Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Talata 24 Aogositra 2010


Am-polony no maty : Omby am-polony no romotra ka namoy ny ainy tsy fidiny tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe nyherinandro lasa teo. Fokontany telo no lasibatra tamin’izany, araka ny vaovao voaray, dia ny Fokontanin’Andranomirary, Ankotraka ary Ambatomitsangana. Vokatry ny fisian’ireo alika romotra mirenireny any amin’ireo fokontany ireo ka manaikitra ny omby no mahatonga izany. 

Tambin-karama : Amin’ity herinandro ity araka ny angom-baovao azo no handray ny tambin-karamany ireo sefo fokontany tsy mbola nahazo izany any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra.
 
Vaksiny : Ny 30 aogositra ka hatramin’ny 30 septambra ho avy io no hotontosaina any amin’ny Faritra Menabe ny fanaovam-baksiny maimaimpoana hoenti-miady amin’ny gripa A natokana ho an’ireo mponina any an-toerana. Hisy dingana roa miavaka mandritra izany. Ny dingana voalohany natokana ho an’ireo Reny mitondra vohoka sy mitaiza kely raha ho an’ireo efa zokiolona sy ireo zaza enim-bolana ka hatramin’ny enin-taona kosa ny dingana faharoa.
 
Fotodrafitrasa : Nahazo CEG manara-penitra ny kaominina ambanivohitra Manjato, distrikan’i Soanierana Ivongo. Ny sabotsy lasa teo no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasamisy efitrano telo miaraka amin’ny trano fidiovana ho an’ny lahy sy ny vavy. Ny UNICEF no namatsy vola ny asa.
 
Lay misy ody : Ny 04 oktobra ho avy io no hotanterahina any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny fizarana lay misy ody moka maimaimpoana ho an’ny mponina. Efa mandeha ny fanisana ny isan-tokantrano amin’izao fotoana hahafahana mamaritra ny isan’ny lay hozaraina.
 
Fiofanana : Miatrika fiofanana momba ny fitantanam-bola ireo sekretera mpitantam-bola sy mpitahiry vola eny anivon’ireo Kaominina tsy mbola nahazo ny FDL, any amin’ny Faritra Itasy. Ao Analavory Antanikatsaka no hanatontosana izany mandritra ny hadimiana izay hofaranana amin’ny fitsapam-pahaizana.
 
Aretina diabeta : Nahazo fotodrafitrasa manokana entina hitsaboana ny aretina diabeta ny any amin’ny distrikan’i Nosy-Be. Ny sabotsy lasa teo no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny fiaraha-miasan’olona mpivady tsara sitrapo iray sy ny AMADIA.
 
Vovonam-pirenen’ny tanora : Naneho ny heviny mikasika ny famahana ny krizy politika misy eto amintsika ny Vovonam-pirenen’ny tanora. Nambaran’ny filohany fa tokony hifanatona sy hiara-hidinika ny rehetra mba hahafahana miroso haingana any amin’ny Repoblika fahefatra.
 
Naato : Naato ny fandefasana mpiasa Malagasy hila ravinahitra any Liban. Tsy mahazo alalana hiverina intsony any an-toerana ihany koa izay rehetra tonga eto an-tanindrazana. Fanapahan-kevitra noraisin’ny Ministeran’ny asa sy ny lalàna sosialy io nanomboka ny alahady 22 aogositra lasa teo. Marihina fa 440 isa ny fangatahan’ireo fianakaviana manan-kavana miasa any Liban voarain’ny SPDTS amin’izao fotoana izao.
 
Mibata : Mitaraina noho ny afitsok’ireo mpanendaka eo amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-be 133 eo Analakely ireo mpiandry taxi-be eo amin’ity toerana ity isan-kariva. Raha vao dila ny amin’ny 6 ora sy sasany hariva dia efa sahy mibata olona mihitsy ireo mpanendaka eto amin’ity toerana ity ka ny sasany maka ny kiraro sy ny poketra, ohatra, raha manendaka blouson kosa ny hafa.
 
Velon’aina : Mbola velon’aina hatramin’izao ireo mpiasa 33 lahy tafahitsoka any amin’ny 700 metatra ambanin’ny tany any avaratr’i Chili. 17 andro izy ireo no tany ambanin’ny tany saingy tsy mbola misy ahiana ny ainy. Tamin’ny alalan’ny fampidinana fitaovana fakan-tsary tany ambanin’ny tany no nahitana azy ireo izay marihina fa hanampy betsaka ny mpamonjy voina hanavotra ny ain’izy ireo.
 
Takalon’aina : Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana ilay polisy voaroaka naka takalon’ainatao an-drenivohitr’i Philippines, andro vitsivitsy lasa izay. Olona 30 no lasibatra vokatr’izany. Fito monja tamin’ireo anefa nonavotsony, nahitanaankizy telo mianadahy.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT