Hain-trano : Nitrangana hain-trano indray tany amin’ny Fokontanin’Ampandrana, kaominina ambanivohitra Antsahalandy, Distrikan’i Mandritsara ny faran’ny herinandro teo. Niandoha tamina tokantrano iray ny afo, araka ny vaovao voaray ka niafara tamin’ny fahamaizan’ny trano 15 tafo. Vokany, fianakaviana 54 no tsy manan-kialofana. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.
Tapaka : Ho tapaka amin’ny ampahany ny lalam-pirenena fahadimy mampitohy an’i Maroantsetra sy Toamasina rahampitso alarobia 07 septambra. Noho ny asa fanamboarana maika tsy maintsy hatao amin’ity lalam-pirenena ity no anton’izany, araka ny vaovao voaray. Eo amin’ny PK 72 no toerana voatondro hisian’ny fahatapahana. Tsy mbola fantatra moa izay fotoana voatondro hahavitan’ny asa na haharitra andro iray na hihoatra izany.
Hitohy : Hitohy ny fisamborana ireo olona voarohirohy tao anatin’ilay raharaha andramena nokasaina haondrana tany Malezia tratra tao Toamasina ny alahady teo. Efa nisy ireo tratra araka ny fantatra saingy mbola maro ireo niray tsikombakomba tamin’izany saingy tsy mbola azo.
Folo : Nitombo ho folo indray ny isan’ireo vehivavy namoy ny ainy am-perinasa nandeha niasa tany Liban. Re ny faran’ny herinandro teo mantsy fa namoy ny ainy indray Rasoanambinina izay voalazan’ny mpampiasa azy tany Liban fa namono tena. Tsy dia mino izany anefa ireo fianakaviany, araka ny fantatra. Andrasan’izy ireo, araka izany, ny valin’ny fanadihadiana tontosain’ny Consul any Liban mba hahafantarana izay tena zava-misy marina mikasika ny razana.
Omby 50 : Omby 50 isa no indray ravan’ny dahalo tany amin’ny kaominina sy distrikan’Amboasary Atsimo ny alahady 05 septambra. Andro antoandro no nidiran’ireo dahalo mirongo fiadiana am-polony tao an-tanàna araka ny angom-baovao azo ka tsy nahafahan’ny fokonolona nihetsika. Ora iray taorian’ny nahalasanan’izy ireo vao sahy nanara-dia ny fokonolona saingy efa maty novonoin’ireo mpanao ratsy teny an-dalana ny omby iray. Na izany aza mbola mitohy ihany ny fanarahan-dia nataon’izy ireo saingy tsy mbola nahitam-bokany hatramin’ny omaly.
Mahazo vahana : Mihamahazo vahana hatramin’ny faran’ny herinandro teo ireo mpivarotra akanjo fitondra amin’ny mafana. Anisan’izany ireo karazana ambonin’akanjo vitan’ny orinasa afaka haba ho an’ny lahy sy ny vavy izay miparitaka etsy sy eroa. Na izany aza anefa tsy mbola dia tsara loatra ny tsena, araka ny fanadihadiana natao noho ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra.
Notazonina : Omby vavy manodidina ny 100 isa avy any amin’ny Faritra Bongolava sy Melaky no voatery notazonin’ny Faritra Itasy ny faran’ny herinandro teo mba ho fampiharana ilay didim-panjakana izay mandrara ny famonoana omby vavy latsaky ny folo taona. Ny tanjona moa araka ny fanazavana azo dia ny hiarovana ny omby eto amintsika tsy ho lany taranaka.
Gaboraraka : Tsy ny taxibe ihany no manao ny ataony amin’ny fibahanan-dalana fa na dia ireny fiarabe mpitatitra entana ireny aza. Omaly, ohatra, tamin’iny lalana Anosibe ho any Ilanivato Anosipatrana iny dia nisy fiarabe nitondra saribao nihantsona soa aman-tsara teo amoron-dalana ary nanala ny entana tao anatiny tsy nisy ahiahy. Tery iny lalana iny na dia azo hirosoana sy hiverenana aza. Dia nahitana fitohanana maharitra rehefa fiarabe no nandalo. Ny mpandeha indray no mihafy. Raha ny lalàna anefa dia tsy mahazo miditra mazava ny renivohitra izy ireny.
Ora-nikija : 38 isa be izao no indray namoy ny ainy. Io no vokatr’ilay tany nihotsaka nitranga tany Guatemala ny sabotsy lasa teo, tohin’ilay ora-nikija nitranga tany an-toerana.
Fanafihana : Nitrangana fanafihana namoizana ain’olona 19 tany avaratra andrefan’i Pakistan omaly alatsinainy. Ankizy ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy ireo araka ny vaovao voaray. Nisy ihany koa 40 hafa naratra mafy. Ny paositry ny polisy moa no nokendren’ny mpanafika tamin’izany saingy ireo tsy manan-tsiny no namoy ny ainy tsy fidiny.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.