Hain-trano : Trano 200 isa no indray kilan’ny afo raha olona 2.000 isa no tsy manan-kialofana. Io no vokatr’ilay hain-trano nitranga tany amin’ny Fokontany Elahiana, Kaominina ambanivohitra Manambaro, distrikan’i Tolagnaro ny sabotsy 18 Septambra lasa teo. Afo nandrahoana vehivavy lehibe iray mangahazo tamina tokantrano iray no niteraka ny loza. Manao antso avo amin’ny rehetra noho izany ny Ben’ny tanana mba hifanome tanana aminy.
FMBM : Namoaka vokatra vaovao ry zareo eo anivon’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy na ny FMBM etsy Antaninarenina. Testamenta Vaovao amin’ny dikateny iombonana izy io natokana ho an’ny tanora sy ny ankizy. 20.000 isa tamin’ity Testamenta Vaovao ity no natonta. Na izany aza anefa ny 5.000 isa ihany no anjaran’ny FMBM.
Hijanona ho tantara : Hijanona no tantaran’i Grande Bretagne ny fandalovan’i Papa Benoît XVI tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Tsy nijanona ho an’ny Katolika fotsiny ihany mantsy ny hafatra napetrany fa niantefa tamin’ny mpino rehetra toy ny hoe : mahaiza mihaino ny feon’ny fieritreretana fa tsy ny zo fotsiny ihany mba hahafahana mihaino ny hafa ihany koa.
Lozam-pifamoivoizana : Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Ambanja sampanana Mangabe, Kaominina Ambamokarana, ny alin’ny zola 17 septambra teo tokony tamin’ny sivy ora sy sasany alina. Zazavavy kely iray no maty teo no eo, vokatr’izany. Sendra niampita izy no voadonan’ny fiara Mazda avy any Antalaha hiazo an’Ambanja.
Aretina Pesta : Nihena ny trangan’aretina pesta niheso teto amintsika tato anatin’ny folo taona. Raha nahatratra 1.000 isa izany tamin’ny folo taona lasa dia tsy nisy afa-tsy 300 ka hatramin’ny 400 isa sisa izany ankehitriny. Na izany aza ny 30 %-n’ireo tranga mandalo eny anivon’ny tobim-pitsaboana ihany no tena pesta marina. Nandritra ny fanokafana tamim-pomba ôfisialy ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny aretina notontosaina teny amin’ny Institut Pasteur Avaradoha no nahafantarana izany omaly.
Tsara ny vokatra : Niakatra ny voka-panadinana bakalôrea tany amin’ny distrikan’i Marovoay. Ny sabotsy teo no nivoakatra tamim-pomba ôfisialy ny vokatra. 89,21% ny taham-pahafahana raha 75% tamin’ny taon-dasa.
RN44 : Fiara miisa efatra no indray notafihin’ny jiolahy dimy nitondra basim-borona ny alin’ny zola 17 septambra teo tao Ranofotsy, amin’ny lalam-pirenena faha-44 miala 1km sampanana Andilanatoby- Vohidiala. Mazda 1, kamio 2 ary 404 bâché 1 no notafihan’izy ireo tamin’izany ka lasa ny vola 5 tapitrisa ariary mahery, firavaka volamena maro ary findain’ireo mpandeha.
Fiofanana : Miatrika fiofanana momba ny fahaiza-mitarika ireo vondron’ny fikambanam-behivavy any amin’ny distrikan’i Mahabo, hotronin’ireo Sefo ZAP ao anatin’ny Faritra Menabe. Tompon’antoka amin’izany ireo tompon’andraikitra avy eto an-drenivohitra.
Tonga ho azy : Hita ihany rehefa nanjavona nandritra ny hefarana ilay Ramatoa lehibe iray antsoina hoe : Georgette monina ao an-drenivohitr’i Sainte-Marie. Ny sabotsy 18 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina ity ramatoa ity no niverina tao an-tokantranony izay marihina fa tena reraka dia reraka tokoa no sady noana. Nanambara moa izy rehefa nanontaniana fa nisy zavatra nanafina azy tany anaty ala saingy tsy novonoiny kosa.
Toe-karena : Hohatsaraina ny lafiny toe-karena any amin’ny Faritra Analanjirofo. Hisy ny fampisehoana goavana hotontosain’ireo mpandraharaha any Prétoria Afrika Atsimo ny volana Oktobra ho avy io hanitaran’izy ireo ny ambaindahiny. Ny tanjona moa dia ny hanatsarana ny tsenan’ny lodsia sy hisintonana mpizahantany vahiny hampiasa ny volany any amin’ity Faritra ity.
Asa fampihorohoroana : Olona efatra no indray namoy ny ainy tany Lorack any amin’ny faritra atsimo andrefan’i Alemaina ny faran’ny herinandro teo raha efatra hafa no naratra mafy. Io no vokatry ny fidiran’ilay vehivavy iray nitondra fitaovam-piadiana an-keriny tao amin’ny tobim-pitsaboana iray any an-toerana. Narahina mpitandro ny filaminana ity farany nandritra izany ka nitifitra ireo marary izay sendra azy. Nahitana lehilahy sy ankizikely iray naratra ihany koa tao an-tokantranon’ity vehivavy ity izay tsy mbola fantatra na vady aman-janany na tsia.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.