Natao baolina : Velon-taraina noho ny hafitsok’ireo Sinoa mpampiasa azy ao amin’ny orinasa SIRAMA Namakia ireo mpiasa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tsy hita ao amin’ity orinasa ity mantsy ny zo maha olona ankoatra ny hasiahan’ny mpampiasa. Mpiasa iray no tratran’izy ireo nahandro sakafo tao an-toerana ny zoma lasa teo ka nodakadakany tahaka ny baolina ny vilany sy ny fatana. Very avokoa vokatr’izany ny sakafo rehetra.
Fitaratra : Hatao kaominina fitaratra ny kaominina ambanivohitra Ampefy distrikan’i Soavinandriana faritra Itasy manomboka izao, hoy ny ministry ny fanapariaham-pahefana. Nisongadina izany nandritra ny fanokanana tamim-pomba ofisialy ny Lapan’ny tanàna vaovao sy ny Birao ifotony momba ny fananantany tany an-toerana ny sabotsy lasa teo. Mitentina 60 tapitrisa Ar ny fotodrafitrasa, vokatry ny herim-pon’ny kaominina madiodio. Napetraka tamin’io andro io tamin’ny toerany ihany koa ny Ben’ny tanàna any an-toerana.
Kara-tany : Sambany no nisy fizarana kara-tany tany amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihiana, faritra Menabe. Ny taona 1993 no nanomboka nikarakara izany ireo tomponandraikitra any an-toerana tamin’ity herinandro ity vao vita vita tanteraka ary nozaraina tamin’ny tantsaha mpamokatra. An-jatony ireo nahazo tombontsoa tamin’izany.
Vaksiny : Hotontosaina tsy ho ela any amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo ilay tetikasa hiarahana amin’ny COSAN hanaovam-baksiny ireo ankizy latsaky ny 15 taona rehetra manerana ny distrika. Hiara-hisalahy amin’ny fanatontosana izany ny Ministeran’ny fahasalamana.
Zaza very : Tontosa ny 11 ka hatramin’ny 13 Aogositra lasa teo tany Nosy Be ilay fiofanana nomena ireo Ong sy sefo fokontany ary ny zandary sy ny polisy any an-toerana mikasikany fikarohana sy fanomezam-baovao ireo zaza very. Andraikitra hosahanin’izy ireo ny hampita ny traikefany amin’ireo mpiara-belona aminy hanenana ifotony ny isan’ireo zaza very.
Mitohy : Mitohy ny asa fanadiovana ny lakan-drano Andriantany etsy amin’ny fokontany Manarintsoa Atsinanana, kaominina Antananarivo renivohitra. Ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra mandritra ny fotoam-pahavaratra no antony hanaovana ny asa araka ny vaovao voaray.
Dinika fandravonana : Tontosa tetsy amin’ny hotely Panorama Andrainarivo ny faran’ny herinandro teo ilay dinika fandravonana ny disadisa mikasika ny fiadidiam-paritry ny jono sy ny harena ankibon’ny tany any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nisy mantsy ny disadisa teo anivon’ity fiadidiam-paritra ity noho ny fanoloana ireo tomponandraikitra tao. Ny mikasika ny ho tohin’ny tetikasa no niompanan’ny olana saingy efa voavaha.
Noraofina : Tovolahy iray sahabo ho 17 taona no samborin’ny mpitandro ny filaminana tetsy Antetezanafovoany I manoloana ny FDC ny sabotsy teo. Araka ny fantatra dia teo am-pivarotana finday halatra ity tovolahy ity no saron’ireto mpitandro ny filaminana ireto ka noraofiny avy hatrany. Iray mazda izy ireo.
Maloto : Velon-taraina noho ny loton’ny tanàna ireo mpandalo etsy amin’ny tonelina Ambohidahy. Lasa toerana fanaovan’ny olona maloto mantsy iny lalana iny ka mila tsy ho azo diavin-tongotra intsony.
Nidina an-dalambe : Nidina an-dalambe nanao antso avo tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao aminy ireo mponina ao Sénégal renivohitra ny sabotsy teo. Noho ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny fihetsiky ny mpitondra any an-toerana manoloana ny fiakaran’ny vidin’ireo entana sy kojakoja ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro no anton’izany ankoatra ny fahatapahan-jiro matetika.
Nanolo-tanana : Nanolo-tanana an’i Rosia tamin’ny alalan’ireo fiaramanidina mpanondraka rano avy eny ambony ny Amerikanina, entina hamonoana ireo afo vokatry ny doro tanety manodidina an’i Mosko renivohitra. Saika any amin’ny 500 km miala io renivohitra io avokoa mantsy no misy ireo mpamono afo amin’izao fotoana miaro ilay tobim-pamokarana nokleary tsy ho voakitika.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.