Hitohy anio : Hitohy anio alatsinainy 30 Aogositra eny Vontovorona indray rehefa nandamoka ilay dinika hiarahan’ny CNOSC amin’ireo antoko politika eto Madagasikara, hitadiavam-bahaolana hamahana ny krizy. Toa zary fakan-drivotra fotsiny no niafaran’ny dinika notontosaina teny an-toerana tany an-toerana ny zoma lasa teo noho ny tsy fisian’ny zavatra tapaka. Dia hiaraha-mahita eto indray izay mety ho tohiny.
Folo taona : Mankalaza ny fahafolo taona niorenany ny Radio Feon’i Boriziny any Boriziny vaovao na ny RFB. Fampisehoana goavana hiarahana amin’ny tarika Jerry Marcoss no hanamarihana izany ny 05 Septambra ho avy io. Anisan’ny nahalalana ity radio ity ny ezaka vitany teo amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana.
Mafana : Mafana ny fanomanana ilay hetsika “Vakansy midôla” karakarain’ny fikambanan’ireo mpandraharaha any amin’ny distrikan’i Vatomandry. Ny 03 Septambra ho avy izao no hosokafana amim-pomba ofisialy any an-toerana ny hetsika haharitra hateloana. Tanjona amin’izy ity ny mba hahafahana mandray araka ny tokony ho izy ireo mpiala sasatra entina hampandrosoana sy hampiroboroboana ny zotram-pitaterana mihazo an’i Vatomandry. Hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro no handravaka ny lanonana.
Afa-po : Afa-po ireo nandray anjara tamin’ilay “Festival Tsôlabe” notanterahina tany amin’ny distrikan’i Sainte-Marie izay nifarana omaly alahady 29 aogositra. Hateloana no naharetan’izany nentina nanehoana ireo fomba amam-panao mampiavaka ity distrika ity.
Mitombo isa : Mitombo isa hatrany ireo fiangonana zandriny miorina eto an-drenivohitra tato ho ato. Saika maka ny fombafomba Protestanta ny ankamaroan’izy ireny, manentana sy mampianatra ireo mpino Kristianina hifantoka bebe kokoa amin’Andriamanitra, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao. Vavaka niompana tamin’izay no notontosaina tetsy amin’ny kianja malalaka hihazo an’Anosipatrana omaly alahady maraina.
Mamonjy fodiana : Efa saika mitodi-doha mamonjy fodiana ny ankamaroan’ireo olona tonga niala sasatra tao Mahajanga renivohitr’i Boeny. Na izany aza mbola misy ihany ireo tonga saingy tsy be dia be toy ny teo aloha. Tsy maharaka ireo fiara mitondra mpandeha miakatra noho izany raha zara raha mahafeno kosa ireo midina.
Manahy : Manahy ny amin’ny mety hahapotehan’ireo lalana mampitohy ireo Kaominina maro ao aminy ny mponina amin’ny distrikan’i Mahanoro. Manoran-dava mantsy ny any an-toerana tato ho ato ary maharitra tontolo andro mihitsy indraindray. Ankoatra izay dia tsy afaka manao ny asa ihany koa ireo mpanjono am-polony maro izay marihina fa mamelom-bady aman-janaka avokoa.
Tondra-drano : Miakatra hatrany ny rano any Inde vokatry ny fihotsahan’ny tany any Bengladesh. An-jatony ireo voatery nifindra monina vokatr’izany izay mbola misedra olana ihany koa. Telo andro monja izy ireo hatramin’ny nifindrany no nisy namatsy sakafo. Tsy nisy hita intsony ireo mpanome taorian’izany ka mampitaraina azy ireo.
Mbola izay ihany no malaza : Miaina ao anatin’ny tondra-drano ihany koa ny any Pakistan efa ho herinandro izao. Ireo mponina monina ao amin’ny faritra atsimon’ity firenena ity no tena lasibatra araka ny vaovao azo. An’arivony sahady no tsy manan-kialofana vokatr’izany. Tsy vitsy ireo marary noho ny hatsiaka araka ny vaovao azo ankoatra ireo reraky ny tsy fahitana sakafo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.