Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Zoma 20 Aogositra 2010


 

Famindrampahefana : Ny Praministra Camille Vital no mandray an-tanana vonjimaika sy miantoka ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny ministeran’ny fifandraisan-davitra sy ny paositra ary ny teknolojia maoderina. Tontosa omaly teny Mahazoarivo ny famindrampahefana eo aminy ny ministra Rahaingoson Iharizaka, izay nametra-pialana ny talata lasa teo.
 
Fiara nifandona : Fiara fitateram-bahoaka laharana 141 avy any Mahazo hihazo an’Analakely no nifandona tamina fiara 4x4 iray handeha ho any Mahazo omaly antoandro teny Nanisana. Samy nandeha mafy izy ireo araka ny fahitana ny fahavoazana. Vokany, saika nivadika tany an-tanimbary ilay fiara 4x4 no sady niongotra ihany koa ny kodiarany eo aloha iray. Na izany aza tsy nisy ny naratra mafy na ny aina nafoy.
 
Fotodrafitrasa : Hotokanana rahampitso sabotsy 21 aogositra ny trano vaovaon’ny OTIV Tsimanavaka 2 any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Arahin’ny  fihaonamben’ny mpikambana izany hanaovana tatitra ny zava-bita tamin’ny taona 2009-2010.
 
Sahirana : Sahirana mafy mikatsaka izay toerana hivarotany ireo mpivarotra ao an-drenivohitr’i Bealanana. Tsy mitsaha-mitombo mantsy izy ireo tato ho ato, indrindra taorian’ny krizy. Antso no ataon’ny mponina amin’ny mpitondra isan’ambaratongany mba hijery akaiky ny mikasika izany.
 
Nodorana : Entana lany daty toy ny  menaka fanosotra amin’ny tarehy sy sakafo toy ny Farilac ho an-jazakely amin’ny boaty, biskitra, sôkôla ary vatomamy mitentim-bidy 272.628 Ar no indray nodorana tsy nisy hatak’andro omaly tao an-drenivohitr’i Maintirano, taorian’ny fisavana sy ny fidinana ifotony notontosain’ireo tomponandraikitry ny varotra any an-toerana.
 
Asa fanadiovana : Nasiam-panadiovana ny fokontanin’ny 2111, Firaisana Morarano any amin’ny Faritra Atsinanana. Ny 09 Aogositra lasa teo no nanombohan’ny hetsika nifarana omaly 19 Aogositra. Tamin’ny alalan’ny asa tanamaro no nanatontosana izany, nandraisan’ireo olona 70 isa anjara, notronin’ireo vehivavy mpikambana ao anatin’ny fikambanana Meva. Nanohana akaiky izao asa fanadiovana izao ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina.
 
Nijery akaiky : Tonga nijery akaiky ny fizotry ny tsenan-davanila  tany amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra ireo tompon’andraikitra  misahana izany any an-toerana omaly alakamisy. Antony dia noho ny fahatsapan’izy ireo fa be ireo mpandraharaha tsy manara-dalàna  miasa eo anivon’ity sehatra ity  izay miteraka fatiantoka goavana ho an’ny kaominina.
 
Sarona : Sarona tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambatoharanana, distrikan’Amparafaravola ny 15 aogositra lasa teo ireo jiolahy  valolahy  nandrava omby 80 isa sy nahafaty zaza iray tao amin’ny kaominina Tanambao ny fiandohan’ny volana Aogositra lasa teo. Sefo fokontany sy lefiny ny roa tamin’ireo dahalo valo ireo, araka ny vaovao voaray. Tratra niaraka tamin’izy ireo nandritra izany ny ody gasy sy ny basim-borona maromaro. Vokatry ny ezaky ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona no nahatrarana ireto mpanao ratsy ireto.
 
Mandry andriran’antsy : Mandry andriran’antsy ireo mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe araka ny vaovao voaray. Tsy mitsahatra ny mampihorohoro ny mponina mantsy ireo dahalo mpangalatra izay marihina fa sahy maka an-keriny ireo be vokatra sy mpanam-bola mihitsy. Fianakaviana iray no nandefasan’izy ireo taratasy fampandrenesana ny fiandohan’ny herinandro teo fa hotafihiny.
 
Sekoly nianjera : Ankizy mpianatra 18 no namoy ny ainy ny alarobia lasa teo tany avaratr’i Inde vokatry ny fianjeran’ny tranon-tsekoly iray. Mbola nitohy hatrany mantsy ny ranon’orana   tany an-toerana izay marihina fa efa nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo.
 
30 isa naratra : Olona 30 isa no naratra mafy. Io no vokatr’ilay omby nisaoty tao amin’ny kianja fanaovam-baolina any avaratr’i Espagne afak’omaly alarobia. Mbola manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ny ankamaroan’izy ireo.
 
Voapoizina ara-tsakafo : Olona an-jatony no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo any Etazonia vokatry ny fihinanana henam-borona misy bakteria. Eo am-pitadiavam-bahaolana mikasika izany ireo dokotera mpitsabo any an-toerana hatramin’ny omaly ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT