Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010


Delestazy : Tsy ny jiro ihany no tapaka teny Ambohimanandray Ambohimanarina teny nandritra ny delestazy fa hatramin’ny rano koa. Tamin’ny dimy tolakandro dia efa tapaka ny rano, nialoha lalana ny delestazy. Niverina ihany ny jiro fa ny rano mbola tankina. Gaga ihany ny mpanjifa satria ny jiro no nampiomanina azy ireo fa tsy ny rano 

Festival-n’ny divay : Tany Ambalavao omaly alahady no nanohizana ilay festival-n’ny divay nosokafana tamim-pomba ofisialy tao Fianarantsoa ny sabotsy. Hetsika iray nentina nanehoana sy nampahafantarana ny vokatra divain’ny Faritra Matsiatra Ambony. Tonga nanotrona izany ny Praiministry ny FAT, Camille Vital mivady.
 
Mari-pankasitrahana : Fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpikambana mavitrika, narahin’ny famatsiana solosaina feno sy tena raitra hampiasain’ny mpiasa. Nivoitra ireo nandritra ny fanokanana tamim-pomba ofisialy ny OTIV Tsy Manavaka II tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny sabotsy teo.
 
Fihaonambem-pirenena : Somary misalasala ihany ny Pastera Nestor Razafindramanitra raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny fahatanterahan’ilay fihaonambem-pirenena hotontosaina amin’ny faran’ity volana aogositra ity. Nambarany fa ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena no tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Na izany aza anefa, hoy izy miainga amin’ny fandravonana ireo Dinika Santatra notontosaina isam-paritra izany ankoatra ny fandaminana rehetra tsy maintsy mbola hotontosaina.
 
Festival Lampogna : Ny 20 ka hatramin’ny 29 Aogositra ho avy io no hanatontosana ilay Festival Lampogna 2010 any amin’ny distrikan’Antsohihy. Handray anjara mavitrika amin’izany ny Lycée Philbert Tsiranana entina hanasongadinana ilay Rain’ny fahaleovantena. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo karazana kolontsaina rehetra misy eto Madagasikara mandritra izany.
 
Fahadiovana sy fidiovana : Voavaha ny olana ateraky ny tsy fisian-drano fisotro madio sy ny tsy fananana trano fidiovana iainan’ny mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra Anivorano Atsinanana, distrikan’i Brickaville. Tonga mamatsy vola ireo tetikasa ireo any an-toerana ny USAID, ny CARE International ary ny CRS ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka. Ny SAF FJKM ao Moramanga no manara-maso izany, mandritra ny dimy taona katroka.
 
Doro tanety : Handray fepetra amin’izay mety ho firongatry ny doro tanety mandritra ny main-tany ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany any amin’ny distrikan’i Brickaville. Efa mandeha ny fanaraha-maso sy ny fanentanana isam-pokontany amin’izao fotoana ho fiarovana ny tontolo iainana.
 
Sahirana : Mikaikaika noho ny fidangan’ny vidin’entana fampiasa andavanandro avokoa na ny PPN ny isan-tokantrano tato ho ato. Saika nahitana fiakarany avokoa mantsy izany, indrindra fa ny menaka sy ny fotsimbary. Toraka izany koa ny labozia. Raha 200 Ar no vidiny androany dia lasa 250 Ar rahampitso.
 
Amin’ny toerany : Sefo fokontany 12 isa no napetraka tamin’ny toerany tany amin’ny kaominina sy distrikan’i Vavatenina ny sabotsy teo. Nifanindran-dalana tamin’ilay Festival Top Sport andiany fahafito tontosaina any an-toerana izany entina hanasongadinana ireo kolontsaina mampalaza ity distrika ity ankoatra ny fampirantiana ny vokatra ny tantsaha sy ireo karazan-dalao ara-panatanjahantena. Omaly no nifarana tamim-pomba ofisialy izany rehefa naharitra hateloana. 
 
Fanampiana : Hitondra fanampiana ho an’i Pakistan vokatr’ireo loza voajanahary nampitondra takaitra ny mponina ao aminy ny Amerikanina. Hihazo an’i Washington amin’ity herinandro ity ireo lohandohan’ny mpisorona Pakistanais hidinika sy hanao tombana ireo zavatra potika miaraka amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na ny FMI.
 
Tsy misy fitsaharana : Tsy misy fitsaharana ny hafanam-be iainan’ireo mponina any Moscou amin’izao fotoana izao. Ahiana hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina izany, indrindra ireo efa nahazoazo taona sy ireo zaza menavava. Na izany aza anefa mbola mitohy ihany ny fandoroana tanety hataon’ireo tsy mataho-tody.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT