Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 25 Aogositra 2010


Fiofanana : Tontosa ny 20 sy ny 21 Aogositra lasa teo ny fiofanana natrehin’ireo komitin’ny tetikasa ao kaominina sy distrikan’Ambilobe, miara-miasa amin’ny FID Antsiranana. Fiofanana izay niompana tamin’ny fitantanana ireo tetikasa mifanaraka amin’ny filan’ny mponina eny ifotony manerana ireo Fokontany efatra efa miara-miasa amin’ny FID. 

Fifanakalozana : Misokatra amin’ny fampivelarana ny tsena anatiny ny any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Anisan’ny efa miara-miasa amin’ity distrika ity, ohatra, ny Faritra Bongolava, Itasy ary Vakinankaratra. Paikady hampiasain’izy ireo ny fanaparitahana ny vokatra lodisia eto an-toerana hatakalo vokatra hafa.
 
Fiompiana : Hohatsaraina ny sehatry ny fiompiana akoho gasy any amin’ny distrikan’Ambositra, Faritra Amoron’i Mania. Hanohana akaiky ny SAHA Betsileo amin’ny fanatontosana izany ny FRDA izay namatsy vola 10 tapitrisa Ar ho enti-mividy ny milina hanodinana ny sakafom-biby.
 
Sarona : Mpanao sinto-mahery iray saika hanendaka Renim-pianakaviana maromaro avy nivarotra no saron’ny mpitandro ny filaminana teo am-panaovana ny asa ratsiny tao amin’ny Fokontanin’i Maheloka, distrikan’i Mahabo afak’omaly alatsinainy. Tokony ho tamin’ny 06 ora hariva no nisehoan’izany.
 
Fiofanana : Tonga mampiofana ireo mpanazatra amin’ny lalao baolina kitra efa niasa nandritra ny 33 ka hatramin’ny 36 taona any Sainte-Marie ilay manampahaizana Alemana iray efa za-draharaha amin’ity lalao ara-panatanjahantena ity, tarihin’ny ligim-paritry ny baolina kitraany an-toerana. Fitsidihana ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana no nisantaran’ity manampahaizana vahiny ity ny diany ny alatsinainy lasa teo.
 
Zon’ny ankizy : Tontosa ao an-drenivohitr’i Boeny hatramin’ny omaly talata ny fiofanana mikasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy hatrehin’ireo tambajotra miaro ny ankizy any amin’ity faritra ity sy ny fiarahamonim-pirenena. Tompo-marika amin’izany ny UNICEF sy ny talem-paritry ny Ministeran’ny mponina izay nanantitrantitra fa efa lasa lavitra ny Faritra Boeny raha ny fiarovana ny zon’ny ankizy no asian-teny. Tambazotra 24 mantsy hatramin’izao no efa voatsangana ka ny 12 amin’ireo dia ao amin’ny distrikan’i Marovoay avokoa. Hisy ny fandrafetana paikady hoenti-manatsara ny fomba fiasa, aorian’izao fiofanana izao.
 
Hojerena akaiky : Hijery akaiky ilay raharaha mikasika ny fahamaizan’ny bazariben’i Toamasina afak’omaly alatsinainy ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana sy ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga any an-toerana. Sotasota ihany mantsy no nandoroana ity tsena ity araka ny fahitan’izy ireo azy fa tsy kisendrasendra akory. Hisy, araka izany, ny fikarohana izay nahavanon-doza mba ho fantatry ny rehetra.
 
Finoana : Ny alahady 29 Aogositra ho avy io no hotokanana amim-pomba ofisialy ny fiangonana Fjkm ao Marolongo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana rehefa avy nasiam-panamboarana. Vokatry ny herim-pon’ny mpino madiodio no nanatontosana ny asa, taorian’ny faharavan’ny tranon’Andriamanitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza.
 
JMJ : Ny 01 Septambra ho avy io no hotontosaina any amin’ny distrikan’Ambilobe ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora katolika. Tanora 3.000 isa avy ao amin’ny diosezin’Antsiranana no ho avy hanatrika izany, araka ny fanazavana azo.
 
Fitsaboana : Nahatsikaiky ny rehetra ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpitsabo eo anivon’ilay tobim-pitsaboana iray any Frantsa ny alatsinainy lasa teo. Noraisin’izy ireo an-tanana mantsy ny fandidiana ny tongotr’ilay rajako vavy tapaka nianjera avy eny ambony hazo, tao amin’ny valanjavaboary nametrahana azy raha olona no tokony hodidiana. Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fitsaboana araka ny fantatra. Valo taona ity rajako vavy ity ary milanja 70 kg.
 
Lavareny : Manao lavareny ny loza voajanahary mianjady amin’ireo firenena maro any ivelany tato ho ato. Anisan’izany ny hain-tany, ny tondra-drano…izay hahafatesana olona maro hatrany. Maro amin’ireo mpino any an-toerana no mahatsapa noho izany fa tokony efa hitodi-doha amin’Andriamanitra avokoa ny rehetra, indrindra ireo mpino Kristianina. Mazava mantsy ny dikan’ireny loza voajanahary ireny ho azy ireo dia ny fanakaikezan’ny fara andro izany.
 
Fitsarana Baka : Nihemotra ny fitsarana ny fanadinana baka raha tokony hanomboka omaly talata. Ny antony , araka ny filazan’ny solontenana’ny mpitsara izay nanontaniana dia noho ny fitakiana fampakarana ny tambin-karaman’izy ireo izay tsy nisy fisondrotany efa ho dimy taona izay.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT