Tena manana ny mampiavaka azy tokoa ity fitondrana voalohany ao anatin’ity Repoblika faha-4 ity.
Eo aloha ny fahasahiranany amin’ny fitadiavam-bahaolana manoloana ireo tranga maro eto amin’ny firenena. Tsy tena voavaha rahateo ny olana fa toa mionona amin’ny fanafody vonjimaika fotsiny ireo olom-boafidy sy olom-boatendry neritreretin’ny vahoaka hanala azy ao anatin’ny fahantrana lalim-paka manjo ny mpiray tanindrazana. Manaporofo izany ny fiverimberenan’ireo fitakiana avy amin’ny sendika sy fikambanana samihafa aorian’ny fampanantenana poakaty tsy tanteraka miaraka amin’ny teny nomen’ireo olom-panjakana ambony nampindramina fahefana. Fomba fiasa vaovao iombonan’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna tao anatin’ny volana vitsivitsy izao ny fananganana vaomiera na sampandraharaha na fitsarana manokana mandinika sy manao fanadihadiana mikasika ireo dosie na raharaha mangotraka. Azo tanisaina ao anatin’izany, ohatra, ny fampijoroana tribonaly manokana misahana ny fanondranana an-tsokosoko andramena, ny fananganana vaomiera handinika manokana ny dosie Nosy Malagasy eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nanambara ny fijoroan’ny sampandraharaha manokana fanangonam-baovao mikasika ireo Malagasy monina any Paris ihany koa ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy. Rafitra manokana antenaina tsy ho fandaniam-bola sy fotoana fotsiny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.