Fahazoam-baovao : Sahirana amin’ny fandraisana ireo karazam-baovao maro samihafa mitranga eto an-drenivohitra ny ao an-drenivohitr’i Boeny. Mahatsapa mantsy izy ireo fa ny vaovaom-panjakana hatrany no mahazo vahana raha an-kilabao kosa ny an’ny mpanohitra. Leo ny mponina vokatr’izany ka mamadika ny vata fahita lavitra na dia amin’ny fotoanan’ny vaovao aza.
Vaky ny ady : Vaky ny ady eo amin’ireo mpanolotsaina monisipaly telo mirahalahy eo anivon’ny Kaominina Vohipeno izay nametra-pialana sy ny PDS. Tonga hatrany amin’ny ministra tomponandraikitra ny fitarainana omaly izay mangataka ny hampitsaharana ity farany amin’ny asa. Antony maro no mahatonga izany, araka ny vaovao azo, toy ny fizarazarana ny tanin’ny kaominina amin’ny olona manam-bola...
Vaky : Vaky koa ny ady amin’ny piraty any amin’ny distrikan’i Mahajanga I sy II. Mandalo any an-toerana hatramin’ny omaly ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny OMDA izay
Andro iraisam-pirenena : Hanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra ny any amin’ny distrikan’i Brickaville. Maromaro ireo tompon’andraikitra efa tonga any an-toerana hatramin’ny omaly araka ny vaovao voaray.
Fotodrafitrasa : Nahazo sekoly ambaratonga fototra vaovao ny any amin’ny kaominina sy distrikan’i Soanierana Ivongo. Namatsy vola ny asa ny UNICEF raha ny ray aman-drenin’ny mpianatra kosa no niantoka ny vatokely sy ny fasika. Nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana toy ny armoara sy latabatra ho an’ny mpampianatra nandritra izany.
Tontolo iainana : Hiatrika fiofanana any Sambava ireo tomponandraikitra misahana ny fiarovana ny tontolo iainana manerana ny Faritra SAVA amin’ny herinandro ho avy io. Tompon’antoka amin’izany Ong Ranoala ho fiarovana ireo ampahana ala sisa tsy ripaka any an-toerana.
Sarona : Mpangalatra taribin’ny Jirama telo lahy no saron’ny Emmo-Reg tamin’ny alalan’ilay hetsika “coup de poing” notontosain’izy ireo tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ny sabotsy nifoha alahady lasa teo. Niara-noraofina tamin’izy telolahy ireto ihany koa ireo mpandray sy mpividy ny entana halatra. Tsiahivina fa efa mahatratra 15 km hatramin’izao ny refin’ny taribin’ny Jirama very tany an-toerana.
Navotsotra : Navotsotra rehefa avy nandoa ny lamandy sahaza azy ilay lehilahy tratra nitondra toaka gasy 70 litatra tao Antsirabe ny faran’ny herinandro teo. Nodorana ny toaka raha tsiahivina, natrehin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo tomponandraiki-panjakana.
Hain-trano : Nitrangana hain-trano tany amin’ny kaominina ambanivohitra Sarobaratra, distrikan’i Tsaratanana ny 03 septambra lasa teo. Niainga avy tamina tokantrano iray ny afo ary nitatra tamin’ireo trano 43 tafo hafa. Vokany, olona 205 no tsy manan-kialofana raha mitentim-bidy 205 tapitrisa Ar kosa ny kojakoja sy fitaovana simba.
Mihitsoka : Mbola tavela any amin’ny 700 m any ambanin’ny tany hatrany hatramin’ny omaly alarobia ireo olona 33 lahy nitrandraka vato ao San José any Chili. Nanomboka ny 05 Aogositra lasa teo izy ireo raha tsiahivina no efa tsy nahita ny vady aman-janany intsony. Efa misy ireo tomponandraikitra mandray an-tanana ny fianakavian’izy ireo, izay marihina fa nisedra olana ihany koa. Nirongatra nitady azy 33 lahy mantsy ireo vady aman-janany sy ny olon-tiany ka tsy hita izay nanaovana azy ireo.
Delestazy : Mamely ny delestazy any amin’ny distrikan’Andapa. Manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 8 ora maraina no hitrangan’izany isan’andro izay miteraka ny fiakarana sy ny fidinan’ny herinaratra. Velon-taraina ny mponina noho izany koa manao antso avo amin’ny tomponandraikitra.
Halatra finday : Mirongatra ny halatra finday eny amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Toy ny manao fandraikiraikena mihitsy ireo jiolahy manao ny asany. Omaly hariva tamin’ny 6 ora latsaka tao anaty taxibe 137 dia tovovavy iray efa nitomany no nilaza fa nisy nitsaika ny telefaoniny ary efa lasa izy vao tonga saina nefa teny am-pelatanany izao. Tsy nisy ny azo natao. Nisy toy izany koa ny maraina tao anaty 172 saingy ny maraina. Ny aza voany ihany sisa e !
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.