Actualités

Vangaindrano Efa tany miady…


  • Zoma 20 Janoary 2017

Nitohy ny sakoroka sy ny fifandonana tany Vangaindrano omaly alakamisy. Noho ny tsy famelana ireo vahoaka hanatanteraka ilay fitsaram-bahoaka efa ho andro vitsy izay, dia nihamafy hatrany ny hetsiky ny mponina omaly, ka niafara tamin’ny famotehan-javatra

            Nitohy ny sakoroka sy ny fifandonana tany Vangaindrano omaly alakamisy. Noho ny tsy famelana ireo vahoaka hanatanteraka ilay fitsaram-bahoaka efa ho andro vitsy izay, dia nihamafy hatrany ny hetsiky ny mponina omaly, ka niafara tamin’ny famotehan-javatra .Trano miisa 11 teo akaikin’ny toby fiantsonan’ny fiara no may nandritra ny sakoroka; may tsy nisy noraisina ny tsena sy ny toby fiantsonan'ny taksibrosy, maro ihany koa ny fandrobana niseho. Tetsy an-kilany, nirarakopana ny baomba mandatsa-dranomaso avy amin’ny mpitandro ny filaminana mba ho fanaparitahana sy fisakanana ny famotehan-javatra.Raha tsiahivina, dia mitaky ny hampiharana ny Dina ka hanaovana fitsaram-bahoaka ireo 3 lahy voarohirohirohy tamina famonoana sy fanolanana tovovavy  19 taona mpianatry ny lisea ny vahoaka. Mifanolana ny mpitandro ny filaminana sy ny mponina efa mahatratra 3 000 avy amina kaominina 13 any an-toerana, izay ahitana vatan-dehilahy 600 miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny kalaza sy famaky ary ny lefona. Matahotra sy mitaintaina ny mponina any an-toerana ary maro no tsy sahy mivoaka ny trano, somary mitandrina ihany koa ny zandary amin'ny fampandriana fahalemana satria hivadika zava-doza ny raharaha raha sanatria misy ny olona maratra na sanatria maty noho ny tifitra.Efa tany miady ny any Vangaindrano kanefa tsy mbola nisy ny manampahefana niteny na dia iray aza hatry ny omaly alina , ho hita eo indray ny anio.Taratry ny fikorontanan'ny fiarahamonina eto Madagasikara sy ny tsy fankatoavana tsotra izao ny rafitra misy izao tranga any Vangaindrano izao ary tokony hampieritreritra lalina ny mpitondra fanjakana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT