Hitatra : Hitatra amin’ny fampifandraisana ny distrikan’i Maroantsetra amin’i Manandriana manomboka amin’io herinandro ho avy io ilay sidina ana habakabaka mampitohy ity distrika ity amin’Antalaha sy Mananara Avaratra ary Toamasina. Indray mandeha isan-kerinandro ihany aloha no hisian’izany ety am-piandohana araka ny vaovao voaray raha in-droa isan-kerinandro toy ny mahazatra ny an’ireto farany.
Lampogna : Maresaka ilay Festival Lampogna andiany fahatelo tontosaina any amin’ny distrikan’Antsohihy. Afak’omaly alakamisy izy io no nosokafana tamim-pomba ofisialy tany an-toerana, haharitra hadimiana. Tomponandraiki-panjakana maro no tonga nanokatra sy nanome voninahitra ny lanonana.
Fotodrafitrasa : Nahazo birao fiasana vaovao ny solontenan’ny filazam-baovao any amin’ny distrikan’Andramasina. Trano simba nohavaozina izy io, mirefy 9 amin’ny 6 metatra. Tonga nitokana izany tany an-toerana ny talem-paritry ny Ministeran’ny fifandraisana notronin’ny Ben’ny tanàna any an-toerana izay nanome toky fa vonona hiara-hiasa amin’ny rehetra, indrindra amin’ny fampielezana ny vaovao.
Hitohy : Hitohy any Soavinandriana Itasy ny alatsinainy 30 Aogositra ny fizahana maso maimaimpoana tontosain’ireo mpitsabo eo anivon’ny tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao. Tao Miarinarivo raha tsiahivina no nisantaran’ireto farany ny hetsika ny fiandohan’ny herinandro teo. Olona 29 mianadahy mianaka no nodidiana katarakta nandritra izany, izay marihina fa maimaimpoana avokoa.
Miomana : Miomana fatratra amin’ilay tsenabe Lapabe II hotontosaina manomboka ny alarobia fiandohan’ny septambra ho avy io ny ao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro. Enina andro be izao no faharetan’izany, hafanain’ireo tarika fanta-daza toa an’i Rossy.
Fialantsasatra : Iray amin’ny ankizy mpianatra telo no tsy nandeha niala sasatra na nanao vakansy tamin’ity taona ity tany La Frantsa. Noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano no mahatonga izany araka ny angom-baovao azo. Voakasik’izany manokana ireo ankizy mipetraka amin-drainy irery na amin-dreniny irery ankoatra ireo kamboty sy tsy manam-piahy.
Miparitaka : Miparitaka ny menaka tsy voadio any amin’ny distrikan’i Maevatanana. Fantatra izany nandritra ny fidinana ifotony notontosan’ireo tomponandraikitry ny varotra tany an-toerana ny alakamisy teo. Menaka tena izy araka ny vaovao azo no hafangaron’ireo mpivarotra amin’ny menaka tsy mbola voadio. Ahiana mafy noho izany ny fahasalaman’ny mponina. Marihina fa efa nisy ny fandorana ireo menaka tsy ara-pahasalamana ireo.
Tsy mangina akory : Tsy nangina tanteraka araka ny niheveran’ny sasany azy akory ny fangatahan’ny mponina ao anatin’ny kaominina Ivato Firaisana ny amin’ny tokony hametrahana filohan’ny delegasiona manokana (PDS) hitantana ity kaominina ity. Io no nambaran’ny dokotera Mamy, Ben’ny tanàna teo aloha raha nitondra fanazavana fohy mikasika izay mety ho tohin’ny raharaha ny tenany.
Mirongatra : Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe. Tokantrano maro no lasibatra nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo izay samy nitaraina ho very omby avokoa. Ankoatra izay dia manjaka ihany koa ny hala-botry sy ny vaky trano.
Manakara : Napetraka tamin’ny toerany ny alakamisy teo ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Manakara. Tany Tolagnaro no niasa ity filohan’ny fitsarana ity talohan’ny nanendrena azy hiasa ao Manakara. Lanonana niarahana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana no namaranana ny lanonana.
Mitombo isa : Mitombo isa isan’andro ireo mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra. Vehivavy mitaiza kely ny ankamaroan’izy ireny ankoatra ireo efa Reniben-jaza. Eo an-daniny anefa mitohy hatrany ny ezaky ny kaominina Antananarivo renivohitra entina hanafoanana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna. Hetahetan’izy ireo, araka izany, ny hanomezana toerana azy ara-dalàna mba hahafahany mivelona toy ny olon-drehetra.
Naratra mafy : Grenady iray no nipoaka tao afovoan’i Bangkok, ny alakamisy hifoha zoma tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Nanakaiky ilay hotely lehibe iray sy toeram-pivarotana iray ao an-toerana no nitrangan’izany ka naharatrana olona iray. Mpiambina io naratra mafy io ary mbola manaraka fitsaboana sahaza azy eny anivon’ny tobim-pitsaboana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.