Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 24 Septambra 2010


 Hain-trano : Trano 13 isa no indray kilan’ny afo tany amin’ny fokontanin’i Menabeva, Kaominina sy distrikan’i Mitsinjo ny alatsinainy alina hifoha talata 22 septambra lasa teo. Avy tamina tokantrano iray no niavian’ny afo, araka ny fantatra. Niezaka namono ny afo ihany ny fokonolona nanoloana izany saingy noho ny fitsokan’ny rivotra dia tsy voafehy izany raha tsy tao anatin’ny ora iray mahery. Vokany, olona 50 mahery no tsy manan-kialofana raha tsy nisy kosa ny aina nafoy. 

Tontolo iainana : Vondron’olona ifotony miisa efatra no notolorana taratasy hahazoany mitantana ny ala any amin’ny distrikan’i Mitsinjo omaly alakamisy. Ao anatin’ny telo taona no fe-potoana hahafahan’ireto vondron’olona ifotony ireto mitantana ny ala, tafiditra ao anatin’ny politikam-piarovana ny tontolo iainana.
 
Nesorina : Misedra olana ireo mponina ao amin’ny Fokontanin’Ambodisaina, kaominina Mahazoarivo, distrikan’i Toamasina II. Nidirana an-dian’olona tsy fantatra mitonona ho tompon’ny tany misy azy ireo mantsy izy ireo ny alatsinainy lasa teo. Avy hatrany dia nanala ny entana rehetra tao an-trano izy ireo. Vokany, olona 200 mahery no tsy manan-kialofana. Nisy ny fidinana ifotony notontosain’ny Ben’ny tanàna tany an-toerana afak’omaly alarobia.
 
Haparitaka : Haparitaka manerana ireo kaominina 28 isa manerana ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny birao ifoton’ny fananantany na ny BIF. Kaominina roa ao anatin’ny distrikan’i Mananjary no efa nahazo ny anjarany ny fiandohan’ny herinandro teo dia ny kaominina ambanivohitra Mijilo Gara sy Ambila izany.
 
Fiofanana : Anio zoma 24 septambra no hofaranana am-pomba ofisialy any amin’ny distrikan’Ikongo rehefa naharitra hateloana ny fiofanana hatrehin’ireo ekipa mpamonjy voina andiany faharoa. Miisa 20 mianadahy izy ireo ary mpilatsaka an-tsitrapo avokoa. Tompon’antoka tamin’ny fampiofanana ny fikambanana Croix Rouge Malagasy, vatsian’ny Croix Rouge iraisam-pirenena vola.
 
Tsy fanjarian-tsakafo : Kaominina enina ao anatin’ny distrikan’i Mananjary no hanaovana fanadihadiana momba ny fanjarian-tsakafo mpahazo ny zaza latsaky ny dimy taona nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Ny ministeran’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no tompon’antoka amin’izany.
 
Fifaninanana masina : Miezaka ny mandray anjara amin’ny asa fampandrosoana avokoa ireo fikambanam-behivavy isan-tsokajiny misy any amin’ny distrikan’Ambilobe amin’izao fotoana izao. Niampy iray indray ny tsangambaton’ny firaisankina any an-toerana raha vao ny faran’ny herinandro teo no notokanana ny iray.
 
Takalon’aina : Teratany frantsay telo indray no nisy naka an-keriny tao amin’ny toeram-pitrandrahana solitany tao Nigeria ny talata alina hifoha alarobia 22 septambra lasa teo. Nandritra ny fanafihana nataona sambokely iray no nitrangan’izany, araka ny vaovao azo.
 
Nanjavona : Teratany Frantsay roa no indray nanjavona tany Bolivia ny 28 aogositra lasa teo. Mpivady izy ireo araka ny fantatra, mpiavy avy ao Nort-sur-Erdre, any Loire Atlantique manakaiky an’i Nantes. Mitohy ny fikarohana ireo mpivady ireo araka ny fantatra izay eritreretin’ny rehetra fa fanjavonana mifono mistery ihany. 
 
Mizotra araka ny tokony ho izy : Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana ny toby fiantsonan’ny zotra 119 mampitohy ny lalana 67 ha amin’Ankatso. Eny amin’ny 67 ha no nanombohan’ny asa ny fiandohan’ny herinandro teo izay tsiahivina fa mbola hitatra amina toerana miisa 30. Somary sahirana ireo mpampiasa lalana noho izany, indrindra amin’ny fotoana mampitohana ny fiarakodia iny.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT