Tsy nambarambara : Misy fiaramanidina “Air Bus A319” misy marika “VP-REX” nihantsona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro. Vahiny efatra, miendrika Aziatika ny telo ary Eoropeanina ny iray no tazana, ary notsenain’i Mamy Ratovomalala, ministry ny harena ankibon’ny tany sy solika ao amin’ny governemanta FAT. Napetraka ao amin’ny “parking”-n’ny miaramila ilay fiaramanidina avy eo. Midika fa iraka avo lenta no ahatongavan’izy ireo eto, na tsy mbola nambarambara aza izany.
Fiofanana : Miatrika fiofanana momba ny ezaka kopia ho an’ny ankizy na ny EKA ireo sefo fokontany sy ireo solontenam-pikambanana tarihin’ny Ben’ny tanàna any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihiana, Faritra Menabe. Ny hanatsarana hatrany ny fomba fiasa manoloana ny fampihenana ny isan’ireo ankizy sy olon-dehibe tsy mbola manana kopia no tanjona.
Tsy azo iainana : Tsy azo iainana ny fofona aterak’ireo maloto ataon’ireo mpandalo sy mpatory an-dalana manodidina ny farihin’Anosy iny. Tsy vitsy ireo velon-taraina noho izany, indrindra ireo mpivarotra hani-masaka eny amin’ny manodidina. Ny mahavariana dia misy trano fivoahana eny amin’ity faritra ity saingy toa vitsy ny mampiasa azy.
Mendrika sy salama : Tontosa afak’omaly talata tany Brickaville ilay atrikasa mikasika ireo kaominina miisa dimy voafidy ho kaominina mendrika sy salama any an-toerana. Voaresaka nandritra izany ny fiofanana omena ireo “Agents Communautaires” iray isaky ny fokontany hanao fanentanana sy handray an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ankoatra ny fandrindram-piainam-pianakaviana.
Fotodrafitrasa : Entina hanamboaran-dalana sy tetezana ny vola azony avy amin’ny fitondram-panjakana na ny FDL ho an’ny kaominina ambanivohitra Ranomafana, distrikan’i Brickaville. Mitentina 9 tapitrisa Ar izany araka ny vaovao voaray. Hahazo tombontsoa manokana amin’izany ireo fokontany tena ratsy lalana.
Rano fisotro madio : Velon-taraina noho ny tsy fahatapahan’ny ranon’ny JIRAMA ireo mponina any amin’ny distrikan’i Bealanana, Faritra Sofia. Voatery miverina maka rano any an-dobo izy ireo noho izany ka manahy mafy ny amin’ny toe-pahasalamany.
Hohamafisina : Hohamafisina ny fitandroana ny fandriampahalemana any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahabo, Faritra Menabe. Laharam-pahamehana amin’izany ny fanatevenana ny andrimasom-pokonolona sy ny fiambenana alina miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana. Nandritra ny fivoriana notontosain’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana no nahafantarana izany omaly.
Fitaovam-pianarana : Hifanotofan’ny olona indray izao ny miantoka fitaovam-pianarana hamidy eny rehetra eny. Ankoatra an’i Tsaralalana sy pavillon Analakely dia efa saika hita any anaty tanana koa ny mpivarotra nanomboka ny tapaky ny volana aogositra lasa teo. Efa misy koa ireo mitety tanana manontany toy ny mpivaro-mofo mihitsy.
Nihena : Fianakaviana maromaro mpatory an-dalana no nalain’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny CASA eny Andrainarivo teny Isotry, iray volana lasa izay. Hofanina hahay hamboly sy hiompy ary hanao asa tanana ireo fianakaviana ireo hahafahany mamelon-tena ara-dalàna toy ny olona rehetra.
Hain-tany : Mamely ireo faritra 52 manerana an’i Frantsa ny hain-tany. Nisy ny fepetra noraisin’ireo tomponandraikitra any an-toerana nanomboka omaly entina hanampiana ireo tantsaha mpamokatra any ambanivohitra toy ny ao Charente-Maritime.
Lozam-pifamoivoizana : Nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa tany atsimon’i Angletera afak’omaly talata. Fiara vaventy iray no nifanehitra tamina fiaran-dalamby tao anaty lalamby. Vokany, olona 31 no naratra mafy. Ny roa amin’ireto farany no tena ahiana ny ainy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.