Tandindomin-doza : Tandindomin-doza hatrany ny Frantsay. Taorian’ilay fanairana nataon’olon-tsy fantatra mikasika ny fisian’ny baomba tao amin’ny Tour Effeil tao Parisy ny herinandro lasa teo mantsy dia mandeha indray ny feo fa hisy famelezana mafy tampoka hahazo an’i Lafrantsa ato ho ato. Nanambara moa ny filoham-pirenena Frantsay fa tsy tokony hatao hampikoropaka izany na kely aza. Nilaza kosa anefa ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana fa tokony hojerena ihany ny mikasika izany.
Tsy misy ahiana : Salama tsara tsy misy ahiana araka ny fantatra ireo takalon’aina miisa fito nalain’ny AQMI (Al-Qaeda au Maghreb Islamique) tany avaratr’i Niger ny herinandro lasa teo. Any amin’ny tany hay iray any Malie no misy azy ireo hatramin’ny zoma no mankaty. Tsiahivina fa Malagasy ny iray amin’izy ireo, Afrikana ny roa ary Frantsay ny ambiny.
Nandray ny andraikiny : Taorian’ny nandalovan’ireo andiam-balala tao anatin’ireo kaominina efatra any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy iray volana lasa izay tsy nitazam-potsiny ireo tomponandraikitra any an-toerana fa nandray ny andraikiny. Samy nanahy ny amin’ny mety hisian’ny atodim-balala mijanona avokoa mantsy ny isam-pokontany ka samy nandraraka ranom-panafody tamin’ireo toerana nahiana.
Mafotaka : Mafotaka ny fanomanana ny tsenaben’ny tsaramaso any amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Hanomboka anio zoma 22 Septambra ny fanokafana izany haharitra hadimiana. Kaominina 15 isa no indray miara-mandray anjara amin’izany hanehoana ireo vokatry ny tany mampahalaza ity distrika ity.
Rano fisotro madio : Nahazo foto-drafitrasa hahafahany mahazo rano fisotro madio ny mponina any amin’ny Kaominina sy distrikan’Antsohihy. Vokatry ny ezaky ny Kaominina tamin’ny alalan’ny FDL no angady nananana sy vy nahitana izany. Ny hahafahana manatsara ny fahasalamam-bahoaka no tanjona.
Nahafa-po : Nahafa-po ny voka-panadinana bakalôrea ankapobeny tany amin’ny distrikan’i Sainte-Marie. Tafakatra 70,80 % ny salam-pahafahana raha latsak’izany tamin’ny taon-dasa. Toraka izany koa ny baka teknika.
Finoana : Nosokafana tamim-pomba ôfisialy ny alahady 19 septambra lasa teo haharitra hadiminiana ilay zaika kely faha-4 tontosain’ny fiangonana FLM any amin’ny distrika Amboasary Atsimo. Nitarika ny fotoam-pivavahana nandritra ny fotoam-panokafana ny filohan’ny synaodam-paritany Ambovombe Androy izay nanantitrantitra fa fitaizana ny tanora ho amin’ny fanavotam- pirenena no fototr’ity zaika kely ity.
Naratra mafy : Olona telo no naratra mafy. Io no vokatr’ilay fanafihana nataona andian-jiolahy mirongo fiadiana nitranga tao an-tampon-tananan’i Belo Tsiribihiana ny alahady 19 septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Handrava tanàna mihitsy no anton-dian’ireto jiolahy ireto araka ny fantatra. Raikitra ny sakoroka taorian’izany ka tafaporitsaka avokoa ireo mpanao ratsy.
Tsara : Tsara ny voka-panadinana bakalôrea tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra. 663 tamin’ireo mpiadina 685 isa niatrika izany no afaka soa aman-tsara ho an’ny fampianarana ankapobeny raha 245 tamin’ireo 248 kosa ny an’ny fampianarana teknika.
Mitombo isan’andro : Mitombo isan’andro ireo olon-tsotra mitady volamena hovidiana eny Analakely eny. Manodidina ny tranom-barotra Shoprite no tena ahitana azy ireny. Misy amin’izy ireo no mahasahy manaraka mpandalo mihitsy raha manontany tsotra fotsiny kosa ny sasany . Tsy vitsy ireo sorena vokatr’izany, indrindra ireo tovovavy. Ankoatra ny tahotra any anaty mantsy dia mahatsiaro ho voahelingelina ihany koa izy ireny.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.