Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alatsinainy 30 Martsa 2015

Vassacos Nitaraina ho nambanan’ny zandary basy teny Vassacos ny mpanao gazety Soava Andriamarotafika, tonian-dahatsoratry ny Viva Radio ny sabotsy teo, nikasan’i Alain Ramaroson hitarika «Diaben’ny olom-pirenena». Nilaza ho nahazo fandrahonana ihany koa ny mpanao gazety Rabelaolao (La Gazette de la Grande Île), raha nanaraka ny dian’ny fiaran’ny Emmo-Sécurité nitondrana an’i Alain Ramaroson rehefa nosamborina.

Holafitry ny mpanao gazety
Manameloka tanteraka ny herisetra fanambanan'ny mpitandro filaminana basy mifahana ny mpanao gazety nanao ny asany teny Vasakoss, ny sabotsy teo ny biraon'ny filankevitry ny Holafitry ny mpanao gazety. «Endrika sy fihetsika manohintohina ny fahalalahan'ity asa ity sy fanakantsakanana ny zon'ny olom-pirenena hahalala vaovao izany», hoy ny filohan’ny holafitra Rakotonirina Gérard.

Ambiatibe
Nisy tovolahy iray skoto maty an-drano tany Ambiatibe-Manjakandriana ny faran’ny herinandro teo. Tanora avy ao amin’ny EKAR Anatihazo Isotry, anisan’ireo mpizaika namonjy ny fankalazana ny andron’ny tanora andiany faha-30 sady fetin’ny sampakazo nataon’ny diosezin’Antananarivo tany an-toerana izy no izao tra-doza izao raha nandeha nilomano, ny andro rahateo mafana migaingaina.

Moramanga
Nangataka ny hampitomboana ny vola fanome ireo Bekotro maroholatra ireo ankanga sisa nanamborana mandritra ireo andro kely sisa iainany noho izy ireo efa mahatsiaro ho osa ara-pivelomana ny ankamaroany. Nanome toky azy ireo ny filoham-pirenena fa hijery akaiky izany.

Fenoarivo Atsinanana

Notokanan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery ny sabotsy teo ny biraon’ny talem-paritry ny rano, ny biraon’ny talem-paritry ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy ary ny biraon’ny “Sécurité routière” an’ny zandarimariam-pirenena ao Analanjirofo, izay samy hita ao amin’ny fokontanin’Itendro avokoa. Napetraka koa ny vato fehizoron’ny siniben-drano vaovao ao Fenoarivo Atsinanana izay afaka hamatsy olona 3.000 ary mpanjifa ny jirama miisa 500.

 

Moramanga
Nanolotra vary roa taonina sy roanjato kilao ho an'ireo bekotro maroholatra ao Moramanga ny orinasa Ambatovy, nandritra ny fanamarihana ny faha-68 taonan’ny tolom-panafahana 1947.

Antananarivo
Mitohy ny fanamarihana ny faha-68 taonan’ny tolom-panafahana 1947 eto an-drenivohitra, amin’ny alalan’ny fampirantiana sary karakarain’ny ANTA ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, izay nanomboka ny sabotsy lasa teo. Tanjona ny hahafantaran’ny taranaka faramandimby ny zava-nisy marina tamin’ny taona 1947 mba tsy hahatompon-trano mihono ny rehetra.

Analanjirofo
Napetraka ofisialy tamin’ny toerany ny faran’ny herinandro teo ny lehiben’ny Faritra vaovao ao Analanjirofo Atoa Malo Benoit. Nilokaloka tahaka ny teo alohany fa hiady mafy amin’ny fanondranana antsokosoko ny andramena sy ny harem-pirenena ambanin’ny tany sy anaty ranomasina izy ary milaza ny tsy handefitra amin’izany mihintsy na iza na iza ao anatiny.

Anosibe
Tsy tanteraka ilay voin-kava-mahatratra saika hotanterahin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Scoop Digital ny sabotsy teny amin’ny parking Anosibe. Antony dia noho ny toe-draharahara nitranga eto amin’ny firenena. Hotanterahina ihany ny hetsika saingy tsy mbola voafaritra kosa ny fotoana hanaovana izany.

Antanimena
Nisavorovoro tao amin’ny FJKM Antanimena Atsinanana Fifaliana, SP Iarivo Avaradrano, omaly. Nanao hetsika sady nametaka sorabaventy    manohitra ny fanapahan-kevitry ny Synaodam-paritany ny sabotsy teo nanala ny mpitandrina tao an-toerana. Tsy mbola voatendry ny solony, fa vonjimaika ny mpitandrina nitarika fivavahana omaly.

Analakely
Nangingina ny tsena, nalalaka ny fifamoivoizana tamin'ny sabotsy teo. Natahotra korontana tamin’ilay diabe nokasain’i Alain Ramaroson hatao ny olona, ka betsaka no nisafidy ny tsy hivoaka ny trano na nisafidy lalan-kafa fa tsy nandalo tao afovoan-tanàna ny hafa.

Herinandro masina
Nanomboka omaly ny herinandro masina, mialoha ny fankalazana ny andro nandresen’ny Tompo ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty. Anatin’ny fialantsasatra ny ankamaroan’ny mpianatra ankoatra ireo tsy maintsy manenjika fandaharam-pianarana taorian’ny fahavoazana nateraky ny tondradrano.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT