Diso fanantenana : Diso fanantenana tamin’ny fihetsiky ny fitondrana FAT ireo tanora reservista 300 nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona notontosaina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, tamin’ny taona 2009. Nomena toky ho anisan’ireo fianakaviamben’ny tafika malagasy mantsy izy ireo taorian’ny fahavitan’ny tolona saingy tsy misy mpijery hatramin’izao. Hanatontosa fivoriambe entina handinihina izany izy ireo ny sabotsy ho avy io, ho fanamafisana ny hetsika ho fitakiana ny toky nomena azy ireo.
Fotodrafitrasa : Vita soa aman-tsara ny asa fanamboarana ny Tranompokonolona vaovao ao Moriandro, Kaominina Mahitsy. Vokatry ny ezaky ny Fokonolona avy amin’ireo Fokontany 31 no angady nananana sy vy nahitana izany, notohanan’ny ministeran’ny fanajariana ny tany. Ao amin’ity Tranompokonolona vaovao ity, araka ny fantatra, no hametrahana ny birao ifotony momba ny fananantany na ny BIF.
Nikaondoha : Nihaona sy nikaondoha tao amin’ny lapan’ny tanànan’Antsohihy ny talata teo ireo mpiasam-panjakana any an-toerana. Niompana tamin’ny ezaka tontosain’ny ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana amin’ny fanamorana sy ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ireo mpiasam-panjakana tsy voajery ny resaka nifanaovana tamin’izany.
Fandriampahalemana : Mitohy ny «opération coup de poing» any Toamasina, entina hitandroana ny fandriampahalemana, indrindra ny amin’ny alina. Hisy ny fisavana kara-panondrom-pirenena manomboka izao na andro na alina, arahin’ny fijerena akaiky ireo toerana maro samy hafa mampanahy izany hahafahana mamongotra ny mpanao ratsy. Tsy hijanona ny hetsika araka ny vaovao voaray raha tsy miverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana.
Hofoanana : Asam-panjakana manodidina ny 500 isa no hofoanana manomboka izao any Cuba. Mandrapahatongan’ny volana martsa 2011 no hanatontosana izany araka ny vaovao azo. Tsiahivina fa tamin’ny taona 1960 no nisy fanapahan-kevitra farany noraisina tahaka izao tany an-toerana entina hanenana ny vola mivoaka avy amin’ny kitapom-bolam-panjakana.
Tsy handoa vola : Tsy handoa vola ho fanafahana ilay teratany amerikanina iray voatazona any Iran, i Etazonia. Nilaza hanafaka maimaimpoana ity Amerikanina ity mantsy ry zareo Iraniana saingy tamin’ny ora farany dia nitaky lelavola 500 dolara ho setrin’izany indray izy ireo. Na izany aza anefa nanamafy Etazonia fa tsy handoa io lelavola io.
Nofoanana : Tsy azo asiana hira hafa intsony any am-piangonana any Aostralia manomboka izao mandritra ny fotoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana amin’ny fialan-tsasatry ny fanahin’ny maty, izany hoe mialoha ny fandevenana. Raha ny zava-nisy teo aloha mantsy nojerena dia noravahana hira samihafa hatrany izany na dia fanaovam-beloma ny maty aza toy ny hip hop ...arakaraka ny sehatra nisy ilay maty tamin’ny fotoana nahavelomany.
Hidina an-dalam-be : Hidina an-dalambe haneho ny heviny ireo mpifanandrina amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina any Guinée raha toa ka mbola mihemotra ihany ny daty hanatanterahana ny fifidianana. Nilaza ihany koa moa izy ireo fa ny fitondrana tetezamita any an-toerana ihany no tompon’antoka tamin’ireo korontana niseho tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo izay namoizana ain’olona iray sy naharatrana olona 54 isa.
Arahi-maso : Arahi-maso akaiky manomboka izao ireo posy sy cyclo-pousse miasa ao Fenoarivo Atsinanana. Manomboka anio alarobia 15 septambra no hanatontosana ny hetsika ka hisy ny fisavana ny antontan-taratasin’izy ireo toy ny fahazoan-dalana sy ny fanamarinana ny fandoavana haba ankoatra ny fisavana ny fitaovana toy ny jiro...
Sarona : Saron’ny mpitandro ny filaminana tao Vatomandry ny faran’ny herinandro teo ilay lehilahy iray mpisoloky milaza ho tompona orinasa lehibe iray ary afaka mampiditra mpiasa marobe. Hangalany vola avokoa izay tokantrano rehetra lalovany ka maro ireo efa voafitany. Milaza ho injenieran’ny asa vaventy moa ity rangahy ity ary manana badge mifandraika amin’izany mihitsy.
Famelabelaran-kevitra : Nanatontosa famelabelaran-kevitra tany Ambilobe ny lefitry ny filohan’ny oniversiten’Antsiranana ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny torolalana hoenti-manampy ireo mpianatra niatrika ny fanadinana bakalôrea farany teo ny famelabelarana hahafahan’izy ireo misafidy araka ny tokony ho izy izay lalan-kombany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.