Actualités

VAOVAO TAPATAPANY


  • Alarobia 18 Aogositra 2010


 

Naato : Mpiadina iray niatrika ny fanadinana Bakalôrea no nahatrarana antontan-taratasy maro mikasika ny lesona sy tantara jeografia ny alatsinainy tolakandro tao amin’ny foibem-panadinana iray ao Ambilobe. Naaton’ny tompon’andraikitra avy hatrany io mpiadina io araka ny vaovao voaray ary noraofiny avokoa ireo antontan-taratasy rehetra hita tany aminy. Miisa 1118 ireo mpiadina tonga niatrika izany any an-toerana raha tsiahivina raha 1164 no voasoratra anarana.
Tsy mandray : Velon-taraina noho ny afitsok’ilay dokotera tokana mpitsabo marary any an-toerana ireo mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antsaraka, distrikan’Ambilobe. Tsy mandray marary amin’ny alina mantsy ity dokotera ity. Tsy misy ihany koa ny mpisolo toerana azy rehefa tsy miasa izy ka misedra olana tanteraka ny mponina.
Mari-pankasitrahana : Nanamarika ny faha-35 taona nisiany teto Madagasikara ny trano fiantohana Aro any Sambava. Fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa nahavita be no nentiny nanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo izay nentin’ity trano fiantohana ity nanararaotana ny fampahafantarany ireo sehatra vaovao hiasany ihany koa. Anisan’izany ny fidirany an-tsehatra amin’ny fikarakarana ny vola fisotroan-drononon’ny mpiasa sy ny fiantohana ireo olona tratry ny tsy fidiny toy ny loza voajanahary.
Milamina : Milamina amin’ny ankapobeny ny fizotry ny fanadinana bakalôrea ankapobeny tontosaina any amin’ny distrikan’Andapa. Mpiadina miisa 357 no tonga miatrika izany miaraka ao anatina foibem-panadinana iray izay hany tokana dia ny CEG ao Andapa Atsimo izany.
Fanampiana : Nigadona ny alatsinainy teo, tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mangabe I, distrikan’i Boriziny vaovao ny fanampiana ho an’ireo traboina miisa 233 vokatry ny hain-trano nitranga tany an-toerana. Vary iray gony sy tapany niampy kojakoja maro samihafa toy ny kidoro sy ny sceau ary ny savony sy ny voamaina no natolotra tamin’izany niaraka tamin’ireo fitafiana ho an-jaza latsaky ny 5 taona.
Fahombiazana : Fahombiazana no azo tamin’ilay “Festival Basesa” andiany faharoa notontosaina tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny 14 sy ny 15 Aogositra lasa teo. Hetsika ara-kolontsaina nentina nanehoana ny maha izy azy ity karazana dihy ity ankoatra fampahafantarana ny fomba amam-panaon’ny mponina any an-toerana.
Zaikakely : Anio alarobia 18 Aogositra no hosokafana amim-pomba ofisialy any Ampanihy ilay zaikakely tontosain’ireo sampana Sekoly Alahady eo anivon’ny fiangonana Loterana manerana ny Synodam-paritanin’i Betioky Atsimo. Ny Alahady ho avy izao vao hifarana handinihina manokana ireo asa hosahanin’ny sampana manoloana ny fanitarana ny ambaindain’ny asa fitoriana ny filazantsara.
Firaisankina : Naneho ny firaisankinany tamin’ilay mpitsara iray namany naratra mafy vokatry ny asan-jiolahy nitranga tany aminy ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Maroantsetra . “Service Minimum” no notontosain’izy ireo omaly talata. Ny alahady 15 aogositra lasa teo raha tsiahivina no nisehoan’ity asa fanafihana ity. Tao an-tokantranony ilay mpitsara no nidiran’ny jiolahy an-keriny ka nanamparany ny heriny rehefa avy nangalany vola. Mbola manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ity mpitsara ity amin’izao fotoana.
Mitombo : Mitombo isa isan’andro ireo mpivarotra hani-masaka eny Analakely. Ao ireo mitondra fiara mihitsy ary manatona ireo toerana bebe olona rehefa antoandro, ao koa ireo mahavatra mivimbina harona maromaro. Mahafa-po hatreto ny tsena araka ny fanadihadiana natao, indrindra ho an’ireo mivarotra vary iray lovia 1.000 Ar . Ireo efa “client” kosa amin’ny ankapobeny no tonga manatona ireo mpivarotra mivarotra mihoatra itsy vidy voalaza etsy ambony itsy.
Azo hiafiana : Raha tsy nahalafo mihitsy teo aloha ireo mpivarotra ranomboakazo Star mandehandeha eny Analakely dia efa azo hiafiana ny tsena nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo, hoy izy ireo. Maro amin’ireo mpivarotra no milaza fa efa mahafalo ny an-tsasaky ny entana entiny raha tsy nisy afa tsy iray na roa izany teo aloha.
Bagdad : Olona 47 isa no indray no maty omaly talata tao Bagdad raha 77 hafa naratra mafy. Io no vokatr’ilay fanafihana niseho tao amina birao iray fandraisana miaramila Irakianina. Nandritra ny fampahafantarana nataon’ny ministry ny fahasalamana lefitra Khamis al Saad no nahafantarana izany. Nisy ihany koa ny vaovao hafa voaray izay nilaza fa 51 no namoy ny ainy io omaly io raha 121 ireo naratra mafy.
Fifanarahana : Hihaona ao Paris renivohitr’i Frantsa anio alarobia folakandro ireo tantsaha mpivaro-dronono sy ireo orinasa mpandray ny vokatra any an-toerana hidinika manokana mikasika ny vidin-dronono amin’ity taona 2010 ity. Tsy mbola fantatra mazava izay toerana hanatontosana ny dinika. Tsy voafaritra ihany koa ny ora hanatanterahana izany.
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT