Hitokona : Nandrahona ny hitokona tsy hivarotra intsony ireo mpivarotra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Miarintareza, distrikan’i Sakaraha raha toa ka tsy mbola lavorary ny fiantohana ny fandriampahalemana any an-toerana. Lasa faritra mena mantsy ity kaominina ity amin’izao fotoana noho ny firongatry ny asan-jiolahy. Nisy ny fivoriana notarihin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny tafika any an-toerana omaly alatsinainy entina handinihina izany.
Matin’ny fokonolona : Dahalo iray tamin’ireo enina tonga nandrava tanàna tao amin’ny fokontany Andranomaitso, kaominina Sakaraha no niharan’ny hatezeram-bahoaka afak’omaly alahady 15 Aogositra. Nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany io dahalo io ka namoy ny ainy teo no ho eo. Tafaporitsaka kosa ireo dimy ambiny.
Andoharanofotsy : Tovolahy ndeha hiatrika fanadinana baka nitondra itony moto scooter itony omaly no tratry ny lozam-pifamoivoizana. Tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany maraina, teo akaikin’ny fivarotam-panafody Andoharanofotsy no niala ilay tovolahy nanapa-dalana izy. Nitrotrongy tamin’ny tany izy ary tao amin’ny hatotogony havanana no nitarainany mafy. Izy rahateo tsy afa-nihetsika teo. Ilay voadona kosa tsy naninona.
Fanadinana : Ny taranja Malagasy no nanombohana ny fanadinana taranja ankapobeny omaly Alatsinainy 16 aogoitra maraina. Ho an’ny sokajy A dia ny mikasika ny tarakevitry ny vanim-potoanan’ny fiforetana anaty sy ny loharano nipoiran’ny tsiny ny fanontaniana tsy maintsy valiana. Ny fanadihadiana lahatsoratra kosa dia ny marina. Ny famakafakana moa dia mikasika ny literatiora. Amin’ny ankapobeny tsy dia sarotra ny Malagasy.
Fotodrafitrasa : Nahazo lycée vaovao ny any amin’ny distrikan’Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro. Ny 13 Aogositra lasa teo no nanaovana ny fiadiana fototra ny trano ahitana efitrano valo, mirefy 21 amin’ny 8 metatra. Herim-pon’ny FRAM na ny Fikambanan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra madiodio no hanatontosana ny asa. Ny 01 ka hatramin’ny 05 Septambra ho avy io kosa no hotanterahina ao amin’ny kianjaben’Ambatondrazaka ny foara lapabe taona 2010.
Tsy misy ny olana : Mizotra araka ny tokony ho izy araka ny vaovao voaray ny fanadinana bakalôrea ankapobeny tontosaina any amin’ny distrikan’i Marovoay. Miisa 270 ireo mpiadina voasoratra anarana tonga niatrika izany, mitsinjara amina foibem-panadinana miisa efatra.
Milamina : Somary nampitaraina kely ireo mpiadina miatrika ny fanadinana Bakalôrea any amin’ny distrikan’i Maintirano ny tsy nitazonana ilay ora fidirana amin’ny maraina ho amin’ny 07 ora sy sasany hatrany. Misy amin’izy ireo mantsy no lavi-podiana ka mandeha dia an-tongotra an-kilometatra maro vao tonga ao amin’ny foibem-panadinana hiatrehany ny adina. Na izany aza mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanadinana nandritra ny andro voalohany omaly. Miisa 218 ireo mpiadina voasoratra anarana, miparitaka amina foibem-panadinana miisa enina.
Fampitaovana : Nahazo solosaina miisa 10 misy ireo logiciel voatokana ho an’ny taranja siantifika ny Lycée Mixte ao Antsiranana I. Miaraka amin’ny boky maromaro ireo solosaina ireo fanomezana avy amin’ny fikambanan’ny mpianatra maintimolaly monina atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion. Anisan’ny mbola manahirana ity Lycée Mixte ity ary hangatahiny fanampiana amin’ireo malala-tanana araka ny vaovao voaray ny hampitomboana isa ny trano fidiovana izay efa tsy maharaka intsony.
Ady amin’ny valala : Tsy mbola nahitam-panafany hatramin’izao ny ady amin’ny valala tontosaina any amin’ny faritr’i Mandoto. Tsy mbola nahazoan’ny mponina valiny mahafa-po ihany mantsy araka ny vaovao voaray ny fitarainany tamin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hanampiana ny fitaovana sy ny ranom-panafody entina hamonoana ny valala.
Vitsy : Mbola azo isaina amin’ny ratsan-tanana araka ny fanadihadiana natao ireo ray aman-dreny tonga manavao ny fisoratana anaran-janany tontosaina eny anivon’ireo sekoly tsy miankina maro isan-tsokajiny misy eto an-drenivohitra. Mangataka amin’ny faran’ny volana Aogositra avokoa ny ankamaroan’izy ireny izay hany fotoana tokana hiandrandran’izy ireo ny tambin-karamany mandritra ity volana ity.
Tondra-drano : Manahy mafy ny amin’izay mety hihafaran’ny toe-pahasalaman’ireo ankizy an-tapitrisany tratry ny aretin-kibo vokatry ny tondra-drano niseho tao Pakistan ny firenena mikambana. Ny aretina tefoidra no tena mampanahy mafy azy ireo noho ny fitohizan’ny fampiasan’ny mponina ny rano tsy azo antoka.
Dimy no namoy ny ainy : Iraniana dimy no indray namoy ny ainy omaly alatsinainy raha sivy no naratra mafy. Io no vokatr’ilay fanafihana niseho tao Moukdadiya, 80 km avaratra atsinanan’i Bagdad. Fiara iray nametrahana vela-pandrika no nisy nanapoaka nandritra ny fandalovan’ilay fiarabe nitondra ireo teratany Iraniana ireo ka izao no namoizana ain’olona izao.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.