Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 10 Septambra 2010


Fotodrafitrasa : Raikitra ihany ny fananganana ilay CEG trano vato vaovao ao amin’ny kaominina ambanivohitra Fanandrana, distrikan’i Toamasina II. Mirefy 21 amin’ny 7 metatra ny fotodrafitrasa, ahitana efitrano telo. Hamatsy vola ny asa ny tetikasa PPRR, mitentim-bidy 120 tapitrisa Ar. Fokontany dimy no hahazo tombontsoa amin’izany. 

Rivodoza : Miomana sahady amin’ny fiatrehana ny rivodoza ny any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Tompon’andraikitra maro avy amin’ireo Kaominina fito no niatrika fiofanana mikasika izany nanomboka afak’omaly alarobia 08 Septambra, ao anatin’ilay tetikasa “Rarivato”.
 
Lozam-pifamoivoizana : Ny 06 septambra 2010 tamin’ny 09 ora maraina, tany amin’ny Fokontany Mahaditra, kaominina Mahaditra, distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony, dia zazalahy iray 16 taona, mpianatra, nisavika kamio Mercedes Benz avy ao aoriana, no latsaka ka maty tsy tra-drano voahitsak’ilay kamio. Marihina fa fianakaviana iray ihany ny maty sy ilay tompon’ny fiara.
 
Vita : Vita soa aman-tsara ny fitsarana ny fanadinana Bakalôrea notontosaina tany an-drenivohitr’Antsiranana. Tonga nijery sy nanara-maso akaiky izany ny filohan’ny oniversite any an-toerana ny alarobia teo izay nampanantena fa hamoaka faran’izay haingana ny voka-panadinana hahafahan’ny mpianatra mamaritra izay ho tohin’ny fianarany.
 
Hain-trano : Nitrangana hain-trano indray tany atsimon’i Siberia omaly alakamisy maraina. Trano 433 tafo no lasa lavenona raha 1.200 ireo tsy manan-kialofana. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra mafy. Nanome toky moa ny filoha Rosiana fa hanome fanampiana ho an’ireto traboina ireto raha baiko hentitra mba hitady izay niavian’ny afo kosa no azon’ny governora any Siberia.
 
Nandriaka ny ra : Nandriaka indray ny ra omaly maraina tany Pakistan. Olona folo no indray namoy ny ainy vokatry ny fipoahan’ireny karazana baomba baikoin-davitra sy voafahana ireny. Ankoatra ireo dia efatra hafa ihany koa no naratra mafy. Tao anaty fiara iray nandalo izy ireo no sendra izao baomba voafahana nipoaka izao.
 
Finoana : Omaly alakamisy no niainga tao Mananara Avaratra hihazo an’i Maroantsetra ireo mpino 213 mianadahy mianaka avy eo anivon’ny fiangonana Fjkm hamonjy ilay isan-kerin-taona hotontosaina any amin’ny Fokontanin’Antanandava. Filaharambe mamakivaky ny tanàna anio zoma no handraisana azy ireo.
 
Tsy mivaky : Tontosa ny alarobia teo tany amin’ny distrikan’Ambilobe ny fifanaovan-tsonia notanterahin’ireo mpanao politika isan-tsokajiny any an-toerana. Ny tanjona moa araka ny vaovao voaray dia ny hahairay tsy mivaky azy ireo na dia samy manana ny firehan-keviny aza.
 
Rano fisotro madio : Tsy mbola manana rano fisotro madio hatramin’izao ny mponina any amin’ny distrikan’Ambatomainty. Tafakatra 150 Ar noho izany ny rano iray sceau raha 1.000 Ar ny iray barika.
 
Velon-taraina : Velon-taraina ny mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe Manapatrana, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Ny tsy fahafahana mijery ny televiziona kaominotera hanara-baovao no olan’izy ireo.
 
Fanomezam-boninahitra : Nandalo tao an-drenivohitry ny Faritra Amoron’i Mania omaly alakamisy maraina ny nofo mangatsiakan’ny dokotera Raoul, tao anatin’ny tarika Mahaleo. Samy nanao izay ho afany nandritra izany ny mpankafy sy ireo mpanankato maro isan-tsokajiny ho fanomezam-boninahitra farany ny nofo mangatsiakan’ity mpanakanto malaza ity.
 
Zon’ny vehivavy : Tafatsangana any amin’ny distrikan’Amparafaravola ny Centre d’écoute et de Conseil handraisana sy hihainoana ny fitarainan’ireo vehivavy hiharan’ny herisetra. Ankoatra ireto farany dia voakasika ihany koa ny lehilahy sy ny ankizy tsy hanavahana sokajin-taona. Ny tanjona moa dia ny mba hahafahana mandrindra sy mandamina ny fiarahamonina.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT