Fotodrafitrasa : Tranon-tsekoly roa be izao no indray notokanana tamim-pomba ofisialy tany amin’ny Fokontanin’Antanetilava, Kaominina sy distrikan’i Soanierana Ivongo ny faran’ny herinandro teo. Angady nananana sy vy nahitana izany ny Care International ho fitsinjovana ireo ankizy madinika. Sekoly ambaratonga fototra avokoa ireto vao naorina ireto.
Nihetsika : Nanao fihetsiketsehana nanoloana ny biraon’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra tao Mahajanga ny Ankolafy Telo ny alatsinainy 30 aogositra teo. Nitohy tao Ambovoalanana izany ny talata 31 aogositra, nanoheran’izy ireo izao fitondrana FAT izao. Araka ny fantatra dia nilamina ny fihetsiketsehana na dia nihantsy azy ireo aza ny TCR, andiana mabôto mahery fihetsika ao an-tanàna.
Nanisana : Hazo roa lehibe ankavia sy ankavanan’ny arabe fandehanan’ny fiara eny Nanisana no niara-notapahina omaly. Noho ny fahanteran’ireto hazo ireto izay ahiana hitera-doza amin’ny mpandalo sy ny fiara no anton’ny nanapahana azy araka ny fanadihadiana natao.
Pavillon Analakely : Tsy miala mihitsy ireo polisin’ny tsena tonga miambina ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna eny amin’ny pavillon Analakely hatramin’ny alatsinainy lasa teo. Marobe vokatr’izany ireo mpivarotra tsy afa-mivarotra, indrindra ireo mibata sobika mivezivezy etsy sy eroa.
CEG : Raikitra ny asa fanamboarana sekoly ambaratonga faharoa na CEG any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambatomainty Atsimo, distrikan’i Fenoarivobe, Faritra Bongolava. Tafatsangana soa aman-tsara any an-toerana mantsy ny fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra izay handray an-tanana izany. Nanomboka omaly ny fiadiana fototra ny trano. Na izany aza anefa mbola olana ny fitaovana hampiasaina sy ny mpampianatra handray an-tanana ny mpianatra eo anivon’ity CEG vaovao ity koa hanaovan’izy ireo antso avo.
Lalao baolina kitra : Raikitra ny «Tournoi Firaisankina» amin’ny taranja baolina kitra any amin’ny distrikan’i Mandoto. Kaominina valo mandrafitra ity distrika ity, ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra no hifaninana amin’izany izay hanomboka ny alahady ho avy io.
Fahasalamana : Hohatsaraina ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny Faritra SAVA. Tontosa omaly tao Sambava renivohitry ny Faritra ny fivoriana notontosain’ireo Ben’ny tanàna mikasika izany. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny momba ireo Kaominina tsy mbola manana tobim-pitsaboana. Tao ihany koa ireo manana ihany saingy tsy misy mpitsabo.
Traikefa : Tonga nifanakalo traikefa tao Ambilobe, Faritra DIANA omaly ireo Kaominina mivondrona eo anivon’ny OPCI Volamena sy ny ACA (Association de la Commune d’Ankarana). Niompana tamin’ny fanatsarana ny fitantanana ny Kaominina tsirairay ny resaka nifanaovan’ny roa tonta izay nandraisan’ireo Ben’ny tanàna isan-tsokajiny anjara.
Foara : Nosokafana omaly alarobia ary haharitra hadimiana ilay foaram-paritra Lapabe andiany faharoa tontosaina ao Ambatondrazaka renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro. Toerana 11 no handraisana ireo tranoheva an-jatony any an-toerana izay marihina fa samy manana ny hanitra ho azy avokoa. Ny sabotsy ho avy izao no hosokafana amim-pomba ofisialy ny tsena.
Hain-trano : Nitrangana hain-trano tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambatomainty atsimo, distrikan’i Fenoarivobe, Faritra Bongolava ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin’ny 8 ora alina no nitrangan’izany. Tsy nahita ny fahamaizan’ny tranony ny tompon-trano fa ny olona tany ivelany no tonga nanaitra azy ireo. Na izany aza tsy avotra intsony ny vary akotry milanja iray taonina sy ny kojakoja maro samihafa niaraka taminy. Tsy fantatra mazava izay niavian’ny afo.
Tsy manan-kialofana : Tafakatra enina alina ankehitriny ireo olona tsy manan-kialofana vokatry ny tondra-drano niseho tany Soudan raha valo tapitrisa kosa ireo tandindomin’ny hanoanana. Manao antso amin’ny rehetra noho izany ny mponina any an-toerana mba hifanome tanana aminy. Roapolo taona niainana tao anaty ady mantsy ity firenena ity saingy mbola izao tratry ny tondra-drano izao indray.
55 isa : Olon-tsotra sy sivily 55 isa no indray namoy ny ainy tany avaratra andrefan’i Pakistan ny talata teo. Vokatry ny zera baomba nataon’ireo mpioko Talibans no nahatonga izany. Omaly alarobia vao fantatra ny isan’ny maty, taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo tomponandraikitra any an-toerana.
Soavina : Nivaha ny olan’ny lalana izay nahazo ny mponina miisa 52 000 teny Soavina Atsimondrano. Nosokafana ny talata 31 aogositra maraina ihany izy io rehefa nahazo ny taratasy fankatoavana avy amin’ny tonian’ny mpampanoa lalàna ambony, hoy ny ben’ny tanàna eny an-toerana. Araka ny ny filazany ihany dia tsy azo totofana fahatany ny lalana raha tsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny tanàna.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.