Mandry tsy lavo loha : Mandry tsy lavo loha noho ny hafitsoky ny asan-dahalo ireo mponina any amin’ny distrikan’i Moramanga. Jiolahy mitana fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy kalach maromaro no indray nanafika tranombarotra iray tany an-toerana ny talata 07 septambra lasa teo. Vokany, olona manodidina ny 300 isa no naratra mafy rehefa raikitra ny sakoroka. Lelavola roa tapitrisa Ar ihany koa no nanjavona.
Mirongatra : Mirongatra ihany koa ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’Ihorombe. Tsy mitazam-potsiny manoloana izany ireo mpitandro ny filaminana fa miezaka mandray ny andraikiny ihany koa. Efa mandeha ny fanentanana ny isam-baravarana mba tsy hiraviravy tanana fa hamondrona ny hery hahafahana mamongotra ny olon-dratsy.
Manahy : Manahy mafy ny amin’ny hisian’ny atodim-balala any amin’ny faritra misy azy ny mponina ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Andiam-balala marobe mantsy no nandalo tany Antsirabe ny sabotsy 11 septambra lasa teo. Nitety toerana efatra teo ho eo ireto andiam-balala ireto vao nivoaka. Tany amin’ny distrikan’Antsirabe II izy ireo no nivoaka raha tao Antsirabe I no niditra.
Lisi-pifidianana : Mbola ny Faritra Boeny ihany hatramin’izao no nahavita ny lisi-pifidianana madio sy mangarahara araka ny vaovao voaray. Vokatry ny ezak’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny toy ny lehiben’ny distrika sy ny Ben’ny tanàna ary ny sefom-pokontany no angady nananana sy vy nahitana izany.
Bakalôrea : Nivoaka ny sabotsy nifoha ny alahady 12 septambra lasa teo ny voka-panadinana Bakalôrea ho an’ny distrikan’i Fianarantsoa I. Nitombo 2 % ny salam-pahafahana raha oharina tamin’ny taon-dasa araka ny angom-baovao azo. Tsy mbola nandrenesam-baovao kosa ny mikasika ny voka-panadinana avy amin’ ireo Foibem-panadinana hafa.
Tsy matoky : Tsy dia manaitra firy ny vahoaka intsony ity fihaonambem-pirenena tontosaina eto an-drenivohitra nanomboka omaly alatsinainy ity, araka ny fanadihadiana natao. Efa tsy manana fahatokisana ny fitondram-panjakana intsony ny vahoaka. Marobe ireo fivoriana sy fikaonandoha notontosaina teto amin’ny firenena saingy tsy mbola misy fiantraikany any amin’ny vahoaka izany hatramin’izao. Izany no feo re etsy eroa izay mitarika ny sasany hilaza fa fandaniam-bola sy fandaniam-potoana fotsiny ihany ny tahaka izao.
Takona : Tonga eny amin’ny fokontanin’i Manarintsoa Atsinanana ankehitriny ny asa fanamboarana ireo karazana zaridaina madinika, tontosain’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nanomboka teny Antetezanafovoany I ny volana aogositra lasa teo. Velon-taraina noho izany ireo mpivarotra amoron-dalana satria takona tanteraka izy ireo. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatreto izay antony hanorenana itony karazana zaridaina kely madinika itony.
Fotodrafitrasa : Vaky ny ady amin’ny asan-dahalo any amin’ny kaominina ambanivohitra Menamaso Iloto, distrikan’Ihosy. Niara-nientana nanamboatra trano hipetrahan’ny mpitandro ny filaminana ireo fokonolona any an-toerana. Efitrano sivy no naorina tamin’izany ary efa mijoro avokoa ny rindrina. Ny tafo sisa no tsy vita izay hiandrasana fanampiana avy amin’ny fitondrana FAT sy ny malala-tanana.
Tonga : Afak’omaly alahady 12 septambra no nigadona an-tanindrazana rehefa nivahiny 12 andro tany Korea Atsimo ny filohan’ny delegasiona manokan’i Toamasina sy ireo delegasiona notarihiny. Afa-po tamin’ny diany izy ireo araka ny vaovao voaray. Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta izay marihina fa hitatra amin’ny fampirahavaviana ny tanàna iray any Korea Atsimo amin’i Toamasina.
Feno 20 taona : Manamarika ny faha-20 taona niorenany ny fikambanana AMIPHOM (Amical des photographes de Madagascar). Tany amin’ny Faritra Menabe no nanamarihany izany ny faran’ny herinandro teo, nizaran’ny mpikambana ny fahaiza-manao tamin’ireo olon-tsotra sy mpaka sary maro isan-tsokajiny any an-toerana.
Misaona : Misaona indray ny tontolon’ny kanto. Nodimandry omaly tany ampitan-dranomasina teo amin’ny faha-87 taonany i Pauline Rabehasy. Tao amin’ny Tropy Jeannette izay mpanao tantara tsangana no namantarana azy. Efa niara-nihira tamin’i Kintana Telo koa izy.
Maizina : Maizina tanteraka indray ny elakelan-trano any amin’ny faritra Anosipatrana iny. Asa na ny renin-jiro indray no tapaka na ahoana. Efa nisy tranga toy izany mantsy. Tsy hay koa na fanahy iniana ataon’ny jiolahy izao hanaovany ny asa ratsiny !
Habibiana : Afak’omaly alahady 12 septambra hariva no hita tany amin’ny renirano iray any Burundi ny vatana mangatsiakan’ireo sivily fito novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Vy maranitra no natsatoka namonoana azy ireto araka ny fantatra satria mbola hita teo ny diany. Nanambara ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana fa mbola vokatry ny asa ratsin’ireo jiolahy any an-toerana ihany no mahatonga izany. Polisy sy sivily iray hafa ihany koa mantsy no maty nisy namono ny herinandro lasa teo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.