Kely karama : Hifarana amim-pomba ofisialy anio rehefa naharitra hateloana ny kongresin’ny mpitsabo mpanampy tontosaina ao an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana. “Ny fahasalamana no voalohan-karena” no lohahevitra novoaboasana nandritra izany ankoatra ireo dinika samihafa izay miompana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mpitsabo mpanampy. Fantatra nandritra izany fa miasa eny anivon’ny hopitalim-panjakana ny 71 %-n’izy ireo saingy kely karama. Hisy, araka izany, ny fepetra tsy maintsy horaisin’izy ireo hahafahana mifantoka bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka.
Tanora katolika : Hifarana ny alahady ho avy izao rehefa nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly alakamisy ny fihaonamben’ny tanora katolika ao anatin’ny diosezin’Ambositra. Lamesa nentina nisaorana an’Andriamanitra no nisantarana izany omaly izay narahin’ny diabe hotontosain’ireo mpizaika.
Fahasalamam-bahoaka : Tontosa ny alarobia lasa teo tany Sambava ny atrikasa nentina nampahafantarana ireo vokatry ny fanadihadiana mikasika ny fahasalamam-bahoaka andiany fahefatra notanterahin’ny ivotoeram-pirenena momba ny antontanisa na INSTAT tany an-toerana.
Fihetsiketsehana : Olona fito no indray namoy ny ainy nanomboka ny alarobia tany Maputo. Telo tamin’ireo no namoy ny ainy omaly alakamisy vokatry ny fitohizan’ny fihetsiketsehana nataon’ireo olona sahirana ara-pivelomana manohitra amin’ny heriny ny fiakaran’ny vidim-piainana any an-toerana. Sakan-dalana goavana no napetrak’izy ireo teny an-dalana omaly toy ny kodiarana nodorana…Mbola hitohy ny hetsika, araka ny vaovao azo.
Lalana : Mitaraina noho ny haratsian’ny lalam-pirenena fahadimy mampitohy ny distrikan’i Mananara Avaratra sy Toamasina ny mponina any an-toerana. Ankoatra ny fiakaran’ny saran-dalana mantsy dia mahatratra iray andro sy tapany ny mpandeha eny ambony fiara hatrany. Ny tany anefa eo an-daniny tsy milamina noho ny firongatry ny asan-jiolahy.
Fotodrafitrasa : Notokanana tamim-pomba ofisialy omaly alakamisy ny tranon-tsekoly EPP vaovao ao Anafihafy, distrikan’i Sainte Marie. Narahin’ny fizarana fitaovam-pianarana maimaimpoana ho an’ny mpianatra ny hetsika, vokatry ny fifanampian’ny fikambanana Oscar sy ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra.
Alika : Mitombo isa hatrany ireo mpivarotra alika etsy Analakely tato ho ato. Lehilahy avokoa ny ankamaroan’izy ireo izay mivarotra ireo karazan’alika avo razana maro samihafa. Manodidina ny 40.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar ny iray amin’ireo alika araka ny fanadihadiana natao, miankina amin’ny karazany.
Tsy fandriampahalemana : Mandry andriran’antsy ny mponina any amin’ny distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe. Omby fito no indray norobain’ny dahalo valo lahy tany an-toerana ny 23 Aogositra lasa teo. Ny roa tamin’ireo dahalo ireo no tratra araka ny vaovao voaray raha tsy mbola nisy tafaverina kosa ny omby.
100 Ar : Vidiana 100 Ar ny rano iray siny miaty 15 litatra any amin’ny Kaominina ambanivohitra Beravina, distrikan’i Morafenobe. Tato anatin’ny iray volana izao no niainan’ny mponina izany araka ny fantatra noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio. Ankoatra izay dia mitaraina noho ny tsy fahampian’ny efitranon-tsekoly ihany koa ny mpianatra any an-toerana.
Misedra olana : Misedra olana noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto an-drenivohitra. Na dia efa nandalo ny faran’ny volana aza mantsy isika dia mbola maro amin’ireo ray aman-dreny no tonga manemotra ny fotoana hanefany ny sara-pisoratan’anaran’ny zanany ho amin’ity faran’ny volana septambra ity. Mamandrika toerana fotsiny ihany ny ankamaroan’izy ireo hatreto fa tsy mbola nisy nandoa vola. Sahiran-tsaina noho izany ireo talen-tsekoly.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.