Actualités

Vanim-potoan’ny fialan-tsasatra Ilaina ny fiarahan’ny fianakaviana mitokana kely


  • Alakamisy 27 Jolay 2017

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny. Tsy vitsy ireo miala kely misitaka ny renivohitra noho izany na dia andro vitsy monja aza mba hamalifaliana ny ankohonany.

 

Tsy mijanona ho an’ny fahasalamana ihany mantsy   ny tombontsoa azo avy amin’izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy fa ilaina mihitsy ny fiarahan’ny fianakaviana mitokana kely mba hisian’ny fifandraisana sy ny fifankatiavana eo amin’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka. Rehefa miala sakana mantsy ny ankizy iray raha araka ny fanazavany  dia lasa maranin-tsaina sy tia miady hevitrabe. Mihevitra ny tenany ho lehibe ihany koa izy mandritra izany na dia mbola tsy lehibe aza, antony miteraka ny fifandirana  eo amin’ny roa tonta raha tsy voafehy. Vahaolana aroson’ity dokotera iray ity araka izany ny hisian’ny fotoana na dia kely aza hahafahan’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka mifampiresaka sy mifandray am-po fihetsika tokony hatomboka na dia mbola kely aza ny zaza. Ankoatra izay toe-tsaina hananan’ny ankizy miala sakana izay dia nambaran’ity dokotera ity fa fiovam-batana marobe ihany koa no hita eny aminy toy ny fahatongavan’ny fadim-bolana ho an’ny vavikely…

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT