Actualités

Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana Hohamoraina ny fifamoivoizana ana habakabaka


  • Alarobia 20 Mey 2015

Hohatsaraina ny fifaneraserana ana habakabaka ho an’ireo nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Anisan’ireo tetikasa 40 hodinihina mandritra ny filankevitry ny minisitry ny raharaham-bahinin’ireo firenena mikambana ao amin’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI)

 

izay hanomboka anio etsy amin’ny hotely Carlton. Io no nambaran’Atoa Jean Claude de L’Estrac sekretera jeneralin’ny COI  omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo nandritra ny fihaonany tamin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Ny tsy fahampian’ny fifandraisana amin’ny samy mponina aty amin’ity faritra ity no tena mampitarazoka ny fampandrosoana isam-paritra satria lafo loatra ny saran’ny fandehanana fiaramanidina, hoy Atoa Jean Claude de L’estrac. Efa nisy ny dinika nifanaovana tamin’ireo kaompaniam-pitanterana rehetra miasa aty amin’ity faritra ity ka raha tsy misy ny sampona hafa dia ny volana jona izao no hanaovana ny fifanarahana sy ny fifanaovan-tsonia eo amin’ireo kompaniam-pitanterana sy ny komision’nyRanomasimbe  Indiana. Eo amin’ny fampiroboroboana ny fambolena                                                                                                                                                    indray dia fantatra fa mitentina 600 tapitrisa amin’ny fampitomboana ny famokarana. Hampitomboina ny vokatra eto Madagasikara, hoy ny sekretera jeneralin’ny komisionan’ny ranomasimbe Indiana mba hahazoana antoka ny fahampian-tsakafo eto an-toerana  aloha ary avy eo hiantoka ny famatsiana ara-tsakafo ireo firenena manodidina mikambana ato amin’ny faritra koa. Izany tetika rehetra izany dia manana  anarana hoe “Alliance vanilla”. Amin’ny ady atao amin’ny asa ratsin’ny jiolahin-tsambo ihany koa dia hapetraka eto Madagasikara ny ivontoerana ifanakalozan-kevitra sy fanangonana ireo vaovao tsara ho fantatra amin’ny fiarovana ny ranomasimbe   Indiana  fa any amin’ny  nosy Seychelles kosa no hitoby ny tafika mpanatanteraka ny asa rehetra. Marihina fa i Madagasikara no filoha mitantana ny komisionan’ny ranomasimbe Indiana hatramin’ny volana jolay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT