Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 22 Septambra 2010


Tsy fantatra : Nanitikitika ny sain’ny mpanao gazety ilay fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena notontosaina teny Ivato momba ny taonan’ny olom-pirenena afaka milatsaka hofidiana ho filoha. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny filohan’ny FAT Andrinirina Rajoelina dia nanambara fa ny famitana ny tetezamita sy ny fametrahana ny Repoblika fahaefatra aloha hatramin’izao no mahamaika azy. 

Foto-drafitrasa : Lalan-tany mirefy 600 metatra mampitohy Fokontany roa ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra Fanasina II, distrikan’i Vatomandry no hasiam-panamboarana. Mamatsy vola ny asa ny FID, mitentim-bidy 14 tapitrisa Ar. Tamin’ny alalan’ny asa tana-maro no nanatontosana ny asa tao anatin’ny 35 andro.
 
Hetra : Hanaovana hetsika manokana ny fitakiana hetra amin’ireo voakasik’izany any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Hirotsaka an-tsehatra hanentana ireo mpivaro-damba sy mpivaro-kena anio alarobia ireo tomponandraikitra any an-toerana hampahafantatra azy ireo ny tombontsoa azo avy amin’ny fandoavan-ketra.
 
Fiofanana : Nanamafy ny traikefany tamin’ny alalan’ny fiofanana natrehiny ireo Chef ZAP vaovao sy ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Ny herinandro lasa teo no nanatontosana izany tany an-toerana izay naharitra hateloana. Ny tanjona moa dia ny hanatsarana sy hampivoarana ny sehatry ny fanabeazana any an-toerana.
 
Mitokona : Mitokona tsy mety mandoa hetra ny ankamaroan’ireo mponina any amin’ny distrikan’i Nosy-Be, Faritra DIANA. Voakasik’izany ny hetran-trano, ny hetran-tany… Voatery hirotsaka an-tsehatra hanao ny fanentanana noho izany ireo tompon’andraikitra any an-toerana hahafahana manatontosa ireo tetikasa toy ny fampidirana rano fisotro madio…
Mihetsiketsika : Mihetsiketsika ny fikambanam-behivavy Ambalamahatsinjo any amin’ny distrikan’Ambilobe. Tontosa ny alatsinainy teo ny fanokanana tam-pomba ôfisialy ny tsangambaton’ny firaisankina naorin’izy ireo, mitentim-bidy 700.000 Ar. Namatsy vola ny asa ny région Picardie avy atsy Frantsa.
Fitsaram-bahoaka : Miaramila iray mamo nanapoaka basy tao an-tsena no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 8ora alina tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Efa leon’ny fampihorohoroana hataon’ny dahalo isan’andro any an-toerana mantsy ny mponina ka samy nisavoritaka nanavotra ny ainy sy ny fananany. Zandary iray sendra nandalo no nanala ny basy teny an-tanan’ity miaramila ity vao nijanona ny korontana.
 
Tratra : Ela ny ela fa saron’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona tao an-tampon-tananan’i Mahanoro ihany ilay jiolahy rain-dahiny mpandripaka ny fananam-bahoaka any an-toerana. Ny alatsinainy teo no nahatrarana azy io, taorian’ny loharanom-baovao mari-pototra avy amin’ireo tsara sitrapo.
 
Mameno ny arabe : Nanao ranolava tato ho ato ireo olona tonga mamadi-drazana any amin’iny faritra Itaosy ity. Mahatratra dimy isan’andro izany raha kely indrindra ka mampitaraina ny mpampiasa lalana. Ankoatra ny fitohanan’ny fifamoivoizana mantsy dia tsy hifanenana ihany koa ny arabe noho ny hamaroan’ireo olona mitsinjaka sy mibahana eny afovoan-dalana.
 
Tsy hita : Tsy mbola nahazo valiny mahafa-po ihany hatramin’izao ireo fianakaviana am-polony nalana an-keriny tao amin’ny taniny etsy Antetezanafoavoany I, 67 ha rehefa nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana. Eny amoron-dalana izy ireo no manori-ponenana ankehitriny taorian’ny namefena ny taniny sy nanidiana ny tranon-drazany.
 
Mihatrana : Mihatra ao Ouagadougou, renivohitr’i Burkina Faso hatramin’ny omaly ireo tafika frantsay taorian’ny fanelanelanana nataon’ny tompon’andraikitra mikasika ny tokony hanafahana ireo olona nalaina an-keriny tany Arlit Niger, ny faran’ny herinandro teo. Fanambarana nataona mpanao gazety iray any an-toerana no nahafantarana izany.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT