Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 01 Septambra 2010


Hain-trano : May ny 31 Aogositra 2010 vao mangiran-dratsay, tamin’ny roa ora maraina, hotely Mercure Rouge ao Ampasika, Mahajanga I. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fahamaizana. Efa ela vao tonga ny mpamonjy hain-trano ka potika sy kila tsy nisy azo noraisina ilay izy. Tsy nisy aina nafoy na naratra. Ny Polisy ao Mahajanga no manao ny fanadihadiana. 

Dokany Karana : Mampitaraina ny mponina sy ireo manan-draharaha ao amin’ny fitsarana ny Tribonaly ambaratonga voalohany ao Antsiranana. Manjaka loatra ny vola, ka matetika ny olona manana ny rariny indray no iharan’ny sazy. Na ny mpisolovava aza sahirana manoloana izany. Lasa “Dokany Karana” ny fitsarana, izay indray izao no maresaka ao an-drenivohitr’i DIANA ao.
 
Hisaorana : Araka ny loharanom-baovao dia mikasa hanala mpanolotsaina maromaro ny fiadidiana ny FAT. Ireo mpanao serasera no hovoakasik’izany. Tsy fantatra izay anton’ity karazana fisaorana ity fa ny loharanom-baovao hafa no milaza fa noho ny tsy fisian’ny vola no mahatonga izany. Ho hita eo moa ny tohin’izany.
 
Hain-trano : Trano sivy tafo no indray kilan’ny afo tany amin’ny Fokontanin’i Tsiangaloka, kaominina ambanivohitra Ambilobe ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 10 ora antoandro. Doro tanety no nahatonga ny loza izay. Ora dimy teo ho eo vao voafehy ny afo araka ny vaovao voaray.
 
Tandrevaka : Nitrangana hain-trano ihany koa tany Bemangoraka, distrikan’i Fenoarivobe, Faritra Bongolava ny alatsinainy teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro no nitrangan’izany vokatry ny tandrevaka nataona ankizy nahandro sakafo tamina tokantrano iray. Vokany, trano 14 tafo no kila forehitra izay marihina fa mbola tafo jiafotsy avokoa. Lelavola 4 tapitrisa Ar no lasa lavenona ankoatra ireo karazam-pitafiana sy kojakojan-tokantrano maro samihafa.
 
Fampitaovana : Fampitaovana maro toy ny latabatra fampiasana ao amin’ny birao sy lalimoara iray avy niampy latabatra tsotra sy dabilio 11 isanisany no natolotry ny GAMISO na Gasy Miray Soa monina any ivelany ny Akanin-jaza Tafita ao Vavatenina ny alatsinainy teo. Mitentim-bidy efatra hetsy sy roa tapitrisa ariary ireo fitaovana ireo ho fanohanana ireo zaza beazina ao amin’ity Akany ity.
 
Mirongatra : Mirongatra ny halatr’omby any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampararano, distrikan’i Fenoarivobe. Omby 53 isa no navoakan’ny dahalo an-tsokosoko tao am-pahitra ny alarobia alina teo. Raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona taorian’izany saingy mbola vao omby 14 isa no tafaverina amin’ny tompony hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao.
 
Tsena vaovao : Rahampitso alakamisy no hosokafana amim-pomba ofisialy ny tsenam-bokatra ao amin’ny Fokontanin’Ambalantany, distrikan’i Bealanana. Tsena vaovao entina hampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha manerana ireo kaominina 18 isa manodidina izy io araka ny angom-baovao azo. Ho avy hanokatra izany ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana.
 
Kara-tany : Kara-tany 48 isa no indray nozaraina tamin’ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny distrikan’i Mahanoro ny alatsinainy teo. Hitohy amin’ny dinikasa hiarahana amin’ny lehiben’ny distrika manomboka anio ny fanatsarana ny fiainana ara-tsosialin’ireo mponina any an-toerana. Anisan’ny hodinihina mandritra izany ny resaka fandriampahalemana izay hotanterahina ao Ambodibonara.
 
Nahafa-po : Nahafa-po raha oharina tamin’ny taon-dasa ny voka-panadinana BEP (Brevet d’étude professionnelle) tany amin’ny distrikan’i Marovoay, Faritra Boeny. 42 tamin’ireo mpiadina 45 tonga niatrika izany no afaka soa aman-tsara izay manome salan’isa 99,3%.
 
Omby 40 isa : Omby 40 isa no indray lasan’ny dahalo ny alatsinainy teo tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Tsiazohana, distrikan’Ambatomainty. Andro alina no nisehoan’ny fanafihana izay mampitaraina ireo mponina any an-toerana fatratra.
 
Miaramila : Miaramila frantsay iray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy omaly talata tany Afghanistan. Afak’omaly alatsinainy no nitrangan’ny loza tao atsinanan’ny renivohitr’i Kaboul araka ny vaovao voaray. Ankoatra ity namoy ny ainy ity dia miaramila roa hafa ihany koa no naratra mafy ary mbola tsaboina eo anivon’ny tobim-pitsaboana iray any an-toerana.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT