Fihaonambem-pirenena : Hosokafana amim-pomba ofisialy anio eny amin’ny Centre de conference International eny Ivato ary haharitra enina andro ilay fihaonambem-pirenena karakarain’ny raiamandreny mijoro sy ny fiarahamonim-pirenena. Handray anjara mavitrika amin’izany ireo solontenan’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena miaraka amin’ny mpandraharaha ara-toekarena, ny olon-tsotra ary ny mpitondra fivavahana. Mihoatra ny 2000 isa ny mpizaika andrasana araka ny fantatra hamondrona ny heviny sy ny heriny hoenti-mamaha ny krizy eto amintsika.
Mpanohana fotsiny ihany : Nitafa tamin’ny mpampalala vaovao teny amin’ny lapam-panjakana eny Mahazoarivo ny praiministry ny FAT Camille Vital omaly alahady maraina. Niompana tamin’ny toe-draharaham-pirenena sy fihaonambem-pirenena izay hotontosaina manomboka anio alatsinainy ny lahateniny ka nanambarany fa ny raiamandreny mijoro sy ny fiarahamonim-pirenena no tompon’antoka voalohany amin’ny fanatontosana izany. Mpanohana fotsiny ihany, hoy ihany izy, ny fitondrana FAT ankoatra ny fandraisany an-tanana ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka.
Ny fokonolona : Naneho ny heviny sahady mikasika ireo karazana soso-kevitra arosony mandritra ny fihaonambem-pirenena ny antoko politika Otrikafo. Nambaran’ny filohany Rajaonah Andrianjaka fa vonona izy ireo ny handray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena izay hotontosaina manomboka anio saingy manana ny heviny manokana kosa. Nambaran’izy ireo sahady fa tokony haverina any amin’ny fokonolona amin’ny alalan’ny fivoriambem-pokonolona isam-pokontany ny hevitra hahafahana mitady vahaolana maharitra sy haingana mifandraika amin’ny krizy.
RPSD : Naneho ny heviny mikasika ity fihaonambem-pirenena hotontosaina manomboka anio ity ny antoko RPSD. Nambarany fa handray anjara mavitrika amin’izany izy ireo noho ny fitarazohan’ny krizy eto amin’ny firenena izay efa mila tsy ho zakan’ny vahoaka malagasy intsony. Ny hahafahana miampita haingana any amin’ny repoblika fahefatra ho an’ity antoko ity no laharam-pahamehana izay hialohavan’ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Mpizahatany sivy : Mpizahatany sivy no indray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo ny fiara fitateram-bahoaka nitondra azy ny faran’ny herinandro teo tany Maroc. Vokatry ny fanadinoan’ny mpamily ny fanaraha-maso madinika tokony ho natao tamin’ny fiara no nahatonga ny loza, araka ny fantatra.
Zaza sivy volana : Zaza sivy volana sy olon-dehibe iray no indray namoy ny ainy tao anaty fiaran-dalamby ny herinandro lasa teo tany Vietnam.Vokatry ny fahasimban’ity fitaovam-pitaterana ity teny am-pandehanana no nahatonga ny loza.
Mangingina : Natao mariazy tany Foulpointe ny filoha nasionalin’ny antoko MCDM sady mpikambana ao amin’ny ESCOPOL, Alain Andriamiseza. Vitsy ny olona nasaina. Natao mangingina ny raharaha.
Olona 14 : Olona 147 no indray namoy ny ainy teo no ho eo tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Mogadiscio any Somalie ny faran’ny herinandro teo vokatry ny fanafihana in-droa misesy nataon’ny isalmista.
Feno 30 taona : Feno 30 taona katroka tamin’ity taona 2010 ity ny sekoly ambaratonga faharoa any amin’ny kaominina ambanivohitra Didy, distrikan’Ambatondrazaka. Fanamboarana efitranon-tsekoly roa fanampiny hoenti-manampy ireo enina efa misy no tsangam-baton’izany faha-30 taona izany miaraka amin’ny birao iray voatokana ho an’ny mpampianatra.
Tafatsangana : Tafatsangana eto amintsika ny vovonam-pikambanan’ny fiarahamonim-pirenena malagasy. Ny faran’ny herinandro teo no nampahafantarana izany tamim-pomba ofisialy ny mpanao gazety teny amin’ny Panorama ahitana ny CRSCA sy ny INA Civile. Nambaran’ireto fikambanana roa ireto nandritra izany fa vonona izy ireo ny handray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena hitondrany ny soso-keviny hoenti-mamaha ny krizy eto amintsika.
Fotodrafitrasa : Horaisin’ny ministeran’ny mponina an-tanana ny fanajariana ilay lakan-drano 37 km any amin’ny kaominina ambanivohitra Didy, distrikan’Ambatondrazaka. Amin’ny alalan’ny asa tana-maro na ny HIMO no hanatontosana izany hanomezana tombony manokana ireo olona tsy an’asa sy sahirana ara-pivelomana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.