Actualités

Vaovao Tapany


  • Alarobia 27 Oktobra 2010


Lanin’ny trondro : Hita ny alahady 24 Oktobra teo ihany rehefa natelin’ny ranomasina ny sabotsy teo ny fatin’ilay tovolahy iray mpianatry ny Lycée ao Antalaha 20 taona. Tsy hita teo amin’ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity intsony ny lohany raha efa lanin’ny trondro koa ny tongony sy ny kibony.

Cacao : Ny alakamisy 28 sy zoma 29 Oktobra no hotontosaina any amin’ny faritra avaratra ilay atrikasa momba ny lalam-pihariana cacao. Ny tanjona moa araka ny vaovao voaray dia ny handrafetana lalam-pihariana vaovao mikasika ity voly fanondrana iray ity.
Tsy ho ela : Handray ny asany tsy ho ela ireo teratany Sinoa mpitsabo 30 mianadahy eto amintsika. Anisan’ny hahazo tombontsoa amin’izany ny hopitaliben’i Mahitsy, Ambovombe Androy, Sambava ary Vatomandry.
Nifarana : Nifarana omaly 26 oktobra ny fivoriana voalohany ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita izay naharitra 15 andro, araka ny voafaritry ny andininy faha-10 amin’ny didy hitsivolana 2010-010 tamin’ny 7 oktobra 2010 izay mametraka ny parlemantan’ny tetezamita. Hanomboka ny 19 novambra ka hifarana ny 9 desambra ho avy izao ny fotoam-pivoriana manaraka izay handinihana ny tetibola 2011.
Indostria : 47%-n’ireo indostria no tsy voatery nandroaka mpiasa, 21% kosa nanakatom-baravarana, 32% niditra tamin’ny fampiatoana ara-teknika. Fanadihadiana nataon’ny Sendikan’ireo indostria eto amintsika no namantarana izany.
Ben’ny tanàna mainty hoditra : Lany ho Ben’ny tanàna hitantana an’i Slovenia i Peter Boosman, teratany Ganeana. Izy no Ben’ny tanàna mainty hoditra voalohany hitantana ity tanàna any amin’ity firenena eoropeanina ity. Nanambara moa ny tenany nandritra ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety taminy fa taratry ny demokrasia tokoa izao fahalaniany izao.
Hihamafy : Hihamafy orina hatrany ny fiaraha-miasan’ny Faritra DIANA sy La Frantsa. Nisongadina izany nandritra ny fandalovan’ireo delegasiona Frantsay tany an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsiahivina fa ny taona 1999 no nanomboka niara-niasa ny roa tonta ary tsy mbola nisy olana mihitsy.
Nikatona : Nofantsihan’ny mpampianatra sy ny fianakaviamben’ny fampianarana tao Ambanja omaly ny biraon’ny Cisco. Nilahatra nihazo ny biraon’ny distrika izy ireo taorian’izay, nampahafantatra ny zava-nisy. Mitaky ny hanalana ny sefo Cisco izy ireo. Tsy nisy fianarana vanona tao an-toerana omaly vokatr’izany.
Tontosa : Tontosa soa aman-tsara ny fiandohan’ny herinandro teo ny fifidianana izay ho mpikambana eo anivon’ny biraon’ny FAM na ny Tambajotra ifandrombonan’ny vehivavy rehetra any amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo.
Fambolena sy fiompiana : Higadona tsy ho ela any amin’ny distrikan’i Brickaville ireo tanora mpandraharaha miisa 100 hiara-hiasa amin’ny Ministeran’ny Fambolena hanitatra ny ambaindain’ny asa fambolena sy fiompiana any amin’ity distrika ity. Tany mihoatra ny 2.000 ha no hohajarian’izy ireo araka ny fantatra.
Vondrona parlemantera : Ahitana Vondrona parlemantera efatra eo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita (CST), dia ny UDR, ESCOPOL, Réconciliation Nationale ary ny Arc en Ciel. Araka ny fitsipika anatin’ny CST dia mpikambana sivy no afaka mandrafitra vondrona parlemantera iray.
Sekoly ambaratonga fototra : Sekoly ambaratonga fototra miisa 166 no fantatra fa efa manaraka ilay fandaharana OIO vokarin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny DREN Menabe any amin’ny distrikan’i Morondava. Tratra ny tanjona araka ny vaovao voaray izay marihina fa mbola hitatra any amin’ny faritra hafa ihany koa. Tsiahivina fa ny UNICEF no miara-miasa amin’ny Ministera amin’ny fanatontosana ity fandaharana ity.
Mampidi-doza ny la craie : Ny tsaoka na la craie vita malagasy ankehitriny dia misy fofona solika. Mila mitandrina ihany amin’ny vovok’izy ireny. Nisy mpianatra tratry ny vovoka tsaoka ny masony. Nitatra ny aretina satria nihamena hatrany ny mason’ilay zaza ary miha mivonto ny masony na dia efa notsaboina tamin’ny hopitaly sy nasiana fanafody aza.
Nangonin’i Pati - Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT