Actualités

Vanim-potoanan’ny Pesta 2018 Mety hampihemotra fifidianana


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Mahalasa saina ny mpanara-baovao ihany ny fanazavan’ny manampahefana Malagasy ny taon-dasa 2017 teo, mikasika ny valanaretina pesta.

 Raha ny tokony ho izy dia ny volana novambra ka hatramin’ny volana martsa no vanim-potoana fipariahan’izy ity saingy lasa aloha ny farany teo, ka nitranga teo anelanelan’ny volana aogositra sy ny volana novambra. Ny 1 aogositra 2017 no nambara fa nisian’ny olona voalohany matin’ny pesta teto Madagasikara ary ny 27 novambra 2017 no nanambara ny praiminisitra fa voafehy ny pesta. Aretin’ny loto ny pesta ary mampirongatra azy ny fotoanan’ny rivodoza toy izao. Mazava ny amin’iny saingy mahalasa saina ny famoahan an’ilay voambolana hoe “saison pesteuse” na vanim-potoan’ny pesta tamin’iny taon-dasa iny. Fanambarana izay midika fa hiverina isan-taona tahaka ny vanim-potoan’ny ririnina sy ny fahavaratra, na ny fararano sy ny lohataona ilay vanim-potoana misy ny pesta. Maro ireo mihevitra fa efa fanomanan-tsaina ny Malagasy ny amin’ny zavatra mety hitranga amin’ity 2018 ity izany, satria mety ho anton-javatra iray ihany koa hampihemotra ny fifidianana tsy ho amin’ity taona ity tampoka io vanim-potoan’ny pesta io (aogositra hatramin’ny novambra). Raha nanontaniana ny heviny mikasika izay toe-draharaha mety hitranga izay moa ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, Hery Rakotomanana, omaly dia nanazava fa hatreo amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana ihany no andraikitr’izy ireo fa aleo tsy mieritreritra izay tsy hampoizina aloha.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT