Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 27 Septambra 2010


Voky rano : Lehilahy iray sahabo ho 40 taona mahery no nianjera tao an-dobo ka namoy ny ainy ny zoma 24 Septambra lasa teo teny Andranonahoatra Itaosy. Avy niasa ity lehilahy ity araka ny fantatra ka nisotrosotro. Tratra hariva loatra anefa izy vao namonjy fodiana ka nifatratra tao an-dobo raha iny efa mamomamo iny. Niantso vonjeo ihany ny lehilahy nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza saingy tsy nisy namonjy. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any no nitrangan’izany. Anio no halevina ny razana. 

Maty voahitsaka : Tovolahy iray vao herotrerony no maty voahitsaka tao amin’ny alim-pandihizana novonjeny ny zoma hifoha sabotsy 25 septambra lasa teo teny Ambaniavaratra Fenoarivo.Tsy mamo ny tovolahy, araka ny fanadihadiana natao saingy ireo olona teo akaikiny kosa no mamo ka niady sy nifanitsaka. Tery tao afovoany izy vokatr’izany ka izao namoy ny ainy tsy fidiny izao. Omaly alahady no nalevina ny razana.
 
Mibanaka : Mibanaka tanteraka ny ankamaroan’ireo toerana fijoroan’ny polisy eto an-drenivohitra efa ho herinandro mahery izao. Tsy tazana manao ny asany toy ny teo aloha intsony mantsy izy ireo, hany ka samy manao izay saim-pantany ny mpamily fiarakodia. Anisan’ny mampitaraina fatratra ny mpamily ny zava-mitranga isan’andro etsy Ambohijatovo. Misy hatrany mantsy ny fiara mifandona eo amin’io “rond point” io noho ny tsy fisian’ny polisy mandamina ny fifamoivoizana ka mitarika ny fitohanan’ny fiarakodia.
 
Bakam-panjakana : Notokanana tamim-pomba ofisialy omaly alahady ilay baka vaovao hiasa any Belo/Tsiribihiana. Mahazaka entana hatrany amin’ny 25 taonina ity baka ity miaraka amin’ny olona 90 isa. Namatsy vola ny asa ny FER raha ny orinasa SECREN Antsiranana kosa no nanatontosa ny asa. Tonga nanatrika izany ny filohan’ny FAT mivady.
 
Fotodrafitrasa : Fotodrafitrasa maro sosona no indray notokanana tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambatofisaka, distrikan’Antalaha ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny bloc sanitaire eo anivon’ny hopitalim-panjakana any an-toerana niaraka tamin’ny tranon-tsekoly vaovao misy efitra roa. Namatsy vola ny asa ny masoivoho Alemana, mitentim-bidy 37.000 Euros. Natokana ho an’ireo zanak’olona nitondra takaitra vokatry ny aretin-koditra nahazo azy ny fotodrafitrasa.
 
Vonona : Vonona hiatrika ny fifidianana tontosaina eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny antoko Leader Fanilo. Nisongadina izany nandritra ny fivoriana izay notontosain’izy ireo tany ny sabotsy teo. Nisy nandritra izany ny fandinihina ny toe-draharaharam-pirenena sy ny fomba hiatrehana ny fifidianana.
 
Tsy diso anjara : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny marenina izay nomarihina ny zoma lasa teo ny tany amin’ny Faritra Vakinankaratra. Fampisehoana soradihy narahin’ny vako-drazana izay nandraisan’ireo marenina rehetra anjara no nentina nanamarihana izany. Nahasarika olona marobe tokoa ny fampisehoana.
 
Tara : Nitrangana fanafihan-jiolahy teny Ilafy ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina. 11 lahy tany ireo mpanafika. Novakian’izy ireo ny ambany rihan’ny trano. Taitra ny tompontrano ary niantso vonjeo. Nanapoaka basy in-dray mandeha ny jiolahy. Moto roa no lasan’izy ireo. Tara vao tong any zandary.
 
Tsy tratra : Tsy tratra ny tanjona tamin’ny fifidianana solombavambahoaka izay notontosaina tany Venezuela ny sabotsy 25 Septambra lasa teo. Raha mpifidy manodidina ny 8 tapitrisa mantsy no nandrasana dia latsak’izany no tonga. Marihina fa nanao izay faraheriny hatrany ny filoha Venezoelianina nandritra ny famaranana ny fampielezan-kevitra mba handraisan’ny mponina anjara.
 
Lalana : Hasiam-panamboarana ny lalana mampitohy ireo Fokontany roa ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Anjiamangirana, distrikan’Antsohihy. Amin’ny alalan’ny FDL no hanatontosana izany hahafahan’ireo tantsaha mpamokatra mamoaka ny vokany sy hifamevivezen’ny rehetra malalaka. Ny sabotsy no nanomboka ny asa.
 
Mandalo : Mandalo eto an-tanindrazana ny tarika Tirike rehefa valo taona niainana tany ampitan-dranomasina. Zavatra lehibe sy goavana tsapany ny fitombon’ny isan’ireo mpanakanto malagasy izay samy manana ny hanitra ho azy avokoa.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT