Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 31 Aogositra 2010


Hitohy : Nanohy ny fivoriany teny Vontovorona ireo mpanao politika ao amin’ny Sehatra Ifanakalozan’ny antoko politika (Escopol). Tsy nisy ny zavatra tapaka, fa milaza ny hanome fe-potoana hiandrasana ny Ankolafy Telo hanohy ny dinika miaraka izy ireo. Tetsy ankilany dia nivory niaraka koa ny CNOSC sy ny iraky ny mpanelanelana iraisam-pirenena, taorian’ny tatitra nataon’izy ireo nanoloana mpanao politikan’ny Escopol no nilazana fa afaka herinandro ny fampihaonana indray ireo mpanao politika avy amin’ny firehana samihafa. Fanapahan-kevitra izay tsy nahafaly ny Escopol. 

Fotodrafitrasa : Notokanana tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny ivotoeram-pihainoana sy fanoroan-kevitra momba ny fiahiana ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina any amin’ny distrikan’i Moramanga. 76 isa ny fitarainana efa voarain’ity ivotoerana ity hatramin’ny volana Aprily no ho mankaty ka ny vono mahazo ireo renim-pianakaviana sy ny tsy fanomezan’ny raim-pianakaviana sakafo ho an’ny vady aman-janany ny ankamaroan’izany. Marihina fa ny tsy hitaran’ny olana mahazo ny mponina mankeny anivon’ny fitsarana no antony nananganana ity ivotoerana ity any an-toerana.
 
Nadio : Nadio tanteraka ny teny amin’ny pavillon Analakely teny omaly maraina raha feno mpivarotramila tsy ho azo diavin-tongotra isan’andro. Vao maraina mantsy dia efa tonga nirodorodo teny an-toerana ireo polisin’ny tsena 30 lahy izay niparitaka tamina toerana maromaro. Nanisaka ireo mpivarotra hiditra anaty tsena ny sasany raha nanala ireo tena tsy ara-dalàna ny hafa. Tsy afa-nikofoka ny ankamaroan’ny mpivarotra noho izany.
 
Sport scolaire : Omaly alatsinainy no nosokafana tamim-pomba ofisialy tany amin’ny distrikan’Antsohihy ilay fifaninanam-pirenena an-tsekoly taona 2010 handraisan’ireo faritra 22 anjara.
 
Varahina : Tazonina eny amin’ny zandarmaria eny Ivato hatramin’ny omaly ilay kaontenera iray misy varahina milanja 17,5t avy any Toliara nokasaina haondrana any ivelany. Mpandraharaha tsotra no tompony ary manana fahazoan-dalana hahafahany manondrana izany. Tsy afa-mihetsika anefa ny entana ankehitriny. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ry zareo eo anivon’ny ministeran’ny mponina izay nanantitrantitra fa misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra Androka, toeram-pitrandrahana ireto varahina ireto ny fisian’izao sakana izao. Saika mivelona amin’izany avokoa mantsy ny 80 %-n’ireo mpanjono any an-toerana.
 
Fandriampahalemana : Hojerena akaiky ny fandriampahalemana any amin’ny faritra DIANA. Fantatra izany nandritra ny dinidinika nifanaovan’ny ministry ny fifandraisana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fanazavana nentiny mikasika ireo haino aman-jery tsy ara-dalàna eto amintsika ka nampitandremany ireo izay voakasika ao anatin’izany.
 
Tsisy tsena : Mitaraina noho ny tsy fisian’ny tsena ireo mpivarotra maro isan-tsokajiny eto an-drenivohitra. Voakasik’izany manokana ireo mpivarotra akanjo efa voazaitra eny Andravoahangy. Zara raha mahalafo akanjo folo ny mpivarotra iray ao anatin’ny andro iray raha mahatratra 90 isa izany teo aloha. Tao anatin’ny telo volana izao no nampamaisatra ny tsena, araka ny fanadihadiana natao ihany.
 
Nivavaka : Nanokana fotoana nitondrana am-bavaka ireo mpitrandraka arintany 33 lahy tafahitsoka any ambanin’ny tany any Chili ny Papa Benoit XVI afak’omaly alahady 29 Aogositra. Nisy ny hafatra nampitainy ho an’ny fianakavian’izy 33 lahy nandritra izany mba hananan’izy ireo fahatoniana lalandava ary hazoto hivavaka. Marihina fa nanomboka omaly alatsinainy ny fandavahana lalana vaovao hahafahana manavotra azy 33 lahy ireto. Toraka izany koa ny fanomezana sakafo ara-dalàna azy raha fitaizana vavony fotsiny teo aloha.
 
Olona 5 : Olona dimy no indray namoy ny ainy, 1.600 isa no tsy manan-kialofana. Io no vokatr’ilay fihotsahan’ny havoana feno vato nateraky ny ora-nikija nitranga tany Honduras afak’omaly alahady 29 Aogositra. Ankoatra ireo dia olona folo ihany koa no fantatra fa naratra mafy.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT