsy vola ny asa. Amin’ny alalan’ny asa tanamaro na HIMO no hanatontosana izany, handraisan’ireo Fokonolona any an-toerana anjara. Tafiditra ao anatin’izao asa izao ny fanamboarana tohodrano iray lehibe miaraka amin’ny tetezana miisa dimy.
 
Nivory : Nivory nandinika ny toe-draharaham-pirenena ireo lehiben’ny sampandraharaha misy any amin’ny distrikan’i Miandrivazo ny alarobia teo. Niompana tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fifidianana Ben’ny tanàna ny lahadinika. Dahalo iray raindahiny kosa no saron’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo niaraka tamin’ny ody gasy sy fitaovam-piadiana mahery vaika.
 
Lisi-pifidianana : Eo am-pandrafetana ny lisi-pifidianana vaovao ry zareo any amin’ny distrika Antalaha amin’izao fotoana izao. Nisy ny antso avo natao tamin’ireo zatovo feno 18 taona omaly alakamisy mba hanatona ny biraom-pokontany hisoratra anarana hahafahan’izy ireo mandray anjara feno amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fifidianana.
 
Misandoka : Fantatra izao fa misy olona mandehandeha misandoka ho filohan’ny maître FRAM any amin’ny distrikan’Andramasina. Nanao fanambarana mifanohitra amin’ny hevitry ny rehetra izy io omaly alakamisy ka nampitroatra ny mpikambana.
 
Fanomezana : Nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny hain-trano tany ambanivohitry ny Kaominina Manambaro, distrika Tolagnaro ny ministeran’ny mponina ny faran’ny herinandro teo. Fotsimbary 100 taonina, katsaka 1 taonina sy tapany niampy lamba firakotra maromaro sy lay misy ody moka am-polony no natolony tamin’izany.
 
Tany nihotsaka : Olona 16 indray no indray namoy ny ainy tany atsimon’i Meksika omaly alakamisy faran’ny volana septambra vokatry ny fihotsahan’ny tany. Tsiahivina fa vao ny talata lasa teo no nisy fihotsahan’ny tany tahaka izao tany an-toerana izay nahafatesana olona 12 ihany koa. Trano 300 tafo no tototra io omaly io araka ny vaovao voaray.
 
Nahazo fahafahana : Nahazo fahafahana soa aman-tsara avy tamin’ny governemanta Sinoa rehefa niaiky ny fahadisoany sy nibaboka ireo Japoney telo mirahalahy niditra an-keriny tao amin’ny toerana hitobian’ny tafika any Chine ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa miisa efa-dahy izy ireo no nanao izao fahadisoana izao saingy izy telolahy ihany aloha no nahazo fahafahana.
 
Ankadifotsy : Notafihin’ny jiolahy ny klinikan-dry masera etsy Ankadifotsy ny alarobia 29 septambra teo tamin’ny 6 ora maraina. Roalahy izy ireo no nanafika. Vola an-tapitrisany no lasan’izy ireo. Mora novahana anefa ny fatorana ka tsy ela taorian’ny nandehanan’ireo mpanafika dia nahazo tatitra ny mpiambina ka tratra ambodiomby ny iray. Mbola tratra tany aminy ny vola nangalariny izay natao tany anaty ba sy akanjo ary silipo. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka io raha tsy voasakan’ireo masera sy mompera tao an-toerana.
 
 Nangonin’i Pati
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT