Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alakamisy 16 Septambra 2010


Finoana : Hanatontosa fotoam-pivavahana lehibe ireo mpino eo anivon’ny fiangonana Fjkm Vohitsara any Moramanga ny 18 sy ny 19 Septambra ho avy izao. Samy hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina ny fotoana arahin’ny fiaraha-misakafo hiarahana amin’ny zanaka ampielezana. Tafiditra ao anatin’ny asa fanitarana ny trano fiangonana ny hetsika hanoloana ny tafo sy hanaozana ny rindrina efa simba. 

Nodimandry : Nodimandry tany Marseille (Frantsa) ny alatsinainy 13 Septambra lasa teo Rabehasy Pauline ilay mpanankato malagasy nanana ny lazany tamin’ny taona 1960. Anisan’ny mpanakanto niara-nihira tamin’i Barijaona izy. Andrasan’ny fianakaviana eto an-tanindrazana ny fahatongavan’ny nofo mangatsiakany.
 
Rano fisotro madio : Nahazo rano fisotro madio ny any amin’ny kaominina ambanivohitra Mangarivotra, distrikan’Antsiranana I. Angady nananana sy vy nahitana izany ny fikambanana Picardie avy any La Frantsa ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Vonona ny mponina hitantana sy hitandro ny fotodrafitrasa araka ny tokony ho izy.
 
Mirongatra : Mirongatra ny asan-jiolahy any amin’ny distrikan’i Mitsinjo. Lasibatra amin’izany ny ao amin’ny fokontanin’Antseza sy Miaramandroso izay nahazo fandrahonana mihitsy. Roa andro mialoha mantsy dia efa mampilaza ny fotoana hiaviany ireo jiolahy no sady mampitandrina ireo tanàna izay holalovany mba samy hamoaka ny fananany.
 
Fampitaovana : Nahazo fitaovana fitarafana “échographie” manara-penitra ny hopitaliben’i Maroantsetra. Tompon’antoka tamin’ny fanomezana ny Association amitié malgache avy atsy La Frantsa, tarihin’ny filohany Raharisoa Jeanne. Afa-pahasahiranana tanteraka ny mponina noho izany. Any Toamasina sy eto an-drenivohitra mantsy ny mponina no manao échographie rehefa misy ilana izany maika.
 
Fiofanana : Miatrika fiofanana momba ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny misahana izany any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Ny ministeran’ny asa no mamatsy vola ny fiofanana raha ny SAF FJKM kosa no tompon’antoka amin’izany. Ny tanjona moa dia ny hampivelarana ny sy hanatsarana ny seha-panabeazana ny tanora any an-toerana.
 
SIDA : Miofana amin’ny ady atao amin’ny otrikaretina VIH SIDA ihany koa ireo tomponandraikitry ny Marie Stopes Madagascar, 66 mianadahy, avy any amin’ny Faritra Itasy. Ao Soavinandriana Itaosy no hanatontosana izany hiarahana mandritra ny hateloana. Ireto mpizaika ireto araka ny fantatra no hiezaka hampita ny traikefany amin’ireo tanora marobe samihafa namany eny anivon’ny fiarahamonina. 15 ka hatramin’ny 24 no salan-taonan’izy ireo.
 
Balim-boalavo : Raikitra ny balim-boalavo any Ampasimbe Manapatrana, Kaominina ambanivohitra any Fenoarivo Atsinanana. Rambom-boalavo folo no solom-pidirana ho an’ny lehilahy raha dimy kosa ny an’ny vehivavy. Mirongatra izaitsizy mantsy ny voalavobe any amin’ity Kaominina ity ka voatery nitadiavana hevitra.
 
Tapaka lalan-dra : Ramatoa iray mitaiza kely mpivarotra amoron-dalana araka ny fantatra no tapaka lalan-dra vokatry ny fakan’ny polisin’ny tsena ny entany teny Analakely afak’omaly talata maraina. Mbola mpiantoka ihany mantsy ity Ramatoa ity no sady vao hanomboka hivarotra. Nifanohitra tamin’izay neritreretiny anefa ny zava-nisy ka izao nitarika fahatapahana lalan-dra ho azy izao.
 
Nihena : Nihena ny isan’ireo renim-pianakaviana miteraka any Meksika. Tsy misy afa tsy zaza roa isam-pianakaviana sisa no hita ankehitriny raha nahatratra fito ka hatramin’ny valo teo aloha. Noho ny fahaverezan’ny fotoanan’ny mpivady amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana no anton’izany, araka ny vaovao azo.
 
Asa fampihorohoroana : Nisavoritaka ny tao an-drenivohitr’i La Frantsa ny talata 14 septambra. Nandeha mantsy ny feo fa nisy olona nametraka baomba afaka mipoaka avy hatrany tao amin’ny tsangambibe Tour Eiffel ao Paris. Nikoropaka ny mpitandro ny filaminana nanoloana izany. Olona am-polony nanodidina ity tsangamby be ity no voatery nalana tamin’ny toerany. Na izany aza tsy nisy na inona na inona nitranga.
 
Nodimandry : Nodimandry ny alahady 12 septambra lasa teo ny pastora Rabemanahaka Jean, mpitandrina tao amin’ny Fjkm Ankadifotsy. Izy no anisan’ny vy nahitana ny ekimienisma, ny Ffkm. “Olo-mangina miteny” ny lehilahy, izany hoe tsy dia miteny fa mpanoratra izy ka amin’ny alalan’ny boky no amoahany ny tosa-keviny. Notolorana ny mari-boninahitra Grand croix de 2eme classe ny tenany omaly nialoha ny nametrahana ny nofo mangatsiakany teny amin’ny fasan-drazany teny Antanety alasora.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT