Antsojay : Marobe ireo tantsambo any amin’ny distrikan’i Maroantsetra no hiharan’ny antsojay hataon’ny mpampiasa. Nisy ny atrikasa mikasika izany notontosaina tany an-toerana omaly alakamisy maraina. Ny tanjona moa dia ny mba hahafantaran’ireto tantsambo ireto ny zony.
Hain-trano : Trano 150 tafo no may kilan’ny afo tao Ambavanankarana distrikan’Ambilobe ny 14 septambra 2010 teo. Niainga avy tamin’ny tokantrano iray ny afo. Fianakaviana maromaro no traboina ary miisa 500 eo no eo tsy manan-kialofana.
Halatra : Voarohirohy amin’ny halatra «bois de rose» ny Ben’ny tanànan’Antanambe any Mananara Avaratra, Faritra Analanjirofo. Misy olona valo hafa tafiditra miaraka aminy amin’io raharaha io ary natolotra ny fampanoavana ao Maroantsetra.
Sarona : Saron’ny mpitandro ny filaminana tany Maintirano afak’omaly alarobia ilay tovolahy iray 17 taona tratra nangalatra bisikiletan’olona nijanona teo amoron-dalana. Ny herinandro lasa teo no nanjavona ity bisikileta ity rehefa nentin’ny tompony nividy zavatra. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny tovolahy nandritra izany saingy mbola tsara vintana ka tsy nisy nandrimbinana.
Fotodrafitrasa : Nahazo lycée vaovao sy manara-penitra ny any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsenavolo, distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy Fitovinany. Vokatry ny ezaky ny Ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny talen’ny Ceg ao amin’ity kaominina ity ihany ary ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana no angady nananana sy vy nahitana izany. Miisa 114 ireo mpianatra horaisina eo anivon’ity lycée vaovao ity, araka ny fantatra, hisantatra ny taom-pianarana 2010-2011.
Kolontsaina : Anio zoma 17 Septambra no hosokafana amim-pomba ofisialy any amin’ny distrikan’Ambilobe ary haharitra roa andro ilay hetsika ara-kolontsaina hanehoana ny fomba amam-panaon’ny foko Antakarana. Ao Ampasinantenina no hanatanterahana izany arahin’ny fanadiovan-tena sy fandroana ho fangatahim-pitahiana amin’Andriamanitra sy ny razana. Olona manodidina ny 2.000 isa no andrasana ho avy hanotrona izany.
Miralenta : Ny 05 Oktobra ho avy io no hampahafantarana amim-pomba ofisialy ny mponina any amin’ny faritra Menabe ny fisian’ilay horonantsary mikasika ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy karakarain’ireo fikambanam-behivavy any an-toerana. Ao Mahabo no hanatontosana izany anio zoma saingy mbola amin’ny alalan’ny fanentanana fotsiny ihany. Ny tanjona moa dia ny hananan’ny vehivavy fahasahiana handray anjara feno amin’ny fitantanana ny firenena.
Velon-taraina : Velon-taraina noho ny afitsoky ny voavalo be ireo mponina any amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Ripaka avokoa mantsy ny akoho sy zanak’alika ary zana-borona ankoatra ny vary akotry sy ireo karazam-bokatra maro samihafa. Manao andiany hatrany amin’ny 30 isa ireto voalavo be ireto araka ny fantatra ary tsy mivoaka raha tsy amin’ny alina. Mahatratra 800 g ka hatramin’ny 1 kg no lanjany raha misy 6 sm kosa ny refin’ny nifiny.
Mihorohoro : Mandry andriran’antsy ny mponina eny amin’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy, distrikan’Antananarivo atsimondrano noho ny afitsoky ny asan-dahalo. Hatramin’ny nisian’ny fanafihana teny an-toerana mantsy dia tsy milamin-tsaina intsony ny tsirairay. Amin’ny 5 ora hariva dia efa mihidy aman-trano ny ankamaroan’ny rehetra na dia afaka ora roa eo ho eo aza vao tena maizina.
Krizy : Krizy ny rano eny amin’ny Fokontanin’Ambohijafy, kaominina Fenoarivo Atsimondrano. Vao maraina dia efa mitomandavana milahatra maka rano ny mponina, eny fa na dia ny eny amin’ny vovo sy ny fantsakana aza. Tsy vitsy noho izany ireo ankizy madinika no tratry ny aretim-pivalanana. Marihina fa tahaka izao hatrany no mitranga eny amin’ity fokontany ity isan-taona isaky ny fiandohan’ny lohataona tahaka izao.
Finoana : Nigadona tany Grande Bretagne hatramin’ny omaly alakamisy 16 septambra ny Papa Benoît XVI araka ny fampanantenana efa natao tamin’ireo mpino any an-toerana. Olona marobe no tonga nitsena azy teo am-pahatongavana izay samy miandrandra vaovao tsara avy aminy avokoa.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.