Aretina tazo moka : Nampahafantarina ireo mponina any amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana ny faran’ny herinandro teo ireo karazam-panafody iadiana amin’ny aretina tazo moka mpahazo ny Reny bevohoka sy ny ankizy. Kaominina 11 no nahazo tombontsoa tamin’izany ankoatra ny fampahafantarana ny fisian’ilay vaksiny hiadiana amin’ny gripa A H1N1.
Fampihorohoroana : Nosavain’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg ny tranon’ny komanda iray, mpiara-miasa akaiky tamin’i Monja Roindefo, fony ity farany Praministry ny FAT. Asa fampihorohoroana tsotra izao no nandraisan’i Monja Roindefo izany, ary izy mihitsy araka no nambarany no kendrena, ka toheriny izany.
Niteny ny rindrina : Nampanantena ny hanamboatra ny lalam-pirenana faha-44 i Andry Rajoelina. 18 volana nitondrana ny FAT izy vao sahy nanitsaka an’Alaotra. Niteny indray anefa ny rindrina satria dia soratsoratra manohitra azy sy ny fitondrany no nameno tamboho nitsena azy tao Ambatondrazaka. Nohararaotin’ny mpitondra any Alaotra moa ny havorian’ny olona hijery rindrankira nataon’ny tarika Rossy sy ny Foaram-paritra nanasana ny filohan’ny FAT tany mba hanehoana fa maro ny olona.
Mirongatra : Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’Amboasary atsimo. Noho ny fisian’ny delestazy no mahatonga izany araka ny vaovao voaray ka mampahazo vahana tanteraka ireo mpanao ratsy. Efa ho 15 andro izao no niainan’ny mponina izany. Tsy mandeha ihany koa ny haino aman-jerim-panjakana any an-toerana noho ny antony tsy fantatra.
Mangataka fanampiana : Mangataka fanampiana amin’ny fitondrana FAT ny any amin’ny Faritra Bongolava mikasika ny firongatry ny asan-dahalo. Be noho vitsy ihany mantsy, hoy ny Lehiben’ny Faritra ny isan’ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana raha oharina amin’ireo dahalo mpangalatr’omby. Hetahetan’izy ireo, araka izany, ny hanampian’ny fitondram-panjakana azy, indrindra amin’izao fiandohan’ny main-tany izao.
Nikaon-doha: Nikaon-doha nanatontosa fivoriana tao Tsiroanomandidy ny faran’ny herinandro teo ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana notarihin’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny. Niompana tamin’ny fanaovana jery todika ny zava-bita sy famaritana tanjona amin’ny ho avy ny fivoriana hahafahana manatsara hatrany ny fomba fiasa.
Foana ny gaboraraka : Foana hatreo ny gaborakaka mikasika ny fivezivezen’ireo fiara vaventy ao an-drenivohitr’i Toamasina. Mihamitombo isa isan’andro mantsy izy ireny any an-toerana, araka ny vaovao, no sady hita etsy sy eroa ka miteraka olana goavana eo amin’ny fifamoivoizana. Nisy ny fivoriana notontosain’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny PDS. Fantatra tamin’izany fa hisy ny fepetra horaisina mikasika ireny fiara vaventy ireny. Tafiditra ao anatin’izany ny famaritana mazava ny ora hidirany sy hivoahany ao an-tanàna. Hasiam-panamboarana ihany koa ny tobim-piantsonana ao Antanandava, hahafahan’izy ireo miaina ara-dalàna.
Fotodrafitrasa : Fotodrafitrasa efatra no indray notokanana tamim-pomba ofisialy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antaretra, distrikan’Ifanadiana ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny biraon’ny Kaominina vaovao mitentim-bidy folo tapitrisa Ariary, ny tsena sy ny paompin-drano fisotro madio ary ny fanitarana ny trano fitsaboana eo anivon’ny CSB II. Vokatry ny fanampian’ny tetikasa ACORDS no angady nananana sy vy nahitana ireto fotodrafitrasa roa farany raha vola fanomezana avy amin’ny fanjakana kosa iry voalohany.
Hain-trano : Nitrangana hain-trano tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitsokina, distrikan’i Fenoarivobe, ny herinandro lasa izay. Tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro no nitrangan’ny loza vokatry ny tandrevaka nataona zazalahy kely roa nahandro mangahazo maina tamina tokantrano iray. Izy roalahy kely ireo irery no tao an-tanàna tamin’io andro io araka ny vaovao voaray. Tsena mantsy ny andro ka samy nanararaotra niantsena avokoa ny lehibe. Vokany, trano 12 isa no kila forehitra izay nitarika olona tsy manan-kialofana 58 mianaka. Ankoatra izay dia lelavola 4 tapitrisa ihany koa no lasa lavenona.
Tsy manan-kialofana : Nitranga horohorontany goavana tany Christchurch any Nouvelle-zélande ny faran’ny herinandro teo. Am-polony ireo olona naratra vokatr’izany raha 200 kosa no tsy manan-kialofana izay saika lasa mipetraka any amin’ny trano fandraisam-bahiny avokoa. Nanomboka omaly alahady ny fizarana sakafo maimaimpoana ho azy ireo, tontosain’ny miaramila.
Iray no maty : Olona iray no namoy ny ainy tany Canada. Io no vokatr’ilay andro ratsy Earl izay namotika zavatra maro tany amin’ny faritra atsinanan’i Canada ny faran’ny herinandro teo. Hazo an’aliny no tapaka araka ny vaovao voaray ankoatra ny fahatapahan-jiro izay mampitaraina ny mponina tokoa.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.