Fiofanana : Niatrika fiofanana momba ny fiarovana ny zon’ny fianakaviana sy ny ankizy madinika ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any amin’ny Faritra SAVA ny fiandohan’ny herinandro teo. Tompon’antoka tamin’ny fampiofanana ny ministeran’ny mponina. Am-polony ireo mpizaika tonga namaly ny antso
Fampitaovana : Nahazo fitaovam-pitsaboana manara-penitra ny tobim-pitsaboana CSB II ao Antsohihy. Hahazo tombontsoa manokana amin’izany ireo olona marary an-doha lava sy toratorana araka ny vaovao voaray. Afak’omaly alatsinainy ihany dia efa natomboka ny fanentanana ny mponina tamin’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana.
Fotodrafitrasa : Paompin-drano fisotro madio miisa efatra no indray notokanana tamim-pomba ofisialy tany amin’ny kaominina sy distrikan’i Vavatenina ny alatsinainy teo. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Faritra Analanjirofo sy ny ONG Water Aid no angady nananana sy vy nahitana izany ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.
Nikaondoha : Nikaondoha mikasika ireo hetsika sy fikarakarana maro samihafa hoenti-mandray ny nofo mangatsiakan’ny dokotera Raoul tao anatin’ny tarika Mahaleo ireo raiamandreny sy tomponandraiki-panjakana any amin’ny Faritra Amoron’i Mania hatramin’ny omaly. Marobe ireo tonga nanohana ny antso araka ny vaovao azo toy ny mpankafy, ireo mpanankato maro isan-tsokajiny izay nampanantena fa samy handray ny adidy tandrify azy avokoa.
Fanadihadiana : Tonga manao fanadihadiana mikasika ny fari-piainan’ny mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra Manemaso Iloto, distrikan’Ihosy hatramin’ny faran’ny herinandro teo ireo iraka avy amin’ny INSTAT. Eo an-danin’izay dia mitohy hatrany ny fitsarana mitety vohitra tontosain’ny lehiben’ny distrika entina hanomezana kopia mari-pahaterahana sy kara-panondrom-pirenena ho an’ireo izay tsy mbola manana izany any amin’ity Kaominina ity.
Miomana : Miomana sahady amin’ireo voka-dratsy mety hateraky ny loza voajanahary eto amintsika ny any amin’ny distrikan’i Farafangana. Nisy ny atrikasa mifandraika amin’izany notontosaina tany an-toerana afak’omaly alatsinainy. Ny tanjona moa araka ny fantatra dia ny hanalefahana ireo karazana voina mety hateraky ny loza voajanahary izay hialohavan’ny fiomanana sahady hotanterahin’ny mponina.
Vaksiny : Ny 36%-n’ireo vehivavy mitondra vohoka no ezahina hahazo ilay vaksiny fanefitry ny gripa A H1 N1 any amin’ny distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Nahatratra 38 isa ireo tonga nanohana ny antso tamin’ny ny andro voalohany nanombohan’ny hetsika izay tsy hifarana raha tsy ny 10 septambra ho avy io. Marihina fa tsy mbola hita taratra any amin’ity distrika ity io aretina io. Na izany aza anefa aleo misoroka toy izay mitsabo.
Mitombo : Mitombo isan’andro ireo olona mpatory an-dalana eto an-drenivohitra. Ny eny amin’ny faritr’i Tsaralalana no tena ahitana taratra izany ankoatra ny eny Ampefiloha sy ny manodidina. Noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny tsirairay ka tsy hahafahana manofa trano intsony no antony mahatonga izany araka ny fantatra.
Maputo : Feno mpitandro ny filaminana ny kihon-dalana rehetra misy ny tanàna onenan’ireo mahantra sy sahirana ara-pivelomana any Maputo hatramin’ny omaly talata. Mbola mitohy ihany mantsy ny fihetsiketsehana tontosain’ny mponina ho fanehoan’izy ireo ny tsy fankasitrahana ny fisondrotry ny vidim-piainana. Anisan’izany ny lasantsy, ny jiro sy ny rano ary ny mofo. Miisa 10 ireo efa namoy ny ainy hatramin’ny omaly araka ny vaovao voaray raha 150 hafa no naratra. Fampitana hafatra an-telefaonina, mitaona ny rehetra hanao fihetsiketsehana no nanohizan’ny mponina izany omaly izay ahiana hiteraka fifandonana mahery vaika eo amin’izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana.
Tondra-drano : Mitondra faisana noho ny tondra-drano vokatry ny ora-mikija mitranga any an-toerana ny mponina any Guatemala sy Mexique. Ho an’ity farany manokana dia efa mahatratra 50 ireo efa namoy ny ainy hatramin’ny omaly raha efatra hetsy ireo tsy manan-kialofana. Tsy latsa-danja amin’izany ny miseho any Guatemala izay efa namoizana ain’olona 48 ihany koa. Tombanana hatrany amin’ny 4 tapitrisa Euro ny fahavoazana naterak’ity tondra-drano ity ho an’i Guatemala manokana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.