Mpanao vankansy : Mpanao vakansy hatrany amin’ny 6.000 isa any ho any no andrasana ho avy hitsidika an’i Foulpointe mandritra ny fotoam-pialantsasatra. Am-periny amin’ny fikarakarana ny fotodrafitrasa handraisana ny vahiny avokoa noho izany ny kaominina sy ireo mpandraharaha eny anivon’ny hotely. Na izany aza anefa manana olana ihany izy ireo. Mbola ratsy dia ratsy mantsy ny lalana mihazo ity distrika ity na dia 55 km monja miala ny lalam-pirenena fahadimy aza.
Mpampianatra raikitra : Roa monja amin’ireo mpampianatra fito miasa eo anivon’ny EPP Tsinjoarivo, distrikan’Amparafaravola no mpampianatra raikitra. Ny dimy ambiny dia karamain’ny FRAM avokoa izay tsapan’ireto farany fa tena vesatra ho azy. Nandritra ny fanokanana tamim-pomba ofisialy ireo tranon-tsekoly fanampiny roa any an-toerana omaly no nahafantarana izany. Mitentim-bidy 70 tapitrisa Ar ny vola lany, famatsiam-bola avy amin’ny Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa sy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena.
Fambolen-kazo : Handray anjara mavitrika amin’ilay fambolen-kazo hotontosaina any Fenoarivo Atsinanana amin’io herinandro ho avy io ny talem-paritry ny fifandraisana any an-toerana. Arahin’ny fanokanana ilay televiziona kaominôtera ao Ampasimaningory Mahambo izany, araka ny vaovao voaray.
Savika : Maresaka ny savika any amin’ny Kaominina ambanivohitra Marosoa, distrikan’Ambositra. Hetsika ara-kolontsaina entina hitadiavam-bola hampandehanana ny herinaratra ao amin’ny sekoly Ceg any an-toerana izy io. Efa nahazo ny anjara solosainy avy amin’ny ministera mantsy ity sekoly ity.
Famoran-jaza faobe : Zazalahy kely 400 isa no noforaina maimaimpoana tany Sakaraha omaly. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Association des médecins de Madagascar sy ny fikambanana Tia Longo any an-toerana no angady nananana sy vy nahitana izany. Hitatra amina hetsika ara-tsosialy hafa ny fanampian’ny roa tonta ny mpiara-belona.
Tonga vahiny : Omaly zoma no nigadona tany amin’ny distrikan’i Sainte Marie ny Nonce Apostolika Mgr Eugène Martin hanatrika sy hanome voninahitra ny fanamarihana ny faha-75 taona nidiran’ny finoana Katolika tany an-toerana. Famonosan-damba ny taolambalon’ireo raiamandreny am-panahy katolika efa nodimandry any an-toerana no hisantarany ny fandaharam-potoanany anio sabotsy maraina.
Afa-po : Tonga nitsidika ny asa fanamboarana ilay tetezana ao Anjahanambo, distrikan’i Maroantsetra ny Ministry ny asa vaventy sy ny famantarana ny toetr’andro Razafimandimby Eric omaly. Afa-po tamin’ny asa vita ny Ministra amin’ny ankapobeny. Ny volana septambra ho avy io farafahatarany no ho vita tanteraka ny asa, tontosain’ny orinasa Sinoa GEC.
Ady amin’ny kolikoly : Vaky ny ady amin’ny kolikoly any amin’ny distrikan’Antsiranana I. Miatrika fiofanana mikasika izany ireo mpiasa eo anivon’ny FID izay efa nanatontosa sonia fifanekem-piaraha-miasa niaraka tamin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly na ny BIANCO. Mpiofana 50 mianadahy mianaka no niatrika izany afak’omaly alakamisy.
Tontolo iainana : Miatrika fiofanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana ireo Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly ary ireo vondron’olona ifotony any amin’ny distrikan’Antsiranana I. Hifarana anio sabotsy izany tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny GTZ iarahana amin’ny alemana.
Fahasalamam-bahoaka : “Agent Communautaires” valo tamin’ireo 50 niatrika fiofanana momba ny fandrindram-piainam-pianakaviana sy ny ady amin’ny aretina tazo moka sy ny fivalalana mpahazo ny zaza latsaky dimy taona avy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Masindakana, distrikan’i Befandriana Avaratra no navoaka tamim-pomba ofisialy ny alakamisy taorian’ny fiofanana natrehiny nanomboka ny 05 aogositra lasa teo. Tompon’antoka tamin’izany ny WCF Masira tamin’ny alalan’ny PSI. Tanjona ny hiarovana ny fahasalaman’ireo mponina monina manodidina ny valan-javaboarin’i Makira.
Doro tanety : Doro tanety tamina faritra miisa telopolo no nitranga tao Portugal afak’omaly alakamisy hariva, taorian’ireo herinandro maromaro niainan’ny mponina tao anatin’ny hafanana sy ny tsy fisian-drano. Ahiana noho izany ny mety hisian’ny hain-trano any an-toerana, indrindra any amin’ireo faritra avaratr’i Portugal. Fiara mpamonjy voina miisa 600 no efa nohetsehina, miaraka amin’ny fiara 200 hafa ankoatra ireo fiaramanidina mandraraka rano avy eny ambony.
Tsy fananan’asa : Mitombo hatrany ny isan’ireo tanora tsy an’asa manerana izao tontolo izao, indrindra taorian’ny ady lehibe faharoa. Miteraka olana ara-piaraha-monina goavana izany araka ny tatitra navoakan’ny Organisation internationale du travail (OIT) ny alakamisy teo, indrindra ny fanaovana barofo sy herisetra hatao amin’ny sasany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.